Fisainana Afrikanina hono ny hafa no mahatafita azy?

1. Jeankely ( 12/01/2008 02:39)
Raha mijery ry zalahy vahiny dia mahatsapa fa miandry ny hafa ny afrikanina ary mihevitra hono ny Afrikanina fa ny vola ampaosin'ny hafa no ahatafita azy. Mitombona ve izany ho an'ny Malagasy? Ny foto-drafitr'asa rehetra mba ny Malagasy ve no afaka hanao sy hamita amin'ny heriny? Firy isan-jaton'izany no trosa sy avy amin'ny fanampiana? Efa mandeha tsara ve ny hevitra nivainganabe nataon'ny TGV sy ny tariny hoe tsy handray karama na ny tenany na ny mpanolontsaina fa hampandroso an'Antananarivo no tanjona. Tsy izany ve no zahavina sa resakabe ahazoana fon'ny mpifidy izany? Hiandry ny any ivelany ve sa hiaraka hikokotra sy hijaly sa aleo mitomany sy mitaraina ihany?
novalian'i Jeankely ny 20/01/2008 01:43
2. rahiratra ( 12/01/2008 03:12)
Antsovy Tezitra sy Bazylou fa i FRANTSA ihany hono no mety ahalasa ny tanana e.
3. badboy ( 12/01/2008 13:11)
Tsara dia tsara le fanotaniana. Ny valiny ny ho avy no hitondra azy. Ny hevitra azo aroso amin'izao fotoana izao de tsotra : mbola afaka ny manantena ny fiarahamiasan'ny fanjakana ve ireo hery velon'ny "économie" gasy (ny orin'asa sy ny sisa)? Ny antony hametrahako io fanotaniana io de tsotra : ny fototry ny fahaleovantena aratoekarena, izay hiankinan'ny fisondrotan'ny farimpiainan'ny tsirairay, dia miankina tanteraka amin'ny tanjaky ny orin'asa mitsangana manerana an'i Madagasikara. Rehefa matanjaka ny toekarena eo antoerana, mihena tsikelikely arak'izay ny fianteherantsika amin'ny vola avy any ivelany.
4. Jeankely ( 13/01/2008 06:09)
Hoy badboy hoe "mbola afaka ny manantena ny fiarahamiasan'ny fanjakana ve ireo hery velon'ny "économie" gasy (ny orin'asa sy ny sisa)? ". Izaho moa tsy Fanjakana ka tsy haiko ny mamaly ny fanontaniana. Ny zavatra hasiako teny kosa dia ity. Alohan'ny nahalany io Filoha amperin'asa io dia nametraka mazava ny tariky ny tsy miankina fa tsy tokony olona avy MPIASAM-PANJAKANA fa Mpitantana orin'asa no aleo hitondra. Izao dia manatintrantitra fa ny herivelon'ny orin'asa Malagasy manerana ny Nosy no nifanome tanana ahalany ary nanampy azy rehefa nisy iny resaka lany sy tsy lany iny. Fa ny fahita any ivelany ve ny fanjakana no manaraka ny Jeux'ny Mpanambola sa ny MPANAMBOLA NO MISOLELAKA amin'ny fanjakana. Mety mbola ao ihany ve ilay hoe ny hafa no heveriny ahatafita azy?
5. badboy ( 13/01/2008 20:53)
Averiko eto indray, refa tsy matanjaka ny orin'asa de tsy matanjaka ny firenena. Refa tsy matanjaka ny firenena de tsy maintsy miankina amin'ny fanampiana avy any ivelany. Noho izany de tsy maintsy miaramiasa ny mpitondra ny firenena sy ny mpitondra orin'asa. Ireo firenena matanjaka rehetra dia mahaleotena vokatr'io fomba fijery io. Inona no antony manakana ny firenena malagasy tsy hanaratahaka ny hafa?
Ny hafa ve no heverina ahatafita ny tena? Ka ra eo ampelatanana ny ilaina reetra hampandroso ny firenena sy hampaleotena azy aratoekarena, ny hany sisa ilaina avy any ivelany dia ny fampitana ny fahaizamitantana sy ny fandraisana andraikitra :"prendre sa responsabilité et imité le savoir faire d'ailleurs".
Fandraisana andraikitra : teny tokony hampitaina amin'ny taranaka amandimby ary amin'ny mpitantana rehetra!!
6. Jeankely ( 14/01/2008 02:13)
Tsy asiana ady hevitra angamba ny fiarahamiasan'ny Fanjakana amin'ny mpitantana Orinasa sy ny Vahoaka iray manontolo. Hafa ny asa sy andraikitry ny fanjakana ankehitriny ary hafa ny anjaran'ireo faharoa. Ireo faharoa no tena manatanteraka ny fampandrosoana. Ny fanjakana kosa ve no mikitika ny sain'ny mpitanatana orin'asa sa izy no mahafantatra ny tokony hataony ary ny fanampiana azony hiarahana @ fanjakana?
7. badboy ( 14/01/2008 10:50)
Jeankely:

