Heroda sy ny majy

1. ari.malala ( 07/01/2008 05:16)
Manahoana daolo, misy zavatra tsy azoko hoa t@ majy nitady an'i Jesoa e, tonga tao @ Heroda ry zareo de hoe aiza ny mpanjakan'ny jody vao teraka, de namory ny lohandohan'ny mpisorona i Heroda de tonga d nanontany hoe aiza no hahaterahan'i Kristy. Dia ny tsy azoko de zao, i Heroda nga mino sa nahalala hoe izany mpanjakan'ny Jody vao teraka izany no Kristy?
novalian'i fijo ny 09/01/2008 22:49
2. cutie ( 07/01/2008 05:22)
efa fantany mialoha zany :)
3. niryna ( 07/01/2008 06:41)
ari.malala:

Manahoana daolo, misy zavatra tsy azoko hoa t@ majy nitady an'i Jesoa e, tonga tao @ Heroda ry zareo de hoe aiza ny mpanjakan'ny jody vao teraka, de namory ny lohandohan'ny mpisorona i Heroda de tonga d nanontany hoe aiza no hahaterahan'i Kristy. Dia ny tsy azoko de zao, i Heroda nga mino sa nahalala hoe izany mpanjakan'ny Jody vao teraka izany no Kristy?

Ity aky sao dia mba manampy andry a :D

http://baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=2&andininy=1-21&dika=
8 Ary nisy mpiandry ondry tamin'izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin'ny alina.

9 Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy.

10 Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izany ho an'ny olona rehetra;

11 fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo.

......21 Ary rehefa tapitra ny havaloana, ka hoforana ny Zaza, dia nataony hoe JESOSY ny anarany, araka ilay nataon'ny anjely, fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo Izy.Lioka 2

http://baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=2&andininy=1-23&dika=
Baiboly Malagasy: MATIO 2:1-23

1 Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an'i Jodia, tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe:

2 Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan'ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.
3 Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin'i Jerosalema rehetra
......
11 Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany ; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora.



12 Ary rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy tsy hiverina any amin'i Heroda, dia làlana hafa no nalehany nody ho any amin'ny fonenany.

13 Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanao hoe : Mifohaza hianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.
......
16 Ary nony fantatr'i Heroda fa voafitaky ny Magy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazalahy rehetra hatramin'ny roa taona no ho midina, izay tao Betlehema sy tamin'ny manodidina rehetra araka ny andro izay nofotorany fatratra tamin'ny Magy.Lioka 2
4. ari.malala ( 07/01/2008 08:07)
niryna, efa hiako tsianjery io tantara io fa ny tiako ho fantatra d hoe efa hain'i Herida v hoe i Jesoa ilay zaza vao teraka notadiavin'ny majy no Kristy, sa iza no nanoro azy an'izay zavatra izay... ts mamaly ny fanontaniako ianao
5. hery ( 07/01/2008 09:20)
I Heroda dia mpanjakan'ny Jiosy. Izany hoe nahalala tahaka ny Jiosy rehetra hoe ho avy ny Mesia fa tsy fantatra hoe oviana na aiza.

Ny Mpanjakan'ny Jiosy rehetra tamin'izany fotoana izany koa dia samy matahotra daholo hoe izany Mesia izany no ho lasa mpanjaka.

Mino izany izy fa ho tonga ny Mesia ary ho mpanjaka izy.

Koa raha vao tonga ireto majy nanontany hoe aiza ilay "Mpanjakan'ny Jody" vao teraka dia tonga dia azony antsaina hoe mety ho ilay Kristy (Mesia) izay. Mbola nisalasala izy fa avy eo nasainy nojerena ny faminaniana taloha dia nony hoe ao Betlehema izay izy vao tonga saina.

6. rabilabila ( 07/01/2008 09:29)
ari.malala

Voalohany:

-Jereo aloha ny toeran'i Heroda teo anivon'ny Jiosy.
-Aza adino fa ny Jiosy dia niandry ny mesia
==> Ka raha nisy nilaza taminy fa teraka ny mpanjakan'ny mpanjaka dia inona no mety ho vokany ?
**na izy manaiky .
**na izy mandà fa mbola te-hitazona ny toerany satria ho an'ny Jiosy sasantsasany dia efa izy ilay mesia.
Io faharoa io no nitranga .

