Jesosy, Ikelimalaza, Allah, Boudha...no anarana mampiady ny

1. rakapy ( 16/01/2008 23:07)
Ireo anarana ireo no mampifandripaka sy mampiady ny olombelona matetika satria dia samy milaza ny azy ho marina avokoa. Ka nefa hatram'izao dia A/tra iray ihany no mbola hinoana dia ilay tsy Toha Nahary. Ka amiko raha tsy nisy ireo anarana voalaza ireo dia tsy nisy ny ady sy ny fifandohirana.
novalian'i soanja ny 18/01/2008 00:52
2. soanja ( 17/01/2008 00:32)
Ny hevitry ny olombelona no mahabetsaka ny ady fa Andriamanitra Andriamanitra ihany ary Izy manjaka sady miahy mandrakizay ny olon-tiany.
3. rakapy ( 17/01/2008 02:38)
Ka izay no tiako ambara amin'io lohateny io. Samy nilaza sy nahita ary mino ny mpanelanelany avokoa ny mpino isankarazany.Ary samy milaza ny azy ho marina ka tsy manaiky ny fahamarinana sy hanaja ny an'ny hafa. Iza moa no mahalala fa mety ho samy diso na samy marina avokoa ireo finoana ireo? ka nefa dia isika olombelona no mifandrafy.
4. soanja ( 17/01/2008 02:56)
rakapy:

Ka izay no tiako ambara amin'io lohateny io. Samy nilaza sy nahita ary mino ny mpanelanelany avokoa ny mpino isankarazany.Ary samy milaza ny azy ho marina ka tsy manaiky ny fahamarinana sy hanaja ny an'ny hafa. Iza moa no mahalala fa mety ho samy diso na samy marina avokoa ireo finoana ireo? ka nefa dia isika olombelona no mifandrafy.


Marina izany. Ny olana dia avy amin'ny sain'ny olombelona fa tsy avy amin'Andriamanitra mihitsy.

Ny fidrikinana sy ny tsy fanajana ny hevitry ny hafa dia fositra tamin'ny fampianarana ny atao hoe fivavahana/finoana novoizin'ny olombelona tamin'ny namany.

Tsy misy mahalala izay ny ambadiky ny ampitso fa ny finoana kosa no tsara atao mafonja satria io no mampitohy antsika amin'ny fiainana any ankoatra. Io no tanjon'ny olombelona rehetra dia ny hiaina maharitra tsy misy fitsaharana. Tsy tanteraka anefa izany dia mila mifikitra amin'ny Fanahy isika hanome antsika izany fahafahana izany. Anjaran'ny tsirairay ny mampivoitra ny hinoana saingy kosa tsy mametaveta ny hafa amiko satria tsy misy mahalala izay any ambadiky ny tsy fantatra.

Ny manetri-tena sy maharitra amim-pinoana mafonja ihany no amiko no handova ny fanjakan'ny lanitra.

5. rakapy ( 17/01/2008 03:05)
Ka ny tsirairay aza anie ka tsy voatery hiino izay any an-koatra e! satria zava miafina izany.Mitovy @ zava-miafin'ny talohan'ny nahatongavanao teto an-tany ihany ny ao aoriana ao.
6. soanja ( 17/01/2008 03:13)
Tsy misy zavatra voatery zany mihitsy refa resaka finoana ka. Samy manana izay manahirana azy fa izay mahita fa io no zavadehibe aminy dia tsy tokony hilaza hoe nareo adala satria izay no tadiavinareo na takianareo hisy.

Tsy zavamiafina amiko aloha ny nisiako fa asa ny an-dRakapy.
7. ikaretsaka ( 17/01/2008 03:14)
fa izay tokao hoa .. maninona ny zavatra mitranga any aoriana ihany no andrandraina fatratra sy hivakian'ny "mpino" loha fatratra e?
naninona tokoa ra-olombelona "mpino" no vitsy dia vitsy no mivaky loha @ hoe t@ fomba ahoana ny nahatongavany teto an-tany, fa naninona izy no vavy fa tsy lahy na lahy fa tsy vavy? ... taiza ho aiza ny tsirin'aina lahy sy vaviny no nitoetra taloha dia taiza (firy milimetatra taiza ) no nihaona dia t@ firy no nanao fusion .. sns?

sao koa ary lasa ohatran'izany isika ity? rehefa "born again", any ananonanona any (any @ le lazaintsika ho lanitra)

