tena sahy maty ny jiolahy amizao an

1. ravatorano ( 16/01/2008 10:32)
satrai defa ny paste avancé an'ny polisy tetsy antsalovana mihitsy no notafihin-dry zalahy ary nahafaty ilay brigadier en chef anakiray ary nandratra polisy sy sivily iray hafa koa araky ny filazan'ny haino aman jery ary gazety mivoaka isan'nadro eto andrenivohitra.
Tena sahy mihitsy ry zalahy araky ny filazan'ny gaety satrai mantsy ilay bandy jiolahy matin'ny polisy fakomaly dia avy eny antsalovana eny ary heverina fa namaly faty ireo namany ka raha izany no mitranga dia tena ho henjana izany ny hahazo ny mpitandro filaminana satrai hamaly faty foana ireo jiolahy ireo ary tena biby ah
aleo marina klouh avy d vitaina fa amizay tsy afa mitsoaka intsony na alefa mitsoaka fa maha be asa andry zareo mpitandro filaminana fotsiny e fa jiloahy v haharesy polisys y zandary ! ntssssss
novalian'i endrika01 ny 08/02/2008 11:05
2. ravatorano ( 16/01/2008 10:34)
hoy ny gazety l'express mitantara ny zava nitranga :


Antsalovana
Polisy iray maty notafihan’ny jiolahy
Noravan'ny jiolahy, omaly alina, ny paositry ny polisy teny Ambalavao. Polisy iray no maty ary iray naratra niaraka tamin'ny sivily namany. Lasany koa ny basy roa sy ny findain'ireto polisy.