Diniho tsara ny teny voasoratrao fa ianao ihany dia efa nahavaly ny fanontaniana apetrakao!!
8. Jeankely ( 14/01/2008 10:56)
Fa Mpitondra Orin'asa ve Badboy sa mpampiresaka? Ianao ve no nahatonga ny Mpitondra izao ho eo sa iza? Ary ianao nahatonga azy teo ve no tokony hampiresaka?
9. badboy ( 14/01/2008 20:09)
Jeankely:

Fa Mpitondra Orin'asa ve Badboy sa mpampiresaka? Ianao ve no nahatonga ny Mpitondra izao ho eo sa iza? Ary ianao nahatonga azy teo ve no tokony hampiresaka?

Tu me fais rire "petit jean"! Non je ne suis ni un gérant d'entreprise ni celui qui a permis Ravalo d'être là où il est!!
Je ne suis qu'un simple futur juriste!!!
Et je ne raconte pas de salade!!!
Seulement je répète, t'as toutes les réponses à ta question dans ce que t'écris!!
La seule précision que j'apporte c'est que la relation entre l'exécutif et les entreprises ne doivent être définie que par la pôlitique que l'Etat veut adopter. L'Etat a le choix de choisir ou la pôlitique de l'Etat de providence ou celle de l'Etat libéral.
10. Jeankely ( 15/01/2008 02:30)
Many thanks badboy, U r Great. I'm not jurist but I finished my study, long time ago. I don't know your french, what is it and is it benefic for Madagascar? As an Economist, my analysis about State or Government is far from yours. Now, I'm abroad not in Madagascar. Private Sector in Madagascar try to ask help from government but not that the things I observe here, my Dear badboy. Sorry, I use my poor English because I hate French and France.
11. badboy ( 15/01/2008 07:17)

Je suis désolé aussi car maîtrisant mal l'anglais, je préfère te répondre en francais. A chacun son domaine et sa compétence!
En tant que futur juriste, et non économiste comme toi, j'obsèrve l'histoire qui s'est produit depuis le temps à Mada pour justement remettre dans son contexte ta question.
Et la réponse tu l'as toi même avancé. Si j'ai émis des propos qui dépasse le sujet je m'en excuse puisque je pensais que des précisions devaient être apportées plutôt que de donner une réponse en tant que telle. Si j'avais la réponse, j'aurai tout fait pour la faire réaliser! lol
Comme j'en ai pas une toute faite, et étant donné que la question que tu posais prête plutôt à reflexion qu'à une solution, j'ai voulu répondre en conséquence!
Bonne contuniation en asie et si intélligent comme t'es, je pense que c'est plutôt toi qui veux retourner la tête de tout le monde avec tes questions bien posé et à la fois ambigüe!
12. Jeankely ( 15/01/2008 09:19)
Aho aloha tsa mahay ilay teny Pararantsay sady tsy hianatra azy mihintsy. Aleoko mianatra iazay teny hafa tsy haiko. Sady nanoratra tenindrazana mazava koa aho fa mba sangy ny niala kely bitika. HO ahy dia na avobe aza ny Frantsay ary na taona maro aza no nampiasana azy tsy dia nahalasa lavitra an'i Madagasikara. Miverina @'ny teniko koa hoe toa ny hafa no heritreretina ahatafita. Ny Juriste ho avin'ny firenena dia mahita taratra hono fa ny fanjankana no mbola tokony halaza sy hanao ny toe-karena amin'izao andron'ny Fanatontoloana izao. Na ny lalana aza angamba tsy haiko avy aiza amin'izao? Vonona hiafy, rovitra pataloha, miasa saina ary hifanampy tokoa ve sa hifampitsikera sy hifampiandry? Mba sahala ny ahoana ny toetran'ny Tompon'orinasa Malagasy na ny farany madinika na ny efa lasa lavitra? Mitovy amin'ny ataon'ny hafa ve? Hita ao Madagasikara ve ny hoe "NY mpanjifa no mpanjaka ary andrandraina"? Fanjakana ihany ve no hianteherana amin'izao? Sao mba hilaozan'ny toetr'andro ny fihetsiky ny Future Juriste?
13. badboy ( 15/01/2008 11:41)

