HOFOANANA NY KARAJIA AO @ RDJ

1. news2dago ( 18/01/2008 12:48)
mihemotra ny demokrasia eto madagasikara ary tena manomboka eo @ io kihon-dalàna iray io (ny sivana)no miatomboka ny faharavan’ny fanjakana iray voamarina foana izany na aiza na aiza! satria tsy tafavoakan’ny olona ny alahelony fa voahangona ao ampony ao! ka raha mitraotra izy ao aorina kely ao dia: “mipoaka ny sarom-bilany”! tsy efa tantara niseho ve izany hoy ianao…ny ampitso no hanamarina izany!
novalian'i Jeankely ny 24/01/2008 05:07
2. shuesoa ( 18/01/2008 13:32)
tsy nome kosa izany
3. kiadi ( 18/01/2008 13:36)
fa misy in ao @ le karajia?
4. Jeankely ( 18/01/2008 13:51)
NOho ny maha-dekratika an'i Madagasikara no hanampian'ny hafa azy koa rehefa miverindalana ny Mpitondra dia efa manomana ny fialany izy izany. Izaho tsy any aloha tsy mahalala izany fa amin'ny ankapobeny fotsiny izany. Rehefa tonga ny fotoana hampipoaka ny saro-bilany ve moa azo sakanana fa mirefotra izy.
5. vakiniadiana ( 18/01/2008 14:20)
toa tsy ao @ RDJ io fa ao @ RDB :D
6. zamanoro ( 19/01/2008 00:12)
kiadi:

fa misy in ao @ le karajia?

Le karajia mantsy afaka milaza izay tiany eo ny adinina sy ny vahoaka. Toa an'ilay toe-javatra any Ambohimandroso. Dia matahotra ny mpitondra hoe mety hirona hanohatra bebe kokoa ny vahoaka eto Antananarivo raha mitombo ny tsikera.
Tao koa moa no tena nilaza ilay fanambaran'i Ravalo hoe "Ataoko toa an'i Fianarantsoa io Antananarivo renivohitra io..."
Tena mba mpitondra kely saina ihany raha izany tokoa no hiseho

7. Jeankely ( 19/01/2008 02:47)
Antananarivo Renivohitra ary hitoeran'ny karazan'olona rehetra eran'ny faritany. Raha simba ao dia simba tanteraka. Tsy ao no hanaovana toetra valabalaka. Ny ho avy no hitsara. Raha ny asa no mahashirana dia tavela eo ny mpitondra fa raha toetra ratsy kosa no vohizina dia manjavona lasa rivotra rehefa tonga ny fotoana
8. news2dago ( 19/01/2008 07:19)
kiadi:

fa misy in ao @ le karajia?


tena diso tsipelina aho omaly noho ny hamehana fa radio don bosco no misy ny karajia fa tsy rdj araka ny voasoratro ialana tsiny @ namana ao @ rdj!
ny fandaharana karajia dia sehatra ahafan'ny mpihaino maneo hevitra @ telefonina ka mivantana izy io dia mnao torapo eo ilay olona izay miteny! fa nisy mpihaino nitaona olona Ho eny @ 13 mai hilahatra dia manohatohana ny fandripahalemana hoe! AZA ADINO ANEFA FA TEO @ 13 MAI I RA8 NO NANDROBAKA FAEHEFANA
9. kiadi ( 19/01/2008 09:09)
misôtra betsaka ohh
10. tido ( 19/01/2008 11:55)
Tsy mazaka Demokrasia ny fihetsiny nefa ny kabariny milaza fa mahazaka izany tsara ny fitondrana. Sa dia efa mitady hiboraka tokoa ary ity fitondrana ity? Hiverina indray ny nataon'ny mpitondra teo aloha satria efa tsy harany intsony izy ity? Ny mpamingana sy mpamadika tsy kely lalana, ny fankampanahy manaraka ihany, ny vahoaka mimenomenona etsy andaniny. Tokony ho mailo izy raha mbola te ho tsara, dia hivavaka ihany koa e.
11. tontavao ( 19/01/2008 12:19)
Efa foana ilay izy fa tsy hoe hofoanana. Dia efa miandry ny anjaran'ny serasera forum koa é.
Sady aleo hangina amin'izay fa hay tsy mahatanty kay ny ao amin'ny fitondrana ao.
voafitak'ilay hoe: mandala ny demokrasia ny fitondrana dia mba roboka ny tena. Aleo indray ialana izy ity ry zalahy fa raha ny marina kay tsy azo atao ny manohitohitra an'ireo kay. Veloma daholo ry havana, rehefa miala ny censure miverina eto indray.
12. Jeankely ( 20/01/2008 02:21)
Amiko aloha dia mamerina hatrany aho hoe MILA FANDRAISAN'NY VAHOAKA ANDRAIKITRA MATOTRA. Raha mba mihaino ireny resaka torapo ireny ianao dia misy olona avy dia resaka fiaviana, maha-Tanindrana sy Ambaniandro no vetivetesiny lava. Izany hoe mandray andraikitra na @'ny teny kely mivoaka ny vavanao aza fa tsy hoe HANAMBOATRA LALANA akory no lazaiko. Avadibadio ohatra fa ato amin'ity forum ity ry Bazylou sy Tezitra no miresaka Foko satria izany no heveriny hiparitahan'ny fifandraisan'ny samy Malagasy ary aharava ny Fitondrana. Inona no hiarovako ny fitondrana moa fa tsy tiako kosa ny mampiady samy Malagasy noho izany enjehiko hatr@'ny farany izany. Izay tsy miaro mpitondra tsy mahafoaka fa kosa manentana ny vahoaka ahay hiraihina @'ny zavatra hampandroso.
13. nanourand ( 20/01/2008 16:39)
Jeankely>> zany no atao hoe instruction civique ry jeankely, tsy zany zao no resaka, zany dia anjaran'i mpitondra fanjakana no mametraka an'zany sy mampianatra an'zany, ny anjaran'i vahoaka dia mitady ny fivelomany (satria efa tsy ampianao fanjakana ihany izy aminio), ny mandoa hetra, ary ny mitandro ny zavatra vita.

Fa ny resaka sao dia ny fandalàna démokrasia, mba ahoana hozy i ravalomana raha ny fandaharan'i maurice Tsiavonana sy ny fandaharan'ilay bandy iray tao MBS iny no nofohanan'i fitondran-DraTsiraka?
14. Jeankely ( 24/01/2008 05:07)
Dia mbola miverina ny tantara izany sa afaka hiainana ny lasa?=))=))=))Mamorona fandaharana hafa indray nanourand ary e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0514