Ny famaizana ny zaza.Mila mikapoka sy mikiakiaka ve isika?

21. niryna ( 13/01/2008 23:52)
niryna:

cutie:

mitovy hevitra @ sipagasy :)


tena marina tokoa aky izany a,ry zalahy no mamo dia ny tena no voadaroka tsy amina- pas fotsiny eo,mandositra any amin'ny mamanay aho a :D izay no hanaiky ho darohan'io eo :D ary raha manohitra angamba mitombo daka mandrivorivo e,dia antsoiko polisy iny :D:D
aleo aho andeha fa tapaka ny tsinaiko


Raha resaka fahamamoana eto indray dia misy ary mitranga amin'ny olona.Mandositra any an-tranon'ny ray aman-dreniny tokoa ny sasany ary dia asiany miverina mody.Vonjeo ny tokantranonao hoy izy.Zavatra efa hitako izany (tsy izaho a,itan'ny masoko)na koa hoy maninona tsy mody any amin'ny rar -ninao dia hoy ilay ramatoa hoe angaha indray andro izy ity ,dia avelany anao izay hiadanan'ny kibony eo rangahy,izy kosa dia tsivanimbanina mahia kely mampalahelo eny ary dia lasa marary fo mihitsy noho ny alahelo tsy afa manoatra.Itan'ny masoko daholo ireo.
Ity iray ity koa efa itako fa mbola kely aho,mamo ilay rangahy dia atsimpiny any an-tokontany daholo ny vilia bratata,,rehetra ary matahotra ny mponina dia miantso polisy.Noentin'ny polisy ilay rangahy ary ilay ramatao miteny hoe izaho woa mila anazy e,izaho woa tia anazy e... sady mitomany izy.Rehefa maraina ny andro,iny izy roa manao tee-shirt complet ngay. =))

22. sakaizakely ( 14/01/2008 09:33)
soanja:
Ny zaza tiana no anarina fa tsy faizina. Fanabeazana no atao.


miombonkevitra 500% amin'i soanja

=D=D=D=D=D=D=D

ilàna fandinihana sy fisainana ny fitaizana fa tsy vitan'ny hoe isaky ny tsy afapo ny rad satria tsy manaraka ny sitrapony ny zaza dia andeha ho darohana

famonoana zaza tsy midika velively ho fitaizana

matoa ny ankizy tsy manaraka ny baiko omena azy dia mety tsy mazava aminy ny consignes omenao azy, na koa ny fihetsik'ilay mpibaiko mampalonilony azy dia tsy te hankato izy.

tsy misy zaza tsy mankato rehefa hain'ny rad ny miresaka aminy. Mila miezaka ny rad hanao izay itiavan'ny zanany hanome fahafahampo azy, fa raha ny fahitako ny fihetsik'ireo rad faingantanana dia tsy vonona hiezaka hisaina izy ireo fa heveriny foana hoe ny ankizy ihany no tokony miezaka mankato azy ireo. Il faut savoir donner aux enfants l'envie de vous obéir. Miala tsiny fa tsy hitako ny handikana azy @ teny gasy.

Tambatambazo izy, alefaho foana na ny fihetsikao sy ny fiteninao aminy, dokafy izy isaky ny mahavita zavatra fa mampazoto azy izany. Miresaha aminy foana, na dia mbola zaza mena vao teraka aza. Les enfants ne sont pas juste un tube digestif, olombelona toa antsika lehibe izy ireo. Izay tianao atao aminao no ataovy aminy

Tianao ve hoe rehefa tsy mahazo resaka ianao dia ho felahan'ny patro tehamaina, na saziana, na ivazavazany hoatry ny hystérique marary saina ?

