Fitsapana ve sa hetraketraka tsotra izao!

1. fetrakens ( 07/01/2008 06:32)
Tapaka ny jiro atsy, tapaka ny rano aroa, dia inona ihany koa zany no mbola hotapahina e!?
novalian'i Jeankely ny 11/01/2008 02:50
2. Jeankely ( 07/01/2008 09:06)
Tapaka sa notapahina? Tena marina ve fa ampy ny hery ahafana mamatsy Jiro amin'izao fotoana izao na mifanaraka amin'ny fitombon'ny mpampiasa sy mila azy ve ny fivoaran'ny fananan'ny Jirama? Nisy nilaza fa rehefa tonga ny Andry TGV ohatra dia voavaha ny Jiro tapaka ao Antananarivo Renivohitra ka nampitomboiny ve ny fananan'ny Jirama sa nolazainy ry zalahy hoe alefaso amin'izay ireo notapahana sa hoe aleo aloha ho tapahana indray. Izay zava-misy lazaina fa aza ampifendrofendroana ny olona. Rehefa mihitsoka koa ny Fiara satria kely ny lalana ary tsy afa-manidina dia lazao koa fa iza irery no tompon'andraikitra. Aiza ny andraikitrao ary ny anao ve nisy nanapaka sa mbola miasa tsara=))=))=)) sa misy mietraketraka
3. hari253 ( 07/01/2008 09:18)
nisy ny pblm fako zau efa presque resolue; zao ndray tapahany jirama pblm jiro sy rano (sans lettre de sommation io). za alo d sur fa ho voavaha an TGV io. Vita ndray io d mety hisy ndray ny oe ny hetra d tsy ho an commune urbaine tsony fa ho any etat d ny president ndray no hitsinjara ny vola ho an commune rehetra. Antananarivo @ io tsy ahazo na 1franc aza. Avy eo mety hisy ndray ny oe gadraina Andry fa nanao an zao sy zao (hamoronana dossier io an). tsy hay tsony izy ty d efa mankaleo tateraka mitsy e. Bon courage leisy ry tgv a
4. tontavao ( 07/01/2008 09:45)
Azony entina amin'izay tiany anaovana azy ny firenena satria tsy misy opposition matanjaka eto dia afaka manao izay danin'ny kibony izy.
Ho avy sahady indray ny fifidianana izay ho mpanolontsaim-paritra, esorina tsy misy indrafo ireo chef de region tsy nahomby tamin'ny fifidianana; tsy ampitenenina intsony ny pdt senat sao dia miteniteny foana .....
Tsy fitsapana izany no mahazo an'i TGV fa dia antsojay tsotra izao ataon'ny mpitondra.
Monmba ny jiro sy rano: Hendry ny vahoaka malagasy. Mahari-pery
izay no hamintinako azy.
5. Jeankely ( 07/01/2008 11:38)
Tokony hanao inona izany ary ooo? Maharipery sa misy fery tsy mety sitrana sa dontoana sa ahoana e? Nitondra nankaiza daholo ny fandaniana vodi-pataloha hatr'izay sa rangitina hiady antrano? Lazao izay mahamety hodinihana ary ooo.
6. vale ( 07/01/2008 12:52)
Dia hiady am Fanjakana izany, soso_kvt, manahirana, marina.....hummmmmmm:(
7. Jeankely ( 08/01/2008 03:36)
Ny zavatra anisany heveriko hadisoana lehibe nataon'ny mpitondra dia ny filazana hoe MISY NY VOLA FA NY HAMPIASANA AZY NO TSY HITA. Mba nianatra toe-karena kely ny tena ary mahafantatra fa tsy misy mihintsy izany fahafenoana izany. Tsy misy ny paradisa fa mila fenoana ny tsy ampy ary ny fahaizana mampiasa ny tsy fahampiana na ny kely ananana amin'ny zavatra tokony hatao na mendrika no izy. Izay no hiainan'ny daholobe. Ny karamanao tsy ampy fa anjaranao ny mitsinjara izany. Ny volan'ny fanjakana koa tsy ampy ka anjaran'ny fanjakana ny mitantana azy amin'izay mahasoa ny vahoaka sy ny ho avin'ny firenena. Tsy misy faly amin'izany JIRO tapaka izany angamba ary mamotika ny tenany ny manapaka jiro. Mba resao ny marina ary hampitomboy ny fahalalan'ny namana.
8. tontavao ( 08/01/2008 10:31)
Any andafy rehetra any raha misy zavatra tsy metimety dia mitokona ny vahoaka. Tsy midika akory izany fa hiady amin'ny fanjakana fa anjaran'ny mpanohitra izany fa kosa maneho ny tsy fahafaliana miaraka.

Ny miady amin'ny JIRAMA milanja sora-baventy no tokony hatao,FA NY TENA OLANA DIA TSY MISY MPITARIKA,nefa izay no hitako mahomby indrindra.
Mba nahita tamin'ny gazety ihany aho fa ny tany Port Bergé sy tany Antsiranana sy Sambava no efa nanao an'io nefa toa tsy lasa lavitra koa ilay izy.

