Voadona ny amour propre

1. lazounet ( 14/01/2008 00:47)
:cry::cry::cry:
Mampijaly ny diso fanantenana.:cry::cry:
(Midépra kely aho fa azafady.)
2. lazounet ( 14/01/2008 00:54)

Inona marina ny définition'ny hoe NAMANA aminareo?

.Olona hiresahana rehefa tsisy atao ve?
.Olona hiresahana sy hanalana azy mandra-pà ve?
.Olona iantràna fotsiny ve?
.Olona akàna hevitra rehefa tapi-dalankaleha ve?

Mbola misy ilàna an'izany namana zany ve?
Mbola possible ve ny minamana amin'olona tsy misy tambiny?

tssss LEO BE AHO!
3. lazounet ( 14/01/2008 00:56)
Eritreritra mandalo ve?....
Tsia....
ANTSON'NY FO.
4. penina ( 14/01/2008 03:32)
fa naninona koa ary lazounet izany :-D

Aza diso fanantenana izany fa ampoizo daholo ny zavatra mety mitranga rehetra.

Raha misafidy amin'ireo karazana namana ireo aho dia 1 2 4.
Mbola misy ilàna azy ny namana ka. Ohatra hoe, andao ry zalahy mba hanao an'izany dihy raoka izany indray fa izany hono ohatra ny migany.

Rehefa miara-miketrika zavatra ka tafavoaka iny no tena masaka.
5. Vitsikakely ( 14/01/2008 05:07)
Ataovy maro ny namana fa iray no itokiso ô
6. soanja ( 14/01/2008 06:10)
Fantaro ny olombelona sy ny tantarany dia tsy ho diso fanantenana intsony ianao.

Mahereza hatrany amin'ny fitadiavana ny marina sy ny fikatsahana fitoniana.
7. ari.malala ( 14/01/2008 06:59)
manin i lazounet e! courage fona fa aza kivikivy zany, après la pluie le beau temps:-*:-*:-*be dia be reo ny namana afaka ifampizaranao izay mahazo raha ilaina izany;)
8. kelly13 ( 14/01/2008 07:17)
Olona hiresahana rehefa tsisy atao ve?
.Olona hiresahana sy hanalana azy mandra-pà ve?
.Olona iantràna fotsiny ve?
.Olona akàna hevitra rehefa tapi-dalankaleha ve?



perte b enao ra ireo no andrasain'ny oul anao ho namana :)
9. xxx ( 14/01/2008 08:37)
za koa mba mitovy @nao! nitia olona za teo d izy koa tia anà fa oh hoe mpinamana ihany zay t@voalou fa aveo tafaraka d tsy hita intsony leiry fa tsy fantatra hoe nanin????iz nefa tiako ho namako foana!!!d tsy azoko intsony nadraisany anà hoe namana @le hoe ahona e:x
10. ikalamako ( 14/01/2008 08:40)
raha mitsirara amin'ny tany ianao aza mandady (hoy izay hira italiana iray izay)
raha lazain'ny olona fa vita hatreo ny aminao, aza mino izany
mazana be ny fiakara-mideza
fa ny iray amin'ny arivo vitanao foana
(Uno su mille ce la fai-Gianni Morandi)
11. xxx ( 14/01/2008 08:43)
Mbola possible ve ny minamana amin'olona tsy misy tambiny?

ENY !
12. sakaizakely ( 14/01/2008 08:50)
ntsôooo

voadona ny lazounoely kely marina

:-*:-*:-*:-*

kelly13> eka ouz

13. sakaizakely ( 14/01/2008 09:05)
rehefa namana de namana fa tsy asiana kakil hoe inn no ilana azy, zany hoe tsy asiana fanontaniana fa rehefa misy filinn @ le olona de zay

dia miara mivanitikitika eny

dia miara mibaladilady miarak'adala sy miaraka hendry sy mi
dia miarakory rehefa misy mahory
sns...
bedabe no azo atao
fa tsy miandry hoe rehefa misy ilàna azy vao manatona ilay namana
14. hery ( 14/01/2008 09:38)
Definition-n 'ny hoe namana = namana

Ny namana dia tsy mpiasa (mpanampy fotsiny)
Ny namana dia tsy ray amandreny (mpitaiza sns)
Ny namana dia tsy vady (mazava ho azy :-))
etc...

Raha mbola namana maka toerana hafa ny namana dia tsy namana intsony izay.
15. tinah12 ( 14/01/2008 10:10)
ny namana angamba amiko le miaraka mifaly de miaraka ory e! Fa eto an-tany ane tsy maintsy misy foana ny maningana. Aza manao ötran'io ry lazounet a! kony a! Courage föna e:-*
=D
16. vale ( 14/01/2008 10:25)
lazounet:

Eritreritra mandalo ve?....
Tsia....
ANTSON'NY FO.
Antson'ny (l)...hhmmm:cry:..ny namana, de namana ihany koa mifampikarakara, mifampitsinjo,tsy tia tena, fa tia tena tia, réciprok izany e!(l):cry::-w:cry:mmhhhh


17. melody ( 14/01/2008 10:28)
4. Mpandefa : Vitsikakely [ Valio ] 14-01-2008 06:07:54
Lohateny : Re : Voadona ny amour propre
Ataovy maro ny namana fa iray no itokiso ô

marina io fa na dia izany aza, mba mailo ihany satria ilay namana ko ange ka mety hamadika na dia tsy nitokisanao aza e... izay ny mha-olombelona ny olombelona
Mahereza lazouret!:-*

18. karinah ( 14/01/2008 11:05)
yé, ary ny namana itokisana,mba mila namana itokisany koa, fa tsy natao hihaino sy hikarakara fotsiny ihany koa!!!!hummmm
19. fasaly ( 14/01/2008 13:22)
lazounet: zà jerena de manga ny lanitra ny antsika tsy misy fitapitaka fa namana madio mangarangarana:wink::-D:-*
mitandrema am firesaka ivelany fotsiny fa feno fitaka e! fantaro tsara mitsy ity azo hatao hoe namana ity fa ny tena namana saro-tedavina;-)
20. xxx ( 14/01/2008 13:24)
vale:

lazounet:

Eritreritra mandalo ve?....
Tsia....
ANTSON'NY FO.
Antson'ny (l)...hhmmm:cry:..ny namana, de namana ihany koa mifampikarakara, mifampitsinjo,tsy tia tena, fa tia tena tia, réciprok izany e!(l):cry::-w:cry:mmhhhh




nefa misy mody hatao hoe namana anefa fosaina ilay ranamana any ambadika;-):-w


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1137