MIHA-LO NY TANANA FA MANJAKA NY TONTAKELY, OMEO VAHAOLANA...

1. tontavao ( 16/01/2008 12:17)
Tena tsy tahotrta tsy henatra intsony ny an'ny Jiolahy fa dia efa sahy mangarona biby andavaka ry zalahy izao. Jereo fotsiny ilay omaly fa dia Poste de police no tafihan-dry zalahy ka inona intsony no fandriampahalemana amin'izany????

Fahitako azy dia mahafantatra tsara ny jiolahy fa osa dia osa ny mpitandro filaminana eto amintsika amin'ny kafiny rehetra . Sahy izy noho izany manafika azy ireny satria fantany tsara fa tsy hahavaly azy mihitsy ny polisy eto, ny zandary koa efa nasiandry zalahy koa.

Ka sosokevitra ny ahy:
-Omeo fitaovana ampy ny polisy mba ahazoany miaro ny mpiara-belona aminy sady izay RAHATEO koa no asany satria efa be karama ry zalahy fa tsy ampy fitaovana fotsiny.
-Mba fantenana tsara izay tokony ho tena mpitandro filaminana fa tsy izay te-hanao polisy dia raisina avokoa.
-Faizina mafy izay polisy mampietry ny voninahitry ny polisy.(milalao dômy amperin'asa , mamo lava , ohatra...)
-Tokony atao ny évaluation ho an'ireo polisy amperin'asa ka izay tsy mahavoa roahina dia aleo mba ho anjaran'ny sasany indray.

Miteny ireo aho satria ny polisy dia efa tsy atahoran'ny olondratsy intsony ankehitriny satria fantany fa tsy alehany amin'ny lafiny rehetra mihitsy, ny sofera izao sisa no mbola matahotra polisy satria ireny dia tsy amelan-dry zalahy mihitsy na manao hadisoana na tsia.
novalian'i Jeankely ny 21/01/2008 12:44
2. Jeankely ( 16/01/2008 12:56)
Hay moa mahay miteny Malagasy ihany dadatoa Juriste. Rehefa mivoaka ianao ataovy milay. Fa angaha tsy avy any amndry zalahy ihany ny Fitaovampiadiana sa misy mampiditra any anelanelan'ny sisintany? Sady be karama no ampy fitaovana izany ve? Ireo no tokony kely karama indrindra satria tsy misy Rendement. Iza no sahy na efa nisy ve Evaluation ny Fianarana Polisy manamboninahitra sy ny namany? Samy milaza fa tsara hofana sy matihanina daholo nefa io lazainao io ny vokany. LAZAO KOA FA VAO AVY NAMPIANARIN'NY PRESIDENT RY ZALAHY=))=))=))
3. rabingogilabanga ( 16/01/2008 14:31)
ty resaka ity de tena serieux:

-raha ny polisy natao hiaro no tafihin'ny sasany, tsy afaka miarotena, iza no hiaro ny vahoaka?(marihina fa efa resaka teto koa ny tobin'ny zandary tafihin'ny sasany)

jeankely
Fa angaha tsy avy any amndry zalahy ihany ny Fitaovampiadiana sa misy mampiditra any anelanelan'ny sisintany? Sady be karama no ampy fitaovana izany ve? Ireo no tokony kely karama indrindra satria tsy misy Rendement. Iza no sahy na efa nisy ve Evaluation ny Fianarana Polisy manamboninahitra sy ny namany? Samy milaza fa tsara hofana sy matihanina daholo nefa io lazainao io ny vokany. LAZAO KOA FA VAO AVY NAMPIANARIN'NY PRESIDENT RY ZALAHY


Marina io voalazanao io ra-jeankely, fa le hoe president anie dia tsotra e: izy no manendry ny minisitran'ny interieur izy no manao ny politikan'ny filaminam-bahoaka, avy eo ny minisitra no manendry ny sefo na polisy, ny sefon'ny polisy no manendry ny polisy commisariat...etc

raha tsy mandeha ny raharaha, ny olona nofidiany no azon'ny vahoaka tenenina (ny filoha izany), fa tsy izay olona tsy notendren'ny filoha izay tsy nofidiany akory.

