Voadona ny amour propre

21. sakaizakely ( 14/01/2008 13:35)
toa lasa regléman de kaonty ndray izy zany kilé :-P
22. Samoana ( 14/01/2008 14:00)
lazounet:

Mbola possible ve ny minamana amin'olona tsy misy tambiny?


Mbola misy...saingy indrisy...fa vitsy de vitsy.
Izao anefa...aza milefa...aza mety leo...fa ny hira reveo.
Hira sy mozika...tsy mahafoy antsika:wink:
(Hoy ny vazon'ny akama...

"...Raha misy zava-mampahory
Ka mila tsy ahitan- tory
Tsarovy akia eh!! fa any ho any
Misy namanao tena tia

Mahantra sy osa mahantra harena
Nefa kosa tsy tia tena
Fa vonon-kanampy satria ny aty a
Tsy mitady valiny sanatria ...
"
...Tarik'i Dama)

23. kelly13 ( 14/01/2008 14:52)
xxx number 19>hahahaha, marina zany :wink:
24. lazounet ( 14/01/2008 16:11)
Misaotra anareo rehetra @ fampaherezana!

Izao mantsy,ny zavatra mandreraka ahy dia tsotra:
Io resaka ataoko io tsy misy resaka sipa na sipa taloha na hoe inona fa tena resaka hoe Namana.Izany hoe olona hifampizarana ny ngidy sy ny mamy ary azo ITOKIANA.

Mbola tsy nahita aho hatramin'izao. Nandiso fanantenana avokoa àry rehefa tonga saina ianao volana, na taona vitsivitsy aty aoriana dia toy ny nilatsaham-baratra mihitsy.

Nefa na izany aza mbola manome fanantenana ahy ianareo ka velobelom-bolo indray é!
Hoy ny Betsileo hoe:

"Indray andro tsa ihinanako pika tsa ihinanako vodin-kajaha".
25. tess ( 14/01/2008 16:27)
lazounet:

Misaotra anareo rehetra @ fampaherezana!

Izao mantsy,ny zavatra mandreraka ahy dia tsotra:
Io resaka ataoko io tsy misy resaka sipa na sipa taloha na hoe inona fa tena resaka hoe Namana.Izany hoe olona hifampizarana ny ngidy sy ny mamy ary azo ITOKIANA.

Mbola tsy nahita aho hatramin'izao. Nandiso fanantenana avokoa àry rehefa tonga saina ianao volana, na taona vitsivitsy aty aoriana dia toy ny nilatsaham-baratra mihitsy.

Nefa na izany aza mbola manome fanantenana ahy


ianareo ka velobelom-bolo indray é!

agnao koa dia efa mampivadi-po mahitsiny an! hay tsary mbola nisy raha niseho.....:-P mahaiza mifidy namana fotsiny dia izay aza manaiky lazain'i olona angano fa raha manomboka milaza angano izy izay dia ratsy:wink::-D marina agny iouuuuuu!
Hoy ny Betsileo hoe:

"Indray andro tsa ihinanako pika tsa ihinanako vodin-kajaha".




26. xxx ( 14/01/2008 16:28)
kelly13:

xxx number 19>hahahaha, marina zany :wink:

:wink::^) kôpy enao an!

sakaizakely: tsy reglement de compte ka! filazana ny marina daholo izany....;-)


27. shyan1 ( 14/01/2008 17:14)
nareo aza mba mbola misy ahaovana choix sy anontaniana fa ny ahy tsy misy mihitsy..... indrisy, tsy hitako loatra hoe iza ihany aza no horesahiko , eto am-pototry ity ordi ity zah dia mi depra rery eto. Indrisy mantsy aiza ihany aza ..........
28. penina ( 14/01/2008 17:22)
ka ilay ps-nao mampihomehy raha vao mahay teny frantsay kely :-D
29. lazounet ( 14/01/2008 20:39)
tess:

[quote=lazounet]
agnao koa dia efa mampivadi-po mahitsiny an! hay tsary mbola nisy raha niseho.....:-P mahaiza mifidy namana fotsiny dia izay aza manaiky lazain'i olona angano fa raha manomboka milaza angano izy izay dia ratsy:wink::-D marina agny iouuuuuu!
Hoy ny Betsileo hoe:


> TESS!
Tena misy ny olana fa sarotra ny mamelabelatra détails eto fa rehefa mahita ny fankaherezan'ny tsirairay dia mba miverina ny fanantenana.