mba eritreritra ny ahy iny an:°)
8. rakapy ( 17/01/2008 03:23)
Ny vatan-tsika aloha dia efa voaporofo ara-tsiansa ny niforonany fa eo @ resaka fanahy no mbola mapisalasala hoe avy aiza ka mba ho aiza? dia eo no mipetraka ny vinavina rehetra hoe eto an-tany no fiandohana dia handeha ho any an-danitra hono.
9. soanja ( 17/01/2008 03:25)
Ny fahitako azy aloha ry Ika de tsy vonona ny hiatrika izany ry zareo satria mafy loatra ny fidonan'ny siansa raha io no resahina ka manjary manozongozona ny finoany nohon'ny tsy fahalalana eo ampovoany. Betsaka ny Mpitory teny sy ny mpanome fahalalana momban'ny finoana tsy mafantatra ny universe sy ny tontolony ary sarotra aminy ny hanavatsava an'io raha ampifandraisana amin'ny finoany. Vavolombelona aho matoa miteny izany fa tsy fitsarana tsotra amin'izao fotsiny.
10. rakapy ( 17/01/2008 03:41)
Ka izay no mahatonga azy ireo hino hino foana ary defensive be raha vao miresaka ny momba ny finoana satria misy zavatra tsy fantany eto @ fiainana ka nefa dia manenjika ny lanitra sahady.
11. soanja ( 17/01/2008 03:59)
Rakapy> tsy misy maharatsy izay hinoany any mihisty raha ny fahitako azy fa amiko isika rehetra tokony hiezaka izay hanatsarana ny ifampizarana eto dia ny Planeta tany. Ka raha mba manomboka amin'ny fifanajana ny tsy fitovizan-kevitra no iatrehantsika ity fiainana diavintsika ity nefa tsy mifamono dia izay no lafatra. Sa ahaona hozy ianao?
12. ikaretsaka ( 17/01/2008 17:02)
soanja:

Ny fahitako azy aloha ry Ika de tsy vonona ny hiatrika izany ry zareo satria mafy loatra ny fidonan'ny siansa raha io no resahina ka manjary manozongozona ny finoany nohon'ny tsy fahalalana eo ampovoany. Betsaka ny Mpitory teny sy ny mpanome fahalalana momban'ny finoana tsy mafantatra ny universe sy ny tontolony ary sarotra aminy ny hanavatsava an'io raha ampifandraisana amin'ny finoany. Vavolombelona aho matoa miteny izany fa tsy fitsarana tsotra amin'izao fotsiny.


za kao ry soanja dia mahatsapa an'io.
tsy mbola sahy mijoro vavolombelona aho satria tsy niatra tamiko ilay izy (thank G) fa nahamarika sy nahita fotsiny:wink:
13. fijo ( 17/01/2008 22:31)
fa izay tokao hoa .. maninona ny zavatra mitranga any aoriana ihany no andrandraina fatratra sy hivakian'ny "mpino" loha fatratra e?
naninona tokoa ra-olombelona "mpino" no vitsy dia vitsy no mivaky loha @ hoe t@ fomba ahoana ny nahatongavany teto an-tany, fa naninona izy no vavy fa tsy lahy na lahy fa tsy vavy? ... taiza ho aiza ny tsirin'aina lahy sy vaviny no nitoetra taloha dia taiza (firy milimetatra taiza ) no nihaona dia t@ firy no nanao fusion .. sns?

kay kay kay bedy ny mpino amin'io ialahy fa ataovy
14. ikaretsaka ( 17/01/2008 22:38)
tsssss mpinompino fahatany izy raha tsy liana @ izany fa na ny inoany aza tsy fantany le
15. fijo ( 17/01/2008 22:39)
ka efa hoe "mpino " de ampy ko
16. ikaretsaka ( 18/01/2008 00:15)
ry zalahy izany
17. soanja ( 18/01/2008 00:52)
fijo:

fa izay tokao hoa .. maninona ny zavatra mitranga any aoriana ihany no andrandraina fatratra sy hivakian'ny "mpino" loha fatratra e?
naninona tokoa ra-olombelona "mpino" no vitsy dia vitsy no mivaky loha @ hoe t@ fomba ahoana ny nahatongavany teto an-tany, fa naninona izy no vavy fa tsy lahy na lahy fa tsy vavy? ... taiza ho aiza ny tsirin'aina lahy sy vaviny no nitoetra taloha dia taiza (firy milimetatra taiza ) no nihaona dia t@ firy no nanao fusion .. sns?

kay kay kay bedy ny mpino amin'io ialahy fa ataovy



Misy karazany be dia be tokoa ny Mpino fa ny raha tsorina ny finoana dia hoe:

Hebreo 11:1
Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.

Io teny io dia manampy ahy tokoa amin'ny fijerena ny finoana sy fahafantarana ny finoana. Tsy voatery ho an'ny rehetra ny te hahalala fa samy nomen'Andriamanitra fahafahana sy tsy fitoaviana avy isika rehetra handinika ny mahaOlombelona antsika sy ny manodidina antsika. Ao ny manana dia mino ary ao ny mila mikaroka vao mino satria mahatsapa. Tsy misy maharatsy azy aby saingy kosa tsy mety ny manimbazimba ny fahatsapan'ny hafa raha nikaroka izy ka nahita nefa ny hafa tsy nikaroka nilaza fa diso ilay olona.

Ny fitiavan'Andriamanitra dia goavana ary tsy hita noanoa ny asany eo anivontsika. Anjarantsika ny mandray azy amin'ny alalan'ny tsapa na ny Fanahy Masina na izay fahafahana na fahasoavana natolony antsika.
"Life is a discovery and an exploration, it's up to you to declare God among its beauty and its strength." Soanja
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0955