Tonga niondrika farany teo amin’ny nofo mangatsiakan’ny namany ireo polisy.
Notafihin'andian-jiolahy nirongo fiadiana, omaly alina, ny paositry ny polisy teny Antohomadinika Antsalovana. Polisy iray, Brigadier en chef Razafimahatratra Edmond (42 taona), no maty tsy tra-drano, ary polisy iray hafa, brigadier principal Rakotohasimbola, sy sivily iray niaraka tamin' izy roalahy tao amin'ny birao no naratra.
Raha ny fitantaran'ireo fokonolona teny an-toerana, dia ny namono an'ireto polisy mihitsy no tena anton-dian'ireto jiolahy ireto, satria tsy nisy resaka na tabataba inona nataon'izy ireo, fa tonga dia nitifitra. « Nipoaka ny basy vao taitra daholo izahay », hoy ireo nipetraka tsy lavitra an'ilay biraom-pokontany nisy ny paositry ny polisy.
Bala efatra no niantefa teny amin'ilay polisy maty, roa kosa teny amin'ilay iray naratra izay miady mafy amin'ny fahafatesana eny amin'ny hopitaly Hjra Ampefiloha amin'izao fotoana izao, ary bala roa ihany koa no teny amin'ilay sivily naman'izy ireo. Tsy dia naninona firy ity farany ity satria mbola afa-nitsoaka nampandre ny polisy teny amin' ny 67 ha.
Nangalarin-dry zalahy moa ny basin'izy roalahy sy ny findainy ary iny izy no lasa. Nitsoaka niankandrefana.
Sendra ny tsy nampozina
Teo am-panaovan-daomy, eo am-piandrasana ny vary ho masaka handehanana manao fisafoana ny tanàna ireto polisy roalahy ireto izao notafihin'ny jiolahy izao. Mbola teo ambony fatapera avokoa na ny vary masaka iray vilany, na ny saosisy hatao laoka tamin'io alina io.
« Polisy efa-dahy izy no indray miasa ao amin'ity paositra ity. Saingy ilay iray naman'izy ireo nanam-pahoriana ka tsy teo. Ilay faharoa kosa nilaza ho nandeha nisakafo. Ary dia izy roalahy sisa no tao », hoy ihany ireo fokonolona. Toa tena nandrasan'ireo jiolahy mihitsy izay hahavitsy an'ireo polisy tao amin'ny birao sy izay hahavariana azy, izay ry zalahy vao nanafika.
Nambaran'ireo fokonolona teo amin'ny manodidina mantsy, satria somary bebe olona ihany iny faritra iny ka be mifamezivezy na dia any amin'ny 10 ora alina aza, fa nanomboka tamin'ny 9 ora alina tany ho any dia efa tazan'ireo mponina teny an-toerana nisodisody teo ireo olon-dratsy ireo.
« Maromaro ry zalahy no tonga teo, nipetrapetraka teo ivelany teo. Nisy mihitsy aza ny nanao nivoaka sy niditra tao amin'ny birao, ka izay no toa tsy naharototra ireo olona satria noheverin'izy ireo fa olona manan-draharaha tao amin'ny polisy na naman'izy ireo », hoy izy ireo.
Voalaza mantsy fa nisy tamin'izy ireo no nanao fanamiana miaramila, saingy tsy dia voamarika firy ny lokony noho ny toerana tsy dia misy hazavana loatra. Ny ankamaroany nanao fanamiana mihaja, toy ny pataloha velon-drirana sy lobaka misisika.
Nihadihaody teo ivelany
Raha ny tena izy anefa dia tsy nisy afa-tsy teo amin'ny efa-dahy teo izy no tena nanafika. « Iraika lahy no mody nivezivezy tao amin'ny birao nisy an'ireo polisy, nitazana azy ireo avy tao anatiny. Telolahy nijery azy ireo nilalao daomy avy teo ambaravaran-kely. Nivoaka avy tao an-trano ilay iray niditra dia toy ny nihodina kely tany ambadiky ny trano, ka avy eo nanatona an'ireo telolahy teo ivelany. Nanaraka azy avy teo ny roalahy ary tonga dia niditra tany an-trano ka nitifitra », hoy ireo fokonolona. Nambaran'izy ireo fa raha ny fahitana azy dia ilay iray nijanona teo ivelany no toa nibaiko an' ireo telolahy tao anatiny. « Teo amin'ny manodidina ny valo teo ny poa-basy re teny an-toerana, efatra tamin'ny voalohany ary toy izany ihany koa nony afaka kelikely », hoy ny sefo fokontany, Ramarojaona Théophile.
Tsy lavitra ny birao nisy ny paositry ny polisy mantsy ny tranony, ary vao avy nijery fahita lavitra mihitsy izy, raha ny fitantarany, ka handeha hatory, no nandre ny poa-basy. « Noheveriko ho polisy misambotra jiolahy any amin'ny arabe any no fandrenesako azy dia tsy taitra aho. Kanjo ny olona no tonga tao amiko niantso ahy. Izay aho vao niarina sy nandeha nijery », hoy ihany izy.
Nosoritany fa efa hatramin'ny taona 1989 tany no niorenan'ity paositry ny polisy teny Antsalovana ity, ary nilamina tsy nisy firy ny fanafihan-jiolahy tamin'iny toerana iny. Omaly hariva ihany moa ny nofo mangatsiakan'ity polisy maty ity no nentina namonjy ny tanindrazany any Ambalavao Fianarantsoa.