Ilay ohabolana Betsileo hoe:"indray andro tsy hihinanako pika, tsa ihinanako vodin-kajaha" dia azo ampitahàna @ Ohabolana Merina hoe: " Indray mandeha ve no maty vary ka handevin-tsotrobe ?"
Mankasitraka anareo tsirairay nanohana sy nampahery.

Laza





30. Samoana ( 15/01/2008 14:20)
lazounet:


" Indray mandeha ve no maty vary ka handevin-tsotrobe ?"
Laza


Diso frapy ny akama fa "manta" vary no izy:wink:


31. lazounet ( 15/01/2008 16:15)
Samoana:

[quote=lazounet]

" Indray mandeha ve no maty vary ka handevin-tsotrobe ?"
Laza
Diso frapy ny akama fa "manta" vary no izy:wink:

.



Tsy diso frapy aho fa io dia anisan'ny fanitsiana natao anay fony mbola tany an-tsekoly!

Eny ny olona rehetra miteny hoe...MANTA vary fa ny tena izy dia MATY vary satria tadidio fa raha ny VARY no MANTA mbola azo andrahoana sy amasahana. Fa raha ny VARY no MATY izany hoe simba, tsy azo atao n'inon'inona intsony fa voatery afoy.

Izay ilay izy.;-)
32. sakaizakely ( 15/01/2008 16:17)


maty = mohaka zany ?

misaotra nampahafantatra
33. penina ( 15/01/2008 21:10)
maty amin'ny ahooooooooana ary?

sa bobongolo?
34. Samoana ( 19/01/2008 12:59)
AZA MANDEVIN-TSOTROBE

Azafady, etsy ange...
Mahita anao manjombona aho dia manjombona ihany koa.
Nahoana ianao no mitanondrika toy ny mila hamoifo ?
Raha mila olona iresahana, izaho anie tsy olon-kafa
Fa vonona hihaino anao, hidinidinika, hitafa !
Mbola lavitra tokoa raha ny làlana haleha.
Koa raha indray mandeha
No manta vary ve dia handevin-tsotrobe ?
Tsy ho manta foana ange
Ny vary izay atokona e !
Koa aza mandevin-tsotrobe.
Mbola aiza ity fiainana no izao sahady
Dia handretaka toa io, toy ny resy tsy miady ?
Raiso ho fianarana iny hampivoatra
Anao hatrany. Ny sendaotra tafahoatra
Sy ny hakiviana ambony ihany
Fahavalom-pandrosoana. Efa fantatrao izany.
Tsy àry ho azo avokoa izay rehetra antenaina.
Koa mandrosoa hatrany, atanjaho izany saina.
Indray mandeha no manta vary ve
Dia handevin-tsotrobe ?

Frantsa, jolay 2003

Antsiva(mpanakanto kalaza @ haisoratra malagasy)

35. melody ( 19/01/2008 18:42)
azonay aby re no tianareo lazaina na MATY na MANTA a8)
36. lazounet ( 26/01/2008 11:20)
Tsy ho manta foana ange
Ny vary izay atokona e !


Ny anay dia MANTA ombieny ombieny ny vary atokonay. Fa raha masaka izy , inona intsony ny hanokonako azy???

Laza (Mpanankanto tsy dia mahay)=))
37. lazounet ( 26/01/2008 11:22)
Sa misy olona manokona vary masaka ve?
Asa loatra?:{
38. mpisotrtoaka ( 30/10/2015 09:08)

Samoana:

lazounet:


" Indray mandeha ve no maty vary ka handevin-tsotrobe ?"
Laza


Diso frapy ny akama fa "manta" vary no izy:wink:



Tsia ! Tena MATY vary no izy ka. Raha manta ny vary dia mbola afaka mamerina maahandro indray fa raha matin'ny HAVANDRA na ny RIVODOZA kosa dia tsy miasa mandritra ny taona iray satria potika ny vary teny an-tanimbary rehetra ka tsy ho loarana ! Mazava be izay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2539