Raha tsia no valiny, dia aza atao amin'ny silaky ny ainao izany

Izay no hamaliako ny fanontanian'i niryna mikasika ny kapoka. Tsy ilaina ny mikapoka

Fantaro fa isaky ny kapoka na vazavaza ataonao aminjanakao dia mihena point iray ny complicité eo aminareo. Tsy mahagaga noho izany taona maro aty aorina tsy misy intsony ny complicité rad sy zanaka. Hany ny ankizy ka lasa mandany andro any ivelany, tsy iresahany n'inn intsony ny rad, nefa ny fanabeazana ilàna fifampiresahana indrindra mikasika ny sexualité, de lasa manaonao foana ny ankizy, efa bikina ny vavikely vao hita, efa mahabevohoka zanak'olona ny zanaka lahy vao taitra. Aza tapahina @ kapoka sy ny vazavaza zareo ny fiarahana @ zaza, manjary lasa relation mpiasa sy mpampiasa no iafarany

Inona no zavatra tianao omena azy ireo indrindra?


Ny fotoana
Manokana fotoana iarahana aminy isan'andro. Ny hatsaran'ny fiarahana no mikaonty, fa tsy ny halavany, la qualité et non la quantité.
Miresaka aminjareo, mi s'intéresser @ zavatra ataony, miara-milalao aminy, tsy mieritreritra zavatra hafa fa dia eo amin'izy ireo tanteraka.

oka n'izay fa lava loatra :-D
23. kelly13 ( 14/01/2008 09:51)
ny zanako mou rey vahoaka d "safiotra" kely b loha zay, ka nenà refa tsy mihaino ahy d avy za mikapoka (taloha ny couche-ny no kapohako, hihihi, zao atao matevitevina ny patalou-ny hihihi). ndraindray nefa d refa mba somary hentitra kely aminy aho, d le rainy indray no manondrana manatsafa oe "quelle autorité!" pffff :x aiza no hisy zava-banona, hahahaha! bref, za mamerina indroa intelo, refa tsy mihaino ahy d mikapoka za. le mikikika tsy vitako fa makarary ny tendako
24. sakaizakely ( 14/01/2008 13:18)
kelly13> inn zany safiotra ?

refa tsy mihaino ahy d mikapoka za


sao de mba sarotra ny zavatra angatahandry aminy kosa ?

le mikikika tsy vitako fa makarary ny tendako
:-D:-D:-D:-D:-D:-D

za tena tsy mahafoy mikapoka marina a, na dia somary manao bemarenina kely aza ry zareo ndraindray. reseko lahatra miadana fotsiny fa manaiky foana ny farany. Mila raisoner-na ange ry zareo dia ampy azy izay e ! Aoka etsy ty tanana ity ry kelly kely :-P

le rainy indray no manondrana

zay mits no mahavoa :°)
mila miray hina fôna dada sy neny, na hoe tsy dakôro aza dia tsy tokony mampiseho izany eo imason'ny ankizy fa miandry hoe rehefa tsy eo intsony le zaza zay vô miresaka ny lehibe
sady araraotin'ny ankizy raha vao misy contradiction am dada sy neny.
tsy mety fa manimba zavatra, mila appui njy mananatra iny de manampy le dada hoe maman a raison, je suis d'accord avec elle, rehefa non ouz maman de non koa amiko
raha mahavatra manao an'io nareo tsy olana
25. kelly13 ( 14/01/2008 15:09)
sakaizakely>"safiotra" ankia "metis" no dikany @ teny gasy a!

aiza ankia misy zavatra sarotra angatahana aminy zany fa resaka oe "mange tes ôtres legumes ms pas seulement tes haricots verts" no tena mampiady anay mianaka matetika. le rainy nge b style ery oe "quelle autorité" e, nefa izy indrindra no tsy mba mahabedy ny zanany fa marary fo b etc...
26. sakaizakely ( 15/01/2008 16:07)
ô ry kelly a !

mifankaiza amin'ny ahy ny safiotranjy ? nenà aza double be zao kou

"mange tes ôtres legumes ms pas seulement tes haricots verts"