Ohatra: tany Andafy tany dia resaka fanambadian'ny lahy samy lahy sy vavy samy vavy dia efa mirotsaka andalam-be ny olona nefa dia tena zavatra tsy faseho masoandro anefa izany.
9. Jeankely ( 09/01/2008 02:27)
Dia mitarita ary ianao e. Ny fanontaniako ery ambony tsy valianao. Raha mangataka sakafo ampy ny Raiamandreniny ny zaza tokana ve mitovy amin'ny zaza dimy na zaza folo mangataka sakafo ampy ka rehefa mitokona na mirotaka ve dia mahazo sakafo ampy? Mba valio. Manana FAMANTSIANA HERINARATRA mifanaraka amin'izao FILANA izao ve ny JIRAMA ary nanomana izany ve ny MPITONDRA NIFANESY sa inona no nataony? Hifampiaro sa hifamotika sa samy ahalala ny zava-misy. Izaho miteny dia nanary ny reniko, tapaka lalan-dra ary tena nila Jiro ny fikarakarana azy. Maty izy taty aoriana. Tafiditra tao ny resaka Jiro nefa tokony hitokona ve aho sa koa hifaly fa nilaozan'ny reniko. AOKA SAMY HIVELATRA NY FOMBA FANDINIKA. Ny fo ve no miasa? Hitondra mankaiza ny fanjakana koa anefa ny tsy fahaizana mamaha olana?
10. LazaDaddy ( 09/01/2008 03:14)
ramose tamin'izany fotoana:
Betsaka ny vola fa ny ampiasana azy (maizimaizina) no tsy (mbola) misy
11. Jeankely ( 09/01/2008 06:04)
Io voalazako io ambony io Ra-LazaDaddy fa io no tena hadisoana LEHIBE nataon'ny Mpitondra a. Tsy misy Paradisa izany ary na ny USA aza mbola manana mahantra sy misy olana fa tsy misy izany volabe izany. Manimba ary tena manimba toe-tsaina mihintsy ny fiheverana fa ny fanjakana dia manana izao rehetra izao ary afaka manantateraka izao rehetra izao araka ny heviny tiany tanterahina. Fa maninona no tsy misy fivoarana ny endrika hisehoan'ny Mpiasampanjakana ohatra raha be tsy hita laniana ny vola. Efa miezaka manintsy ny teny disony ry zareo ary milaza ny Filoha fa hafa ny FAMELABELARAN-KEVITRA SY NY ASA. Mila miasa mafy hoy izy vao mampiditra ary afaka hakarina ny karama sns...
12. tontavao ( 09/01/2008 12:33)
hoy raJeankely
Dia mitarita ary ianao e. Ny fanontaniako ery ambony tsy valianao. Raha mangataka sakafo ampy ny Raiamandreniny ny zaza tokana ve mitovy amin'ny zaza dimy na zaza folo mangataka sakafo ampy ka rehefa mitokona na mirotaka ve dia mahazo sakafo ampy? Mba valio. Manana FAMANTSIANA HERINARATRA mifanaraka amin'izao FILANA izao ve ny JIRAMA ary nanomana izany ve ny MPITONDRA NIFANESY sa inona no nataony?


Ny hamaliako anao dia izao: Par definition ny forumistes dia antokon'olona manana hevitra tsara fa tsy sahy miteny imasom-bahoaka (kanosa) noho ny antony maro samy hafa (ZAHO KOA AO ANATINY),ka nahoana aho no hirahinao hitarika inona??

Ny fanjakana dia natao hitady hevitra hampandeha ny fiainam-bahoaka na inona sakana na inona dia tsy maintsy itadiavany vahaolana izany. Ka ny vahaolana hitany hatreto dia ny Delestage, nefa anie ka misy dia misy tetika hafa azo atao é.

Mahita vola amina miliara ve izy hampiakarana chef de fokontany sy Maires aty Antananarivo tsy hahita vola hividianana Groupe marobe ohatra hampandehanana jiro rehefa tsy ampy intsony ny herin'aratra vokarin'ireo barrages misy ireo???

Ny any amin'ny province rehetra any groupe daholo no mampandeha ny jiro ka maninona Antananarivo raha ividianana Groupe matanjaka roapolo isaky ny arrondissement OHATRA dia anjaran'ny arrondissement sy ny secteur JIRAMA misy eo indray no mampandeha an'ilay milina avy eo fa tsy ankinina intsony amin'ny JIRAMA foibe???

Vola re misy fa ny hevitra ampiasana azy no tsy misy é.

Ny fitokonana no tsara indrindra dia ho taitra izy mianakavy na dia ho fanomezanao voninahitra ny reninao maty fotsiny aza (miala tsiny mamoha fota-mandry). Ka iza anefa no afaka hitarika??
13. Jeankely ( 11/01/2008 02:50)
Misaotra betsaka fa ny lasa moa tsy afaka miverina. Ny hany tsy hitovizany ary tsy hifakatratraran'ny hevi-tsika dia ny filazanao eo ambony hoe ny "Vola re misy fa ny hevitra ampiasana azy no tsy misy é."Ny fantatro dia tsy misy izany fahampiana feno izany fa ny tsy fahaizana mampiasa ny kely ananana angamba no mitombona. Ny vola tokony maketsy lasa mankaroa nefa izay ilay safidy ka anjarany ny maneho fa tafavoakany na tsia ny baolina. Ny tsy mahatafavoaka aloha tsy maintsy miaindry ny andro anoloan'ny vahoaka azy na ho ela io na ho aingana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0862