Comme Mada est une île et ancienne colonie de la France, et qui plus est en étroite relation commerciale avec la France (seule grand ambassade présent à mada:) 70% du marché d'exportation) on ne peux se passer de la langue francaise!!! C'est suicidaire d'écarter une langue parce qu'on aime pas le pays source de cette langue!! Trois langues étrangères au moins doivent être maîtrisées à Mada et le francais et l'anglais caracole en tête!!!!!

Je vois que notre ami est adèpte des questions (philosophiques????:roll:) que d'action concrète et de solution utile!!!

La première question m'a attiré car c'est un faux problème de se demander si se sont les autres qui vont nous sauver!! La vraie question c'est qui et quand une personne arrivée au pouvoir va pouvoir tiré de haut la vie quotidienne de tous les malgaches?
Désolé de te décevoir Petit Jean mais la France n'est pas une puissance mondiale pour rien!! Et c'est pas parce que tu craches sur la langues francaise que tu va faire évoluer quelques choses à Mada!! Sois plus ouvert d'esprit mon pote!!! D'autant plus que tu me donne l'impression d'être une personne intelligente et non un cancre!!! Où t'es un peu nostalgique du personnage du film intitulé "ROBIN DES BOIS"?
14. Jeankely ( 15/01/2008 12:37)
Tsy manana azavaina betsaka aho satria tsy antsika sy ianao Juriste hivoaka no hifampitana ento. Amiko resaka tsotra no lazaiko ary takatry ny olona rehetra fa tsy voatery Juriste. Mila ny hafa ve vao afaka hiarina. Manino no afaka manitatra fiangonana ary afaka mahita rakitra? Maninona no mahita vola handevenana na hamadihana? Fa tsy mety ahafahana miasa sy manitatra an'i Madagasikara ve io toetra atao @'ny fiangonana sy ny fasana io? Ny resaka Pararantsay indray dia tena haiko tsara fa izy no mifandray ara-barotra @'i Madagasikara be indrindra na vao namoaka aza ny EDBM faramparany teo fa efa nihena ny isan'ny Mpanagana orin'asa Pararantsay. Ny fijery Juriste tsy mitovy @'ny fijerin'ny ara-pisainana Economiste na izany aza mifameno ireo.
15. ra8si2000 ( 16/01/2008 18:47)
hehe!
mafana ny adihevitra. tandremo fotsiny sao d miady hatr@n ny tsy hevitra.
Samy manam-pahaizana daoly ny gasy.Ohatra i Jeankely sy Badboy. D mbola misy hafa any fa tsy miseho vatana.
Tokony tsy mila manafatra tsony zany mada fa ny gasy d ampy ahatafita. sa ahoana Razan(mba gasy kokoa:D)?
Zao ry zalah......
ay, saika adinoko, alohan'ny hanehoko hevitra kloony a misy fanamarihana kely. i Razan mlaza tsy ti frantsay nefa ny anarany "Jean...". D i Badoboay ndray miondana Frantsay nefa ny anarany "Badboy" :lol:...tsy idirako lalina...:P
fa zao tsy haiko i Badboy na mahatsapa fa "ze firenena rehetra nozanahan'ny frantsay hatr@zao tsy misy lasa lavitra i.e. "mandroso ara-toekarena" oh: Madagasikara, Vietnam sns..fa ze nozanahin'ny anglisy efa lasalasa daoly oh: Morisy, Inde, Afrika Atsimo sns..."