ceci dit tsy voatery, ho avy @ filoha no nampisy ny halatra, sy vakitrano, fa kosa tsy maintsy izy foana no tenenin'ny olona, satria izy no nofidiany, fa tsy ny minisitra

mirary fahombiazana ho an'ny filoha , na efa izany aza
4. ra8si2000 ( 16/01/2008 19:43)
tsara le hevitra fa mba alefaso mailaka mivantana any @ minisitry ny filaminam-bahoaka any ho anze afaka manao an'zany eee!

"satri ny hevitra tsy arahin'asa, d mbola mijanona ho toy ny tsy misy ihany" -ra8si2000

misaotra.
5. caprio ( 16/01/2008 20:18)
Mba alefaso alavitra ry zalahy ny fisainana fa ny tany mandroso aza tsy mahafoana ny tontakely koa maika fa ao dago,raha tsy we nga asiana polisy isaky ny varavarana de mety hilamlna ny tanàna,satria mantsy raha mandalo eo ambaravaran-drakoto sy rabe ny polisy de ny tontakely efa manafika any ambaravaran-drasoa,ka zay no hilazako we tsy ho foana io ry lebaba isany a
6. xxx ( 17/01/2008 09:38)
tsy foana fa azo ahena!
7. yonikafopl ( 17/01/2008 10:39)
4. Mpandefa : caprio [ Valio ] 16-01-2008 21:18:44
Lohateny : Re : MIHA-LO NY TANANA FA MANJAKA NY TONTAKELY, OMEO VAHAOLANA...
Mba alefaso alavitra ry zalahy ny fisainana fa ny tany mandroso aza tsy mahafoana ny tontakely koa maika fa ao dago,raha tsy we nga asiana polisy isaky ny varavarana de mety hilamlna ny tanàna,satria mantsy raha mandalo eo ambaravaran-drakoto sy rabe ny polisy de ny tontakely efa manafika any ambaravaran-drasoa,ka zay no hilazako we tsy ho foana io ry lebaba isany a


Ka mba tena efa alefa lavitra kosa nge ilay fisainana ry caprio matoa misaina hoe maninona moa ny tobin'ny zandary na polisy no voatafika? izy aza tsy maharo ny tenany sy ny tranony , ka ahoana no hiarovany ny malagasy???

Tsy nisy nilaza kosa hoe de hofoanana satria samy mahalala fa tsy ho foana.
8. tontavao ( 18/01/2008 06:55)
Mba alefaso alavitra ry zalahy ny fisainana fa ny tany mandroso aza tsy mahafoana ny tontakely koa maika fa ao dago,raha tsy we nga asiana polisy isaky ny varavarana de mety hilamlna ny tanàna,satria mantsy raha mandalo eo ambaravaran-drakoto sy rabe ny polisy de ny tontakely efa manafika any ambaravaran-drasoa,ka zay no hilazako we tsy ho foana io ry lebaba isany a

