Tetikasa Telomiova (Internet, Malagasy mivelatra)

1. hery ( 07/01/2008 09:35)
Ny niandohan'ny tetikasa

Teraka taorian'ny fahitana ny zava-mitranga ao Antananarivo ny tetikasa Telomiova: ny fahitana ireo fitaovana fifandraisana amin'ny aterineto izay natao hampiasaina amin'ireo toerana izay noheverina tena mila izany, tahaka ny foibem-piofanana na koa ny trano famakiam-boky eny amin'ny oniversité, kanefa tsy misy mampiasa ka mety hafindra toerana na hoesorina mihitsy.
Ny zavatra tsapa rehefa halalinina ny ankamaroan'ny olana rehetra dia sakana voalohany indrindra eo amin'ny fifandraisana ny tsy fahampian'ny fitaovana sy ny enti-manantanteraka.
Ka ny finiavana hamantatra ny fototra sy ny anton'izany faharisarisana izany no nivoitra nandritra ny fihaonan'ireo malagasy mpitoraka blaogy sy mpifamoivoy eo amin'ny aterineto tao Antananarivo.
Isan'ny fanazavana naroso tamin'izany ny tsy fisian'ny fanadihadiana amin'ireny "toeram-pifamoivoizana amin'ny aterineto" ireny , ny tsy fahampian'ny fifandraisana mba hahafahana mampahafantatra izany amin'ny olona marobe, ny tsy fahampian'ny mpandrindra, ny fahatahorana ny tsy fahaizana hampiasa ireo fitaovana, ...
Kanefa raha samy fivoarana ara-teknolojia dia ny aterineto no hita fa fitaovana mahabe fanantenana indrindra entina hampandrosoana an'i Madagasikara. ka noho izany antony izany no nahatonga ireo mpifanerasera amin'ny aterineto sy mpitoraka blaogy malagasy hiray dia mba hanangana sy hifototra amin'ny tetikasa iray iombonana : ny tetikasa Telomiova.


Ny fanirianay


Ny tetikasa Telomiova dia miezaka hitondra ny anjara birikiny amin' ny :

- fandraisana anjara amin'ny fanapariahana ny aterineto, hampitombo isa ny mpampiasa azy sy hanoro-làlana ireo vao tonga eo amin'ity sehatra ity
- famporisihana hatrany ireo Malagasy - indrindra fa ireo tanora - hampiasa ny aterineto ho fitaovana hahamora sy hahatsara ny fiainana andavanandro mba hahafahan'izy ireo mampitombo hatrany ny kolotsaina sy ny fanabeazana
- fanampiana ireo sekoly manomboka amin'ny fanabeazana fototra ka hatramin'ny fianarana ambony, na an'ny fanjakana na tsy miankina, mba hahafahan'izy ireo mampiasa ny aterineto mba entina manatsara ny fampianarana
- fampisehoana amin'ireo izay efa mampiasa ny fifandraisana amin'ny aterineto ireo tombotsoa rehetra atolony mba hialana amin'ny fampiasana fotsiny ireo fahalalana fototra (mailaka, karajia, famakiana pejy ary ny fitsidihana matetika ireo toerana ambohi-pihaonan'ny mpiserasera)
- fandraisana anjara amin'ny fampiroboroboana ireo lohahevitra amin'ny teny malagasy eo amin'ny aterineto, ka hahatonga ity fampitam-baovao ity ho fitaovana fanehoan-kevitra na ho an'ireo Malagasy monina ao Madagasikara izany na ho an'ireo Malagasy miely patrana any ivelany.
- fandresena lahatra fa ny aterineto dia tena fitaovana azo entina mampandroso an'i Madagasikara.

Izany di hovoizin'ny fiaraha-miasa tsy an-tery fa vokatry ny fon'ireo Malagasy eo an-toerana, ireo zanaka am-pielezana, ary ireo mpiara-dia, na toeram-panabeazana izany, na ireo matihanina amin'ny fampivoarana ny fifandraisana sy ny fampahalam-baovao, na mpampiasa tsotra ny aterineto, na efa lasa lavitra izy na eo am-panombohana - izay manararaotra ny fotoana kely hananany hizarany ny traikefany, na koa ireo anatin'ireo Fikambanana nitsangana indrindra noho ny fampiasana ny aterineto


Ny azo tsapain-tànana

Noho ireo mpikatroka ao anatiny samy manana ny sokajiny , ny tetikasa Telomiova dia voatery miezaka hampirindra ny asa sy ny fahafaha-mihetsiky ny tsirairay, ka nifidy indrindra ny hampiasa sahady ety am-piandohana ity fitaovana resahina ity dia ny aterineto.

Eo am-panombohana dia mikasa izahay ny hanangana toerana misy :

- ny "wiki", mba hahafahna mandrafitra ny lisitry ny fiaraha-miasa sy manasokajy ireo rohy mety hahitana lohahevitra ilaina indrindra amin' ny fandaharam-pianarana malagasy.
Io "wiki" io dia ezahina ho toeram-pifandraisana noho ireo tolotra sy fanontaniana apetrak'ireo mpifamoivoy an-tsitrapo, ireo mpanabe ary ny fandraisana anjaran'ireo mpianatra.

