Mihazakazaka amin'ny faharetana ny kristianina.

21. ikaretsaka ( 23/01/2008 03:36)
tandremo tsy mijery lalana koa ary fa variana mijery ny mpamingana ka "finganin;ny rindrina" fa diso lalana
22. nandrianina1 ( 23/01/2008 04:17)
io ndray ika an!
rindrina nga mamingana fa mampitapô de tsy menjera fa maniry kintana fotsin
23. niryna ( 23/01/2008 05:56)
xl:

Misaotra antsika rehetra aho fa tena mamaly vavaka Andriamanitra,
indrindra i niryna manazava zavatra betsaka amiko
hihezaka mafy tokoa hanompo e!
Ny tompo anie homba antsika rehetra ato
nofo aman-drà moa ny tena ka misy ny fakam-panahy mandindona eny indraindray
Tsy azoko kely ilay hoe efa manam-bady na tsia?
izaho izao efa dia latsaka kokoa ve ny fahasoavam-panahy azoko?
Misaotra mialoha
(l)

Tsy misy fisaorana xl a.
Ny fakam-panahy dia mandalo amintsika isan'andro ary izany no hifikirana amin'Atra ,hivavahana,hifonana aminy rehefa tonga izany.Tsy ho afaka ny fahoriana na ny fakam-panahy na ny zavatra madinidinika raha tsy efa tonga i kristy
Isika rehetra dia samy nomeny anjara hitory ny teny soa mahafaly izay nomeny ary dia ampiharina amin'ny fiainana andavanan'andro izany.
Mikasika ilay hoe manambady na tsia,ny tsy manambady hoy i Paoly dia tokony hanana fotoana be kokoa hanompoana an'Atra satria izy ireo tsy manana andraikitra miandry toy ny olona efa manambady aman-janaka. :D:D ao anaty baiboly io,ilay tantara mikasika ny mariazy.

24. niryna ( 23/01/2008 05:58)
fahamarinana:

:arrow:ho tahian'ny Tompo i xl dia mahereza e.Na za aza mandalo amin'izany koa fa tsy kivy e(l)


marina izany,isika rehetra>ny mahasamihafa ny kristiana ,izay tena mino an'i kristy irery ihany (sy ny Ray )dia manana fanantenana fa na inona mitranga dia mamaha olana izy,ary ny fahatongavany tety an-tany dia nampiseho antsika ireo fahagagana maro izay nataony ary mbola nataony hatramin'izao.
25. niryna ( 23/01/2008 06:01)
ikaretsaka:

niry7na> rehefa minomino foana ohatra hoe misy lolo na matoatoa "na herin'ny maizina" dia matetika kosa manonofy ratsy

tsy laviko izany,eo amin'ny ankizy no tena ahitana izany.Te hanandrana hianao? Vakio boky mampatahotra izy raha tsy manofy ratsy be.Maro ny dikan'ny nofy,andao atao sujet indray fa tiako ny manazava an'io :D:D
ary tsy ny nofy rehetra akory dia milaza zavatra,saingy misy dikany koa ny nofy raha fantatrao hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.Ao anatin'ny nofy koa Atra no mampiseho antsika zavatra tsy takatry ny saina sy ny zavatra tiany ataontsika.
Misy nofy ririnina ,efa noresahintsika io ,ary misy koa mijery film dia lasa mivadibadika ny ao an-tsaina dia manovy.Betsaka e

26. niryna ( 23/01/2008 06:11)
nandrianina1:

niryna> misaotra fa mbola miazakazaka ihany niryna na de misy mamingana aza ndrayndray!
de mahereza le namana iray ao ambony ao tafita ny hafatra

samy hotahian'ny Tompo daholo

:D:D ao anatin'ny faminganana maro samy hafa no ahitana sy ahazoana ilay medaille kou.Tsy kivy,tsy ketraka,mitohy hatrany ny tolona.
Mety mihazakazaka tratra ny miadana aho saingy tonga any amin'ny farany ihany,tsy izaho irery fa isika rehetra,ary ny fisian'ny olona manohitra ny tenin'Atra no tena ahitana hoe miaraka Aminy isika.(tsy avelako ho kamboty) :roll:
Ahoana koa izany? Tonga dia mamela ilay olona haingana ary dia tsy raharahina intsony izay teny mandratra na mankarary ataony any.Hoy ny mamako izay ,fiteniny foana hoe e, i, izany koa ka ataoko mankarary an-doha.Tena ela-velona mihitsy izy ary toy ny taonan'ny olona latsaky ny 15 taona any ny taonany.Mahavariana ny asan'Atra,tsy mitana lolom-po,falifaly lalandava,mitsinjo ny mahantra,izy indray no miantoka kofehy ho an'ireny mahantra tonga manjaitra ao aminy ireny dia tsy takiany karama.Maro ny zavatra azoko nalaina tahaka ary niainako koa moa ilay izy dia mety ho mora amiko ny mianatra ny nataony.Hi,hi
Ny soa fianatra ho antsika rehetra :-*

27. niryna ( 23/01/2008 06:16)
ikaretsaka:

tandremo tsy mijery lalana koa ary fa variana mijery ny mpamingana ka "finganin;ny rindrina" fa diso lalana



=))=)) tsy matahotra ny aty fa miaraka amin'i kristy,inona no zavatra tsy ho vitany?

