HATSIKANA BOBAKA BE (2è édition)

1. Bocassa ( 17/01/2008 13:18)
TITRE1: HAY VE E!
Nandritra ny fampianarana sekoly alahady...
-Mpampianatra: Balita, mba ataovy kely woe ny vavaka nampianarin\'ny Tompo! Haingana elah
-Balita: vavaka nampianarin\'ny Tompo? Tsy mahay an\'izany aho ramose
-Mpampianatra: Le \"Rainay any an-danitra\" iny ve de tsy hain\'elah e! Ty tena donto mitsy.
-Balita: Hay ve e! Ka tsy ny Tompo anie no nampianatra anah an\'iny fa i mamanay e!

TITRE2: IZA NO HANDEHA???
Nandritra ny fampianarana sekoly alahady ihany...
-RAMOSE: Iza aminareo rankizy no te handeha ho any an-danitra, ho any amin\'ny paradisa???
...Nananga-tanana jiaby ny ankizy rehetra ankoatra an\'i Balita. Izy irery no tsy nananga-tanana. Gaga i ramose ka nanontany
-RAMOSE: Fa maninona elah ry Balita no tsy mananga-tanana?? Tsy te handeha ho any an-danitra ngah elah??
-BALITA: Za bedin\'i mamanay. Tsy mahazo mandendeha ono za rehefa avy mianatra aty fa tonga de mody!!! Mbola hanary fako ono mantsy.

TITRE3: NOFY KA NOFY
Nifankahita indray i Balita sy Lenaivo...
-LENAIVO: Za letsy nanofy nahita vomanga ngeza be ôtran\'ny tômôbil a. Tena ngeza be mitsy ono le vomanga!
-BALITA: Za ndray lesy nanofy nahita vilany ngeza be ôtran\'ny trano a. Tena glady be zany vilany zany a!!!
-LENAIVO: De hanaovana inona ono letsy zany vilany ngeza be zany???
-BALITA: Hiketrehana an\'le vomanga be hitan\'elah e!

TITRE3: ENLEVE TON \" vert armé\"
Nalaza be teto amin\'ny tanàna mitsy ty resaka vert armé ity. Tsy azo atao intsony mantsy ny manao akanjo \"vert armé\". Indray alina dia nisy pôlisy nahita sipa nanao mini-jupe, mini-jupe \"vert armé\". Nijoro teo am-baravaran\'ny trano iray ity sipa ity zao tratra zao. Nivatravatra be ingahy^pôlisy:
-POLISY: mademôzely, aza mihetsika. Ahôna io jupe vert armé anaovanao io??
-MADEMOZELY: Ka hanala an\'ity mitsy ane no hidirako ato amin\'ity trano ity e!
Gaga ity pôlisy ka natopiny ambony ny masony. Nisy soratra teo amin\'ny rindrin\'ilay trano woe: *\"INDRA\"
....*INDRA= anarana hôtely malaza natokana hoan\'ny mpivaro-tena amin\'ny alina.


2. jemimah ( 17/01/2008 13:34)
bravo boca
3. avotra15 ( 17/01/2008 17:05)
jemimah:

bravo boca
:lol:
Milay fa fanontaniana fotsiny. dia ahona izany le pataloha voa ny vidiko sy aiza ao zao no mety anala azy.


4. rdanyl ( 17/01/2008 17:36)
Ary efa henonareo anga le sipa roa niara nikapa taany anaty hazo?
toy izao ny fandehany:
-nifampijery ireto mpinamana ka velom-panontaniana ny iray raha nahatsikaritra zavatra hafa kely;ary maninona aky ny maloton-dry no mizara roa
-Dia hoy ilay iray namaly hoe hoay adinoko aky ny nanala ny STRING-ko a=)).=))
Zay le izy
5. Bafota ( 17/01/2008 17:38)
Any am'metro analakely:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
6. Mandefitra ( 18/01/2008 05:51)
TOHIZANA:
Raikitra ny fivoriam-pianakaviana, niara- nisakafo avy eo, somary nahazo zoron-databatra i BALITA.
Raikitra ary ny ankamantara:
BALITA:"Inona ary no ato anelakelam-peko ato zay mahalala o?"
Nisahotaka ny eran'ny trano, fa hoe hiteniteny foana i BALITA. Naveriny ihany ny fanontaniana, tsy niteny ny eran'ny trano.
"Afa-po?" hoy Balita, "tongon-databatra nefany o".
Nihoraka ny fianakaviana sady faly.Nahazo tehaka Balita.
Nitohy ny lanonana, kelikely naverin'i Balita ny fanontaniana.
"Inona ary no ato anelakelam-peko ato zay mahalala o?"
Namaly ny eran'ny trano :"tongon-databatra o"
Hoy Balita tsy naka sarotra :
"Poika, le noeritreretinareo teo kanefany o"
:-D :-D :-D
7. ari.malala ( 18/01/2008 13:02)
=))=))=))=))=))=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1083