Faharoa, Badboay angamba mbola tsy de nivoka loatra an i Madagasikara. Ny zava misy @zao fotoana zao sy hatr@zay, d aty afrika ihany no tenenina 60% ny teny frantsay. Fa ankoatrzay teny anglisy no miasa na @ varotra na @ zavatra hafa manerana anzao tontolo zao. Tsy miasa ny teny frantsay ra vao mivoaka an i Frantsa sy Afrika (afa tsy any @ sombin i Canada. Ny frantsay lasa miteny anglisy aty azia.mampme.
Farany fa lava loatra, big up ho an i Razan, tiko le fisainana......(mbola hiverina a !)
16. Jeankely ( 17/01/2008 05:15)
Misaotra @ hevitra nisy niraisana ra82000. Ny Juriste tsy fahavalo fa miaramiasa saingy misy tsy ampy angamba satria miova araka ny fotoana ny andraikitra afaka vitain'ny fanjakana. Izaho vao omaly sendra namaky "World Development Report" efa ela ary nahita tao fa NAHASAHY NAMPIDINA NY BUDGET LANIANA HO AN'NY TAFIKA NY TAO MAURITIUS". Ny antsiaka indray ny fandriampahalemana manahirana ary tafihandry zalahy ny mpitandro filaminana. Na be karama nohon'ny mpiasampanjakana hafa aza ny Polisy sy Zandary sy ny Miaramila dia mbola tsy mahatafavoaka satria milaza tsy ampy fitaovana. Raha Madagasikara no ahenabe ny Budget-ny Miaramila tsy hisy ve no voatifitra? SAFIDY IO na HANDROSO NA HIAZOAZO. Fa ahoana no io tany kely io no maharesy an'ity Nosy lehibe izay lazaina LAND OF OPPORTUNITY ity?
17. badboy ( 18/01/2008 11:31)
ra8si2000:

hehe!
mafana ny adihevitra. tandremo fotsiny sao d miady hatr@n ny tsy hevitra.
Samy manam-pahaizana daoly ny gasy.Ohatra i Jeankely sy Badboy. D mbola misy hafa any fa tsy miseho vatana.
Tokony tsy mila manafatra tsony zany mada fa ny gasy d ampy ahatafita. sa ahoana Razan(mba gasy kokoa:D)?
Zao ry zalah......
ay, saika adinoko, alohan\'ny hanehoko hevitra kloony a misy fanamarihana kely. i Razan mlaza tsy ti frantsay nefa ny anarany \"Jean...\". D i Badoboay ndray miondana Frantsay nefa ny anarany \"Badboy\" :lol:...tsy idirako lalina...:P
fa zao tsy haiko i Badboy na mahatsapa fa \"ze firenena rehetra nozanahan\'ny frantsay hatr@zao tsy misy lasa lavitra i.e. \"mandroso ara-toekarena\" oh: Madagasikara, Vietnam sns..fa ze nozanahin\'ny anglisy efa lasalasa daoly oh: Morisy, Inde, Afrika Atsimo sns...\"
Faharoa, Badboay angamba mbola tsy de nivoka loatra an i Madagasikara. Ny zava misy @zao fotoana zao sy hatr@zay, d aty afrika ihany no tenenina 60% ny teny frantsay. Fa ankoatrzay teny anglisy no miasa na @ varotra na @ zavatra hafa manerana anzao tontolo zao. Tsy miasa ny teny frantsay ra vao mivoaka an i Frantsa sy Afrika (afa tsy any @ sombin i Canada. Ny frantsay lasa miteny anglisy aty azia.mampme.
Farany fa lava loatra, big up ho an i Razan, tiko le fisainana......(mbola hiverina a !)