Zay nge no ataoko hoe sarotra aminy e ! efa mihinana legioma izy ko maninn forser-na hihinana hafa ankoatry ny tiany ?
zany hoe manahirana be anjy izy satria tsy manaraka ze tianjy :-o

Ra za am toeranjy rehefa mihinana iray izy de tsy maninn raha ajanony ze tsy tiany. Tsy ataoko hitezerana azy
27. niryna ( 15/01/2008 18:16)
kelly13:

ny zanako mou rey vahoaka d "safiotra" kely b loha zay, ka nenà refa tsy mihaino ahy d avy za mikapoka (taloha ny couche-ny no kapohako, hihihi, zao atao matevitevina ny patalou-ny hihihi). ndraindray nefa d refa mba somary hentitra kely aminy aho, d le rainy indray no manondrana manatsafa oe "quelle autorité!" pffff :x aiza no hisy zava-banona, hahahaha! bref, za mamerina indroa intelo, refa tsy mihaino ahy d mikapoka za. le mikikika tsy vitako fa makarary ny tendako

=))=)) :-$ tapaka aky ny tsinaiko anaovandry azy a.Tambatambazo izy fa misy zavatra tiany ho hitandry ao matoa izy manao mafy sofina.Na firy taona na firy taona io dia mandaitra foana.Mila malefaka isika ary mila mihitsy ilay fiarahana kely mifampizara iny na tsiky kely fotsiny aza.
Mila mienjana fa tsy mienjan-dava izany kosa aloha e,ny ahy ny vadiko tsy mba nikapoka ny zanako izany ary miteny malefaka izy fa ny zaza no mitratrevatreva,dia hitanay ny hevitra taty aoriana fa milalao sy manao karate na misangisangy dia amin'iny izy no tenenina malefaka sy ampitiavana ary dia mahatadidy tokoa .

28. niryna ( 15/01/2008 18:20)
kelly13:

ndraindray nefa d refa mba somary hentitra kely aminy aho, d le rainy indray no manondrana manatsafa oe "quelle autorité!" pffff :x aiza no hisy zava-banona, hahahaha! bref, za mamerina indroa intelo, refa tsy mihaino ahy d mikapoka za. le mikikika tsy vitako fa makarary ny tendako

ny anay manao akopany izahay na izay mananana ny diso dia tonga dia samy manitsy na rar sy zanaka aza ary tena tsara ilay izy.Raha izaho izao no diso ka hitandry zareo dia tonga dia teneniny ary dia toy izany hatrany.Raha manao fahadisoana ny zanako dia nafeniko taloha na hoe ny ray no nataoko fampitahorana dia tsy sahy milaza aho,hitako fa tsy nety ka na inona ataony dia nataoko fantany dia izahay roa izany no miaraka mananatra sy miray hevitra eo.Nandaitra ilay izy na mangata-javatra izany na inona dia rehefa hifanarahanay mivady dia mety ilay izy fa tsy mahazo mifanohitra ilay fitazana indrindra eo imason'ny ankizy

29. niryna ( 15/01/2008 18:23)
kelly13:

sakaizakely>"safiotra" ankia "metis" no dikany @ teny gasy a!

aiza ankia misy zavatra sarotra angatahana aminy zany fa resaka oe "mange tes ôtres legumes ms pas seulement tes haricots verts" no tena mampiady anay mianaka matetika. le rainy nge b style ery oe "quelle autorité" e, nefa izy indrindra no tsy mba mahabedy ny zanany fa marary fo b etc...

=)) ka mety tsy mba zatra nikapoka aky izy a,izaho woa nikapoka indray mandeha fa mampadohalika no nataoko ary tena tezitra aho dia nokapohiko ny vodiny,henoko narary ny tanako ary niteny ny zanako hoe marary anie izany fa sao dia heverinao fa hoe tsy marary e.Tonga saina aho ary dia teo aho nanomboka tsy namely intsony.Vita hatreo .

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7827