Voafingana? na iza na iza manao fahadisoana e.toy ny zaza mianatra mamindra ihany io ,mianjera dia miarina indray.voafingana aho androany? Hitako ny lalana asiako ny tongotro.(stumbling blocks no anaran'izany).
Ataovy hoe misy seza mibahana eo anoloanao,itanao ilay izy,dia akisaka mba tsy ho voafingana,mitohy ihany sy mizotra hatrany ny lalana manaraka ny hafatry ny Tompo.Raha tsy manaraka hianao dia manao demi-tour fa lasa niova lalana,tsy tara satria mbola afaka mihazakazaka ihany ary mbola misy olona hafa tsy nahavita demi-tour any fa vao depart.Ny tanjona fotsiny dia samy ho any an-danitra rehefa mino fa i Kristy no maty teo amin'ny hazo fijaliana noho ny otantsika rehetra ary dia manaiky ny hiara-dia aminy.
28. niryna ( 23/01/2008 06:18)
nandrianina1:

io ndray ika an!
rindrina nga mamingana fa mampitapô de tsy menjera fa maniry kintana fotsin



=))=)) hafakely foana ny azy ny fandraisany ny tenin'Atra e =)) Mbola hanao warm-up kely izy ka.Tsy tonga dia mihazakazaka fa kofina eo :-*
29. nandrianina1 ( 23/01/2008 16:53)
=))=))=))
30. ikaretsaka ( 23/01/2008 17:02)
samy maratra na ny mianjera voafingana na ny midona @ rindrina ko.

Izay ny maha ika an'i Ika ry Niryna an.. tsy mandray an-tendrony fa mi analyse ary tsy voatery hitovy amin'i niryna ny ataon'Andriamanitra azy
izay ilay hoe samy manana ny Fanomezam-pahasoavany fa tsy izay mety @ niryna de mety amiko
31. niryna ( 24/01/2008 06:56)
nandrianina1:

=))=))=))


=D=D
ity koa misy iray nandrianina a
Tsarovy fa fihodikodinana ny didy mitondra ny tany,fiakarana sady fiodinana korontana ambony sy ambany.
Ny ketraka mora mivarina,miroraka kanefa kanosa
Ny potraka kanefa tafarina,ireny ka olona kosa =D=D
Ny fahatahorana,ny fisalasalana ,ny tsy finoana fa any amin'i kristy irery no misy ny famonjena,ireo rehetra ireo sy ny maro dia lasa mitarika ilay tsy fahatongavana amin'ny tanjona dia ny famonjena avy amin'i kristy izany.

Ny olona nandalo fiainana sarotra,na inona izany na inona kanefa nanana fikirizana sy finiavana ary finoana an'i kristy ,ireny tsara ataontsika fianatra
:D
Jereo anie ireto e
Ny sokatra mandeha moramora mba ho tonga any amin'ilay line farany ,mandeha miadana izy fa tsy mivilivily satria fantany ny tanjona sy ny dia tiany aleha ary dia tonga ihany amin'ny farany.

Toy izany koa ny kristiana izay mitady famonjena any amin'i kristy,izy irery ihany tsy misy mpanelanelana toy ny nampianarin'ny sasany azy,inona no ilaina ny hazofijaliana raha izany? :D
ny famonjena any amin'ilay Kristy ,zanak'Atra irery,tonga ihany izy no hinoany amin'ny farany .

Ny bitro indray nihazakazaka ary dia nalady rereka ka niato kely ary niverin-dalana,saingy tonga saina izy dia niverindalana nanao 360 degres namonjy ilay lalana narahan'ilay sokatra ary dia tonga ihany tamin'ny farany.

Toy izany koa isika kristiana,na inona na inona manjo rehefa mitodi-doha miverina amin'Atra dia ho voavonjy foana ny fanahintsika.Izay ilay tanjona dia ny ahatongavana any am-paradisa,ny hiaraka amin'i Kristy izay nanavotra antsika. :-*
32. Rasiligaoma ( 24/01/2008 07:16)
tsy hitako ny hifandraisany
33. niryna ( 24/01/2008 18:27)
Rasiligaoma:

tsy hitako ny hifandraisany

:D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3786