Tsy hiadiankevitra ny hoe tsy tafavoaka ny akabeazan\'ny firenena nozanahan\'ny frantsay!! Safidintsika ny tsy nijanona ho DOM na TOM tahaka an\'i La Reunion na Seychelle (entre autre)!! Tsy mivoatra ve ireo toerana ireo????
Diso koa le hoe tafita avokoa izay voazanaky ny Anglisy (mikorotana be zao Kenya, nikorontana Liberia, Génocide Rwandaise, Guerre civile Zimbabweienne.....).

Noho izany fijerena mitongilana no sady diso ilay hoe tafita avokoa ny firenena voazanaky ny Anglisy. Ary refa tena jerena akaiky dia matoa ireo firenena ireo tafita (Afrique du sud..) dia satria ny fitondrana mbola feno olona fotsy hoditra sy olona mandray ny andraikiny!!! Inde tafavoaka (fa tsy mbola tena tafita) satria 1,200 milliards ny isan\'ny mponina ary manomboka mampiditra ny politique économique basée sur la consommation!!!
Ary izaho tsy hoe momba frantsay fa ra ny \"contexte économique\" ao dago no jerena dia miankina be @ frantsay ny fidirambolantsika(ny zone franche dia frantsay no tompony bdb, ny représentant-ny Union européenne tsy maintsy mandalo ao @ ambassade de france alohan\'ny hanome fanampiana avy eo vao mitsidika sy midinika @ mpitondra gasy ary )!!

Tsy hanome lesona \"relation internationale\" aho, tsy izay no antondresaka!!

Ny tena marina tsy mila miandry ny avy any ivelany isika vao ho tafita, fa ny fomba fijerena ny fahefana no tokony hiova! Nahoana? satria raha mbola mitohy ny fomba fisainana hoe ny fahazoana fahefana no fomba ahafahana manangokarena sy mahatafita haingana dia tsy hivoatra mihintsy madagasikara!!! Ankoatr\'izay ny tsy fanasaziana \"systematique\" rehefa voaroiroy @ fanodikodinana volampanjakana dia tohina lehibe! Tsy ny Frantsay no nametraka ireo mpitsetsitra ireo ho eo ary tsy ny frantsay ko no nahatonga azy ho tsy mahay mitantana!! Rahoviana ihany isika vao hanaiky handray ny andraikitsika ka tsy hiafina intsony ao ambadik\'ilay hoe satria voazanaky ny frantsay (nahaleotena nanomboka 1962 \"46 taona\"!!!) dia tsy ho tafita mandrak\'izay?? Tant que le pouvoir est personnalisé on est foutu!!!

Ny teny Frantsay indray dia diso koa ilay hoe vitsy no miteny azy!!! Atambaro ny isan\'ireo firenena voateninao miteny frantsay ireo dia ho hitanao fa tsy vitsy ny isan\'ny olona miteny!! Ary ny mpanao pôlitika européenne izao dia olona mahay miteny frantsay daholo satria Frantsa no tena herin\'ny Union européenne ary nanangana azy!!! Tsy midika akory zany hoe tsy tokony hahay teny vahiny hafa!! Plus on en sait, plus c\'est mieux pour notre pays!!!

Fanampiny : Badboay angamba mbola tsy de nivoka loatra an i Madagasikara tsy ao madagasikara ny tenako!!
18. Jeankely ( 19/01/2008 02:27)
Mazava fa manana ny toerana misy azy ny PARARANTSAY fa midika ve izany FA MANANA NY TOERANY KOA NY MPISOLELAKA AMINY. Na any FARARANTSA aza ianao tsy midika fa tafita ny Malagasy rehefa mahay miteny FRARANTSAY. Tsy hilainay mihintsy io satria tsy nahitanay vokatsoa nandritra ny taona maro.
19. badboy ( 19/01/2008 09:09)
Jeankely:

Mazava fa manana ny toerana misy azy ny PARARANTSAY fa midika ve izany FA MANANA NY TOERANY KOA NY MPISOLELAKA AMINY. Na any FARARANTSA aza ianao tsy midika fa tafita ny Malagasy rehefa mahay miteny FRARANTSAY. Tsy hilainay mihintsy io satria tsy nahitanay vokatsoa nandritra ny taona maro.