- toeram-pianarana an-tendry lavitra, natokana hatrany ho an'ny sekoly rehetra hatramin'ny ambaratonga ambony, mba hanolorana "fiofanana mivelatra sy an-tendry lavitra". Noho ny fisian'ny fomba fitantanana ny fampianarana na ny tontolom-pampianarana virtoaly dia maro ny fitaovana isan-karazany azo ampiasaina ka hahafahana manangana na mametraka eo amin'ny aterineto fanazarana sy fitsapam-pahaizana, fitaovana hifandraisan'ireo mpampiasa izany, eny fa na dia ireo fifanakalozan-kevitra vita horonantsary aza rehefa tonga ny fotoana hahazakan'ny hafainganan'ny fikorianam-pifandraisana malagasy ireny horonana ireny.

Rehefa tafapetraka ireo fitaovana ireo, ka tena azo tsapain-tanana tokoa, dia haseho sy hovelabelarina amin'ireo izay voakasika mivantana. Izany dia arahana asa fampiharana, fifanomezam-baovao ary fifandraisana. Hisy boky kely fanoroan-dàlana hatonta amin'izany.

Hisy ihany koa fanamboarana horonantsary miendrika fampianarana. Azo ampiharina toa ilay tetikasa "6 milliards d'autres" (http://www.6milliardsdautres.org/) izay efa notontosain'ilay mpaka sary malaza Yann Arthus Bertrand izy io. Izany hoe hisy ny fanadihadihadiana santionan'ny mponina malagasy avy amin'ny toerana samihafa, tsy mifidy taona na fihaviana na firehana na fari-piainana mba hamantarana bebe kokoa ny fomba fiainana sy fisainan'ny Malagasy amin'ny ankapobeny.

Ny tetikasa Telomiova dia tokony handray anjara amin'ny :
- fampivelarana fikambanana misahana ny fitaizana amin'ny alalan'ny aterineto, mitovy endrika amin'ny tetikasa "School Net Africa".
- fanamorana ny fahefan' ny mpianatra malagasy hampiasa fitaovana tsara nefa tsy voafehin'ny olana ara-bola.
- fampisehoana fa azo atao tsara ny manatsara sy mampitombo ny haren-tsain'ny tsirairay avy amin'ny fifanakalozana iraisam-pirenena na tsy mivoaka any ivelan'i Madagasikara aza.

Vao manomboka ny tetikasa amin'izao fotoana izao, mbola eo andalam-panamboarana ny takelaka. Na matihanina ianao, na olon-tsotra, na Malagasy na tsia, dia antsoina daholo handray anjara amin'ity tetikasa Telomiova ity, na ho mpiara-miasa na ho mpanohana.

Telomiova: Internet, Malagasy, Mivelatra
http://telomiova.org
Fiara-miasa: http://abd.telomiova.org
novalian'i endrika01 ny 16/02/2008 16:50
2. fahamarinana ( 07/01/2008 14:25)
:arrow:bravo dia mahereza e,za moa tsa manan-talenta fa manohana ihany kah.(l)
3. ecampus ( 08/01/2008 21:59)
Tena lasa amin'izay ilay tetikasa! 8)
Misaotra an'ireo mpandika malagasy rehetra izay nandray anjara.
4. rakaroka ( 23/01/2008 20:45)
Mahaliana ahy sy mahavelom-bolo tokoa ity "projet" ity, fa mbola vao amiko moa dia mbola am-panarahana ny momba izany!
5. ikaretsaka ( 23/01/2008 22:54)
rakaroka> ndao hanangana habitat bedebe hasiana servera ary:-P
6. rakaroka ( 25/01/2008 14:52)
ikaretsaka:

rakaroka> ndao hanangana habitat bedebe hasiana servera ary:-P

Raha vitantsika sy Ika irery moa ka maninn::-P:wink:
Sady izaho io anie tsy dia hoe "fanatika loatra" fa misy seho tsapa hoe mitombina sy mitondra soa ho an'ny be sy ny maro dia izay no mahaliana e!...

7. ikaretsaka ( 25/01/2008 21:52)
marina mihitsy:-D
hatraty io
8. rakaroka ( 27/01/2008 19:45)
Heu.... fa raha nandinika ny zava-misy any an-toerana aho:roll: Toa sarotra anie ny accessibilitén'ny maro amin'ny net e. Donk ny "infra-structure" mihitsy no:oops::oops::cry::?:...
9. Rasiligaoma ( 28/01/2008 05:55)
"Ireo telomiova sy ireo dahlia toa hafa foko
fa tiako loatra ary koa tia ahy ilay vonin'avoko":-D:-D:-D
10. rakaroka ( 28/01/2008 15:11)
Rasiligaoma:

"Ireo telomiova sy ireo dahlia toa hafa foko
fa tiako loatra ary koa tia ahy ilay vonin'avoko":-D:-D:-D

:-D:-D:-D:-P:-D:-D:-D
Maro loatra ireo vony ao an-tsaha
tsy tambo isaina an...:wink:
Dia lé vonin'avoko no (l) iny indray no tsy hitako!
:-D:-D:-D

11. ikaretsaka ( 28/01/2008 21:08)
laisany kosa e

12. endrika01 ( 16/02/2008 16:50)
De ampio vonindraozy sy geranium é,io zany tonga @le hira iray zay am farantsay le izy an,changé le monde avec un bouqeut des fleures\"Telomiova\".Tena tsara le tetikasa sy vinavina,amzay koa any Ambanivohitray mbô misy aterineto,refa avy manangona mololo iny de manokatra ordi! Iiiide raha tsis herin\'aratra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3012