Nirina Rakotoson
Date : 16-01-2008
l'express de madagascar
3. agoago ( 16/01/2008 12:57)
Rehafa ny mpitandro filaminana no tsy atahorana intsony dia asa izay hitranga eto, tsy izy intsony izao.
Ny fanafodiny ny ahy, dia tokony hanao ezaka ny fanjakana hanao fanadihadiana isantokantrano, inona avy no asa, fidirambolan'ny tsirairay, ka ny tsy manana asa ao anatiny ny manao asanjiolahy raofina dia asaina mipetraka sy mamboly katsaka any Horombe.
Poste de police aza tafihiny koa maika ve ianao zay tsy manana fitaovampiadina?
4. agoago ( 16/01/2008 13:00)
Antananarivo no anombohana ny fanadihadiana, tsy asiana indrafo.
5. Jeankely ( 16/01/2008 13:17)
Koa tsy ny vahoaka ihany ve no ho tezitra anaovana ilay fanadihadiana? Nampiakarina avo nohon'ny an'ny sasany Mpiasampanjakana ny an'ny Mpitandro ny filaminana satria miady amanaina koa iza no diso ny vahoaka sa ny mpiasampanjakana kely karama sa ny mpitandro filaminana be karama nefa tsy mahafehy ny tanana sa ny any andanitra sa ny PREZIDA NO NANIRAKA AMPAMONO MPITANDRO FILAMINANA SA MPITANDRO FILAMINANA IHANY NO LASA JIOLAHY?
6. ravatorano ( 17/01/2008 09:54)
misy marina ilay resak'i agoago fa sarotra ny hanatanteraka azy
fa tena nampalahelo tokoa ilay polisy maty tao fa olona tena fantatro ranamana rehefa hitako tamin'ny gazety ny sariny .
ny fampakarana ny karaman'ny polisy v dia azo adika fa tokony ho voafehiny ny filaminan eto andrenivohitra ! sarotra be kosa izany satria mbola betsaka ireo antony maro tokony ho tafiditra ao anatin'izany tsy fandriampahalemana izany toy ny tsy fahampian'ny fitaovana ampiasaina fotsiny ohatra.
MAHAGAGA ANEFA FA AMIZAO AZA DIA NAHENA MIHITSY NY ISAN'NY ZANDARY FA TSY NANDRAY ANDIANY HAFA INTSONY RY ZAREO FA TSISY VOLA HOE;
dia ahoana izany ?
7. tess ( 17/01/2008 10:27)
izay no ty mahatamàna ahy intsony mipetraka any ry zoky ravatorano! mitaintaina foana hoe sao hisy famonoana sy fitafiahana:?
8. Jeankely ( 18/01/2008 10:47)
Ka izay ilay izy, rehefa hita eny andalam-be eny ny Polisy, Zandary sy Miaramila mihomehy ny Mpiasampanjakana satria na BE DIPLAOMA noho izy aza KELY KARAMA noho ry zareo. Ny mpampianatra ny Polisy zara raha navita fianarana kely karama noho izy vao nivoaka. Izany no hitan'ny fanjakana ahatsara ny filaminana ka dia asa re raha mitohy izany.
9. ikaretsaka ( 18/01/2008 16:15)
agoago:

Rehafa ny mpitandro filaminana no tsy atahorana intsony dia asa izay hitranga eto, tsy izy intsony izao.
Ny fanafodiny ny ahy, dia tokony hanao ezaka ny fanjakana hanao fanadihadiana isantokantrano, inona avy no asa, fidirambolan'ny tsirairay, ka ny tsy manana asa ao anatiny ny manao asanjiolahy raofina dia asaina mipetraka sy mamboly katsaka any Horombe.
Poste de police aza tafihiny koa maika ve ianao zay tsy manana fitaovampiadina?


iombonako hevitra
10. Ralay ( 18/01/2008 16:56)
Raha izao no mitohy dia ho lasa otran'ny firenena afrikanina sasany (oh:Nigeria) i gasikara(Loi de la jungle)ny andianjolahy no hampihorohoro ny vahoaka.Ao andrenivohitra aza misy an'izao dia ahoana ny tanàna ambanivohitra sy ny tanàna madinika?
Tokony handray fepetra ny fitondrana @zava-mitranga toa izao ka dia ho hita eo izay fepetra ho raisiny.
11. tsiambaratelo ( 27/01/2008 12:47)
Ka Izaho alaina hanao POLICE é!
dia amzay tsy hisy intsony ny jiolahy,
alaiko ho namana daholo aloha,dia avy eo adoboko miaraka ao anaty harato.hi hi hi hihi=))=))=))=))=))
12. endrika01 ( 08/02/2008 11:05)
Inona koa ny mba ho vita-ndri ry tsiambaratelo ndri maseka be ronono io,?Zah kosa alou tsy dakôrô miints ny @ voalaza ery aloha we zay tsy manana fidiran-karama ao @tananana no tena jiolahy!Mety koa ny laibany no tena jiolahy,vola misy ny aina matanjaka!Karamainy ny tsy manan\'asa de ireo manatanteraka baiko midina nohon\'ny tsy fananany,fa ny laibany afa-maina!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5247