Zakan-tsiaka tokoa ve raha hakana hevibahoaka ny rehetra?
1. Jeankely
(
15/01/2008 09:52)
Malazabe ilay hoe fandraisan'ny vahoaka anjara amin'ny fitantanana ny Firenena. Koa ny resaka RAMEVA sy ny namany ve tokony hanaovana fitsapana hevi-bahoaka fa mety ho tsara raha mahatanty izany sa leo indray hoe inona iry manontany vahoaka lava ity?
Izay fanapahana hevitra mantsy toa ny Commentaires no lasa aloha. Ary efa tena vonona amin'ny vokany koa ve ny mpampiditra sa manadranandrana sa mamaha olana iray dia lasa olana hafa?
Izay fanapahana hevitra mantsy toa ny Commentaires no lasa aloha. Ary efa tena vonona amin'ny vokany koa ve ny mpampiditra sa manadranandrana sa mamaha olana iray dia lasa olana hafa?
novalian'i Jeankely ny 16/01/2008 05:53
4. LazaDaddy
(
16/01/2008 02:00)
Jeankely:Fifidianana sokajiana ho manan-danja aza moa ry Jean kely tsy tena ny hevi-bahoaka no vokatra mitranga noho ny hosoka, izay tsy misy mitsipaka ny fisiany, ka inona no mbola handrebirebena vahoaka amin'izao sy izao?
Zakan-tsiaka tokoa ve raha hakana hevibahoaka ny rehetra?
5. Jeankely
(
16/01/2008 02:08)
Dia inona izany no hatao? Izay tapahandry zalahy avy dia tsy mety any ampiandohany nefa izy lazaina tsy miaino ny hevitry ny vahoaka. Voa mafy izany ve? Fa mijery baolina fotsiny ireo Maires sy Solombavambahoaka satria manaraka ny revin'ny fitondrana izany ve? Very fanantenana ve sa ahoana ary e? Mahagaga mantsy fa rehefa antsoina toa mijery baolina ny sasany
6. LazaDaddy
(
16/01/2008 02:30)
Jeankely:
Dia inona izany no hatao?
1) Tsy miray petsapetsa amin'ny mpanao ratsy na iza na iza miantso :)
2) Tsy mandoto tena amin'ny politika
3) Manohy manao ny marina
4) Tsy mimenomenona fa miankin-doha amin'Andriamanitra
Jeankely:Tsia, raha miankin-doha tanteraka amin'Andriamanitra Rain'i Jesosy kristy dia tsy voa mafy na oviana na oviana.
Voa mafy izany ve?
Hoy i Paoly hoe: "Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo;enjehina, nefa tsy namoy fo; potraka, nefa tsy maty." 2Kor4:8-9
7. Jeankely
(
16/01/2008 05:53)
Ho anay indray dia ilay hoe "Ampio ny tenanao fa hanampy anao Andriamanitra" no tianay. Mila mitady hevitra manja fa tsy mivavaka fotsiny. Efa ela no nivavaka ny olona saingy mitaraina satria tsy fantany fa "God hates complain". Misy dikany ny hoe MISAOTRA an'Andriamanitra @'ny zavatra rehetra na tsara na ratsy. Ny halehiben'ny herin'Andriamanitra no mitarika anao ahay ahita vaha olana amin'ny sainao izay avy @'Andriamanitra.