Ka na ilainao io na tsy ilainao io aloha ny misy!! Raha toa ianao ka manana hevitra tsaratsara kokoa (arahaba soa arahaba tsara) ankoatr'io dia arosoy eo antrehan'ny mpitondra!! Mino aho fa na izireo koa aza (tahaka ny malagasy rehetra) dia mba te hiala @ ilay "pôlitique néocolonialisme à la francaise"!!
Mandrapahatonganao ilay pôlitika vaovao sy tena hampandroso an'i madagasikara eo anatrehan'ny mpitondra (satria tsy ilainao ny frantsay fa tsy mahatafita) dia aleo aloha izaho sy izay mitovy amiko ampitahy ny pôlitika nahatafita ny frantsay sy ny antony tsy mahatafavoaka ny pôlitika malagasy!!

Efa mba hitanao angamba ilay filaharana tsisy farany eo @ ambassade de france!! Aiza ankoatran'ny eo ianao no mahita ambassade "envahi" manomboka @ 4 maraina (ambasssade d'indonésie?!?hélas!)???? Tsy midika ve izany fa ho an'ny akabeazan'ny malagasy ny fivoahana mankaty frantsa no lasa vahaolana?? Ary tsy tsapanao va fa rehefa miteny hoe "andafy" (= ampitandranomasina) dia la Frantsa reny malala no tonga dia ao antsain'ny tsirairay?? Ary koa ilay teny hoe "vazaha" (= fotsy hoditra) tonga dia frantsay no ao antsaina (na ianao aza)??
Ka hoy aho hoe aza manipadoha lakana nitana!!!

20. Jeankely ( 20/01/2008 01:43)
Tsy afaka ny hiray hevitra aminao mihitsy aho Ra-badboy. Raha mandray anjara @'ny forum aho dia tsy mikendry ny hanitsy ny Mpitondra fanjakana ary fantatro koa fa tsy manana capability @'izany aho sady tsy hijery izany koa angamba reo no manana ny fahaizany avo noho ny ahy koa izy. Mandray anjara aho ho an'izay mety hiray fisainana amiko ary misy ireo fa tsy sahala an'i badboy daholo akory ny Malagasy. Amiko dia miova ny fomba fijery ny fanjakana ary ny andraikitry ny vahoaka no tiako kitiana hoe AZA MIANDRY FANJAKANA satria mifameno ny asan'ny fanjakana sy ny vahoaka. Ny resaka Pararantsay-nao indray dia aty Asia aho izay tsy ahitako miteny Pararantsay fa teny Malagasy aza no hitako Betsaka rehefa halaliniko tsara. Izay misy ahy no haiko resahina. Mazava fa Pararntsa ihany no andafy hoy ianao ka inona moa no mahagaga fa na Makorely na mpitondra taxi any Pararantsa aza mihevitra ny hanitsy ny Mpitondra Malagasy satria miaina sy mahita ny fivoarana. Ny fanontaniako aminao dia hoe AZONY MORA VE NY FANDROSOANY? Mitovy amin'ny fisainanao @'ny maha-Malagasy anao ve ny fomba fisainan'ny Pararantsay manoloana ny Tanindrazany?. Ny ahy dia miverina amin'ny loha-hevitro ihany hoe ny fisainana sahala ny anao dia mihevitra fa ny hafa no ahatafita azy ka any misolelaka. Izaho mandrisika ny olona hoe ny tenanao ary ny fiafinao no mahatafiata anao ary mitombona izany hatrany @'ny resaka firenena
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1886