Ny anarana tokoa ve no niova eh?

1. zamanoro ( 19/01/2008 14:34)
Fanontaniana mipetraka io
Inona tokoa no mahasamihafa ny hoe
- "revolution Verte" sy ny hoe "Mamokatra mamokatra hatrany"
- "Decentralisation" sy ny "Fitsinjaram-pahefana"
- "District-commune-sefom-pokotany" sy ny "Fivondronana-Firaisana-Filohan'ny Fokontany"
Dia hoy ilay mpamazivazy hoe
Toa tsy mitovy kosa ny "Marc" sy ny "Ravalomanana" koa

novalian'i zamanoro ny 22/01/2008 18:33
2. vale ( 19/01/2008 15:11)
:lol:taitra aho noeveriko fa Manoro Hotel ao antsirabe no niova anarana:-D:-D:-D:-D:-D:wink:
noro=virginie é,:-P:-P:-P:D
3. vale ( 19/01/2008 15:17)
Izay aloha e!!!
4. LazaDaddy ( 19/01/2008 15:33)
- "Dingana lehibe" (lasa Fingana Lehibe) sy ny "Fiovam-penitra mahery vaika"
5. jorandys ( 19/01/2008 15:39)
Ny revolution verte fotsiny no misy fahasamihafany satria tsy ny vokatra eo amin'ny lafiny agriculture ihany no resahana eo, fa misy koa ny revolution bleu ao anatin'io dia ny anaty rano rano izany, (fampitomboana ny resource halieutique) misy loko hafa koa izy io arakaraky ny secteur.
fa ankoatr'izay dia ny eo ihany no eo
6. vale ( 19/01/2008 15:55)
Faly mafantatra ny namana vaovao aloha e!ben,raha tsy miova izanyratsy be! na anaty baiboly aza misy oe rah tsy lasa olom_baovao isika tsyhiditra ny fanjakan_ny lanitra,hs fa aiza ny hitovizan'ny oe Marc sy Ravalomanana? zay iany no haiko aloha.:-P:wink:
7. badboy ( 19/01/2008 18:35)
zamanoro:
Inona tokoa no mahasamihafa ny hoe
- \"revolution Verte\" sy ny hoe \"Mamokatra mamokatra hatrany\"

-Révolution verte mikasika ny fambolena rehetra (hazo, var) sy ny fiarovana ny tontolo iainana.

-Mamokatra mamokatra hatrany mikasika manokana ny \"agriculture\" (fambolena vokatra hohanina) (mety hikasika zavatra hafa ihany koa tahaka ny vokatry ny indostria, ny fiterahana...fa eto ny fampitahana manokana ny fambolena no laizaina)

zamanoro:
- \"Decentralisation\" sy ny \"Fitsinjaram-pahefana\"

- Décentralisation : fomba fitondrana miankina @ famelana ny vondrombahoaka @ faritra iray votondro \"collictivité territorial\" hifidy ny mpitondra io faritra io. Ilay vofidimbahoaka no manapaka ny pôlitika hitondrany ny faritra ary ny mpiasa eo ambany fahefan\'ilay voafidy dia miankina @ ilay voafidy fa tsy @ fanjakana. Mahaleo tena ilay faritra @ fidirambola sy fampiasana ny vola miditra.

- Fitsinjarampahefana : \"Déconcentration\" famindrana ny fahefampanapahan\'ny fanjakana @ ireo olona voatondrony fa tsy mila fidiana!!

zamanoro:

- \"District-commune-sefom-pokotany\" sy ny \"Fivondronana-Firaisana-Filohan\'ny Fokontany\"


- Fivondronana : département (fitambran\'ny firaisana)

- Firaisana : Commune (fitambaran\'ny fokotany)

- Fokotany : arrondissement

- District : fanambarana ny firaisana sasantsasany mahatratra isamponina voafetra (communauté urbaine ou communauté de communes ou communauté d\'agglomération).
8. badboy ( 19/01/2008 18:40)
Ireo tokoa ve no ampiarina ao madagasikara, fanontanina milanja 10000000000 ariary!!!
9. Jeankely ( 20/01/2008 02:29)
Ny anarany moa midika inona na hovaina injato aza fa ny ZAVATRA VITANY no tokony jerena. Rehefa Fokontany ve dia miasa tsara sa gaboraraka? Sa rehefa avadika tenin-drazan'i badboy, bazylou sy tezitra Communine dia lasa miasa mafy? Ny sain'ny sasany variana amin'ny resaka anarana sy ny teny ary manimba sy manova dikan-javatra. Ohatra amin'izany, vao miteny hoe Koperativa dia COPAREMA na KOPAREMA tsy haiko no hisainan'ny sasany ary lazaina fa ovay fa aza atao Koperativa izany. Ny teny ao amin'ny baiboly rehefa tiana halaza ilay olona dia tsara fa rehefa tiana hajera ilay olona dia ny teny @'io baiboly io mivadika ratsy. Tsy ilay olona akory nefa no namorona ilay teny fa nindrana fotsiny. Ny asa no jerena fa tsy ny anarana
10. xxx ( 20/01/2008 16:26)
tsy azon' kil lé resaka ra zamanoro a, ny kil dia mbola miezaka manazava sy mitady izay mahasamy hafa azy nefa ny tena tian'katongavana dia ny vava iray ihany ny resultat mitovy daholo. nareo aoka hamaly ilay résultat.

firy % de croissance économique moa??????

dia firy % de taux d'inflation?



11. lldd ( 20/01/2008 16:30)
NY RAY EN FRAN9AIS NY RAY EN MALGACHE RY NGAH ààààààààà
f i ngah ve tsy mandinikéééééééééééé
12. badboy ( 20/01/2008 18:42)
lldd:

NY RAY EN FRAN9AIS NY RAY EN MALGACHE RY NGAH ààààààààà
f i ngah ve tsy mandinikéééééééééééé


=))=))=))^:^^:^^:^ Azavao kely azy fa tsy azony!!!!
13. Jeankely ( 21/01/2008 04:16)
Inona no tsy azo amin'izany hoe ny asa no jerena fa tsy ny maha-teny Frantsay na teny Malagasy na teny avy ao amin'ny Baiboly na avy aiza? Tafavoaka ve sa lasa nanimba ilay teny fotsiny? Aza adino fa raha ara-taratasy dia anisany nahasoaratra betsaka ny Mpitondra Malagasy nifanesy hatr'izay asa izany angaha no nolavainy tamin'ireto Frantsay ireto na izy no donto hiandrasana anareo tanora toy i Badboy ho avy. Ny fanatanterahana tsy hita fa mipoapoaka daholo anefa ny "Politiques et Stratégies". Tena mila anareo maika mihintsy ny firenena mba hioarany an'ireny Taiwan sy Singapore ary ny hafa ireny. Vitao haingana ny fianarana dia tongava malaky fa efa mijaly ny vahoaka. Aza ela re
14. zamanoro ( 22/01/2008 18:33)
Kay somary nitovy ilay izy, fa miova andriana hono miova sata. Dia mba ovaina ny soratra sy ny fitomboka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0477