Raha manampy dia vakio ny boky nosoratan'i Flavius Joseph fa izy no tena nandrakitra an-tsoratra ny tantaran'i Heroda.
Ps: Tsy misy resaka fahamarinana na tsia ny zavatra lazaiko fa mitantitra ny tantara nisy fotsiny aho.
7. ari.malala ( 07/01/2008 11:12)
Misaotra betsaka hery sy rabilabila a
8. prime ( 07/01/2008 13:02)
Tena mahavaly azy tsara ireo nambaran'i hery sy rabilabila ireo...

Fa ny tena natahoran'i Heroda dia ny ho very toerana satria tena maminy io toerana naha-mpanjaka azy io...

rabilabila> misaotra fa tena tsara vakiana io boky nosoratan'i Flavius Joseph io...
9. ari.malala ( 07/01/2008 13:56)
prime, ie, io heroda nataotra ho very toerana io efa fantatro, fa ny nahalasa saina ana d le tonga d ohe aiza no hahaterahan'i Kristy, tena ohatran'ny hoey fantany personnellement le Kristy d ozy ah hoe nisy nanoro anazy aza v, hay moa ka izany le izy io efa voazava io de efa azoko fa misaotra!
10. xxx ( 07/01/2008 14:18)
ari.malala:

Manahoana daolo, misy zavatra tsy azoko hoa t@ majy nitady an'i Jesoa e, tonga tao @ Heroda ry zareo de hoe aiza ny mpanjakan'ny jody vao teraka, de namory ny lohandohan'ny mpisorona i Heroda de tonga d nanontany hoe aiza no hahaterahan'i Kristy. Dia ny tsy azoko de zao, i Heroda nga mino sa nahalala hoe izany mpanjakan'ny Jody vao teraka izany no Kristy?



izay no namoriany ny lohandohan'ny mpisorona , nanontany hoe kôpy an'izany ve nareo ?
11. xxx ( 07/01/2008 17:23)
Arimalala a! ty misy mba fanazavako kely , vakio tsara ny tantara fa i Heroda dia tsy jiosy fa mpanjanaka Romana izay napetraky ny fanjakana romanateo Sezara zany tsy misy hifandraisanio @ ny mpisorona ao @ tempoly tao jerosalema mihitsy fa Heroda dia nisaha ny fanjakana sy fandohavanketra sy nomba ny mponina ny mpisorona tao @ tempoly t@ izany dia ny dadan'i Jaona mpanao batisa , ny magy dia nampahafantarin'Atra t@ alalan',y kintana fa hisy mpanjaka ho teraka de nanaraka ny kintana ireo de nahalala fa ao jerosalema izany de lasa izy nanontany an'i eroda , de diniho @ izay
12. rabilabila ( 07/01/2008 21:47)
fanamarihana kely fotsiny :

Raha dinihina ny tantaran'ny Jiosy dia efa Jiosy i Heroda ( depuis 3 genérations raha tsy diso ny tadidiko ny conversion ),Jiosy fivavahana izy izany fa ny fihaviany dia iduméen avy amin'ny rainy ary nabatéen avy amin'ny reniny ;fa ny Romains no nametraka azy teo amin'ny fanjakàna ,ary nampihariny koa ny lalàna romana .Izay no tena tsy handraisan'ny Jiosy azy ho tsy tena Jiosy fa vahiny saribakolin'ny romana.
13. niryna ( 08/01/2008 08:04)
ari.malala:

niryna, efa hiako tsianjery io tantara io fa ny tiako ho fantatra d hoe efa hain'i Herida v hoe i Jesoa ilay zaza vao teraka notadiavin'ny majy no Kristy, sa iza no nanoro azy an'izay zavatra izay... ts mamaly ny fanontaniako ianao


ka izany no antony nasiako namakian-dry azy ny tantara ao amin'ny baiboly nomeko io .:D
Ilay magy no tonga tany amin'i heroda ary dia matin'ny tahotra i heroda satria hisy mpanjaka vaovao.Izany no nahatonga azy hiantso ireo magy ireo tao amin'ny mangingina ho fitahiny,izay ilay tantara nasiako novakiandry.Nasainy nijery an'izany mpanjaka vaovao izany izy ary nasiany niverina fa mba hiankohoka aminy koa hono izy.Izay ihany koa no mahatonga antsika miteny hoe any amin'i kristy irery ihany no miankohoka )) kely io an Fantatr'Atra anefa izany dia naniraka ny anjely izy hitondra ny zaza hitsoaka,
14. fijo ( 09/01/2008 22:49)
efa nahay ilay resaka izy ry ari an,de nony naheno vaovao dia tonga ilay tsiahy hoe :"izay izany ilay izy."izay no nahatonga azy hiteny hoe ilay kristy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4401