Barack Obama sa Hillary Clinton

1. ronaldo09 ( 10/01/2008 13:07)
Ndao mba hitety an'izao tontoloizao ara-politika isika ,somary milamindamina aloha izao ny ao Dago ary mafotaka ny any amerika indrindra eo amin'ny antoko Demokraty : I Barack Obama sy i Hillary Clinton aloha izao no tena Coude à Coude amin'ny fisafidianana ny ho tena candidat-ndrizareo Demokraty na eo aza i Edwards dia ireo roa ireo aloha no misongadina ary toa lasa mibala an'i Obama aza i Mme Clinton,ohatra tany New Hampshire ny talata alina teo raha nanaraka ny CNN (Canal Amerikana) isika dia nahita fa teo amin'ny fotoana farany no nitarika tampoka i Hillary Clinton ....
Ny tena mampitovy azy mianadahy ireto aloha dia samy Senatera izy roa ,ary samy Demokraty ,ankoatry izay i Obama raha lasa eo dia izy no mainty hoditra voalohany ho ao amin'ny Maison Blanche ary i H.Clinton indray no ho vehivavy voalohany ....
Raha ny mampiavaka azy ireto indray dia i Obama dia metisy Kenianina zany hoe avy any Kenya ny rainy ,marina fa tsy misy ny amerikana 100% fa saingy ny an'ity ranamana ity dia misongadina be izao fa tsy afro fe afro-americano fotsiny fa Afrikana 100% ny rainy ary milevina any Kenya mihitsy aza!I Hillary indray dia azo lazaina hoe Amerikana (azo lazaina hoy aho) satria raha zohina ny razambeny dia WASP 100%( Wasp:White Anglo-Saxon Protestant),ny iavahany amin'i Obama indray dia efa nitondra teo ny vadiny dia i Mr Bill Clinton ary io no azo ilazana fa manana traik'efa ity ramatoa ity.
Koa eto ampamaranana ,dia mba manontany antsika liana amin'ny politika avy aty ivelany aho hoe :OBAMA ve sa i Hillary CLINTON?Ny ahy aloha dia i Hillary no azoazoko ary tiako hitondra fa ny politikan'i Obama tsy tiako :ohatra hoe :izy dia niady ny zon'ireo lesbiennes sy pédérastes nefa de olona kristianina izao io rangahy io ,eo ihany koa ny niadiany ny mba hisian'ny fanamelohana ho faty ao amin'ny Etat n'i ILLINOIS zay nahavoafidy azy ho senateur...Ary ity changement dradradradrainy ity moa inona loatra no hovainy eo nefa isakin'ny mihetsika dia ny hoe : YES,WE CAN CHANGE !no horakorahany .
novalian'i Jeankely ny 12/01/2008 02:33
2. saranga ( 10/01/2008 13:40)
Ny géopolitique mondiale mihitsy no enjeu amin'ity election USA ity, raha ity tary gena ity no voafidy dia hahazo vahana ny couleur "sociale" amin'ny politikan'ny be kintana, fa raha ity Hilary ity indray dia instable i USA
3. naughtyboy ( 10/01/2008 16:26)
fomba fiadiny mpanao politika lesy ny milaza fa anova zvt ra voafidy ,fa amiko de tsotra aleo ndray oul hafa toy Obama B ho hita ny adiny na Hillary ty aza anie de betsaka ny influence politique novoiziny atr@ fampielezankevitra t@androny Bill.C na ny mandat-ny e,ra afaka nifidy za de i Obama no tohanako:lol:
4. rabingogilabanga ( 10/01/2008 23:29)
aza mora taitra ny apparence isika fa ao koa anie i edwards, pour les democrates, hucabee sy mc cain , ny republicain
ary i amerika dia firenena ngeza, ary très liberale, manana ny tantarany depuis 300 ans ny prezida tsy hanova zavatra firy @ politika amerikanina, ny toetsaiana ny amerikanina, sy ny lobbies economiques,sociales ary fivavahana, isankarazany no mamaritra ny politika ny amerikanina
donc: na republikanina io, na demokraty hitovy ihany
ampelatanana'ny manambola ni-financer ny campagne electorale , izay mi chiffrer any @ milliar de dollar, ny firenena
5. Jeankely ( 11/01/2008 03:11)
Misaotra anareo mijery ny resaka any ivelany ary manampy anay hampitombo saina amin'ny any e. Ny anay moa dia ITY RESAKA MADAGASIKARA ITY IHANY NO MAHALIANA ANAY. Mety izay koa angamba no mahavizana. Mety hisy fiantraikany haingana ary mivantana amin'ny fandrosoan'i MADAGASIKARA ve ireo izao e? Sa ny ao antrano tsy voavaha fa ny an'ny sasany no hay dinihana?
6. HESHA ( 11/01/2008 13:03)
iza no mety hahitan i gasikara tombontsoa am reo ? zay zao no tokony ho tohanan gasy.
7. rabingogilabanga ( 11/01/2008 16:34)
manahy aho fa raha izay madagasikara, mety tsy ho hain'izy ireo akory,
nefa asa!
8. Jeankely ( 12/01/2008 02:33)
Izay indrindra nefa ny Malagasy tsy nahalasa alavitra an'i Madagasikara mihevitra fa ny momba andry zalahy no tokony dinihana lalina. Asa mety hoe any no hitady lalana ahatafita angaha? Ny Malagasy ihany no mahatafita an'i Madagasikara fa tsy ny olona any ivelany. Hevitra no arosony ary fanampiana fa anao ny mahatafita anao. FISAINAN'NY AFRIKANINA HONO DIA NY OLONA HAFA NO AHATAFITA AZY.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 4.9172