Na dia izany aza ve ka hiraviravy tanana é. Io no tena ilana ny fanjakana hiady amin'izy io ka ilaina ny fanatsarana an'io sehatra io.
Raha mitovy amin'ny fanarahany maso ny tsy metimety amin'ny fiara ohatra (assurance,ceinture.... no anaovany ireo tontakely dia mino aho fa mba hatahotra ihany ny ampahany amin'ireny jiolahy ireny
9. Jeankely ( 18/01/2008 10:00)
MPITANDRO FILAMINANA no anarany, reheva tsy vitany ny MITANDRO NY FILAMINANA dia mendrika azy ilay anarana fa MPIANDRY KARAMA FARAN'NY VOLANA no filaza azy. Ny olon-tsotra tsy mahasahy manafika Mpitandro filaminana fa avy ao anatiny ihany no sahy manao an'io. Na tamin'ny andron'ny DEBA nanejika dahalo aza dia Miaramila niala mahay feom-bala ary nitondra basy nitsoaka manahirana. Rehefa tsy voafehy ny zavatra dia mahalala MENATRA fa tsy mitady hialana bala. Rehefa resy ny Club M dia hita fa tsy mahay mihoatra ny sasany na mihinankanina io na tsy mahazo fitaovana io na inona na inona. Rehefa tsy voatandro ny filaminana dia mitady hevitra hafa. Vao mivoaka an'i Madagasikara dia mahita karazana SECURITE tsy miankina. Ao Madagasikara ny ankanjo anaovan'ny SECURITE indray no asiana resaka fa tsy ny filaminana tsy vitan-dry zalahy. Mila mitsara tena daholo fa tsy faly miala Pas
10. caprio ( 18/01/2008 21:12)
Manaiky ny voalazanareo za fa za akory tsy hoatra ny sasany we refa diso de mbola mahita resahina hiany,fa kosa tsy araka daholo raha arosonareo daholo zao soso-kevitra rehetra zao,manjary mikorontany ny sain'ny tompon'andraikitra fa mandeha miandana io,fa ny an'ny sasany mantsy mahita holazaina foana
11. Jeankely ( 19/01/2008 02:23)
Fa iza moa no milaza aminao fa ho an'ny Mpitondra no handraisany anjara eto? Ny hifaneraserana dia ny ahalalana izay zavatra any antsain'ny sasany ary afaka manovo zava-baovao. Rehefa tsy zaka dia mahalala menatra. FA ADALA VE NY FIRENENA HAFA MAMPIDITRA NY FITONDRANA BASY HO HELOKA MAHAFATY SAHALA NY MITONDRA RONGONY? Mihantona izay ahatratrarana an'io saingy ny Malagasy milaza Mpivavaka dia tsy mantona tendan'olona. Ny ratsy vonoina ho faty tsy avela hamono ny mpiarabelona.
12. caprio ( 19/01/2008 20:49)
za wa manaiky fa mba maneke refa diso koa nareo reo,ndrindra fa enao io mintsy ry jeankely no tena tsy maiky diso mintsy ry bazilo moa tsy lazaina intsony
13. Jeankely ( 20/01/2008 01:48)
Diso amin'ny inona moa no tianao lazaina? Izaho tsy mbola nanitsy fanjakana ary mba avereno izay soratro nanompa mpitondra na nampianatra ny mpitondra ny fomba hampandrosoana ny Tanana. Ny ahy ny olona tsirairay mitambatra ho vahoaka no mahaliana ahy ahy lazaiko hoe manana andraikitra fa tsy faly mitsongoloka. Maninona moa ianao sahy manompa Malagasy no tezitra raha mba omenay Malagasy teny maharary?
14. lldd ( 20/01/2008 16:16)
tsy izany ry ngah fa mamaly faty ry zala ataovy eo @ ngah ftsn ny toerana hoe novonon-draso mianakavy ny akoan-drangahy de aona ny reaction any ngah? TSY HO vononareo menakavy koa ny akoany sa aona?oeil pour oeil
de faty pour faty
15. badboy ( 20/01/2008 19:42)
lldd:

tsy izany ry ngah fa mamaly faty ry zala ataovy eo @ ngah ftsn ny toerana hoe novonon-draso mianakavy ny akoan-drangahy de aona ny reaction any ngah? TSY HO vononareo menakavy koa ny akoany sa aona?oeil pour oeil
de faty pour faty

Ka le firavivin'ny tanan'ny fanjakana no matong'io!! Nanomboka 2002 nitombo ny isan'ny jiolahy mitambasy!
Mba avy @'iza loatra ary reny basy reny????:-$:-$:-$:-$


16. Jeankely ( 21/01/2008 12:44)
Mody tsy mahalala ny niavin'ny basy indray Ra-badboy e? Angaha tsy avy any @ dadatoanareo ireny sa basy vita Ambatolampy=))=))=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1767