Gasy any Kenya

1. hery ( 05/01/2008 07:21)
Mafanafana ny ao Kenya ao andro vitsivitsy izay. Omaly maraina aloha mba heno hoe nilamindamina. Asa manao ahoana daholo nareo Malagasy ao? Misy fantatro vitsivitsy fa dia mitondra anareo am-bavaka e.

Zandrinay aloha efa mba henoko ihany hoe tsy maninona.
novalian'i dadasy ny 01/03/2008 16:47
2. tsiambaratelo ( 23/01/2008 13:58)
Mbola sahirana ry zareo dia tsy afaka mamaly an\'i Hery é,zaho indray manana corres any Tanzania andeha hoany Addis Abeba ry zareo mandrapa alou,ny Malagasy tsy dia mahalala aho.
3. ronaldo09 ( 14/02/2008 13:14)
Hay mba misy gasy any Kenya???
4. sorom ( 29/02/2008 07:30)
sali sali Hery sy ny vahoaka an!

Efa plus ou moins milamina ihany zany ny tanana eto izao fa dia misaotra antsika rehetra amin'ny soucis ho anay e: vita sonia omaly ihany ny fifanarahana entre les antagonistes fa dia ho hita eo ny tohiny...

Efa nijanona ny habibiana sy ny herisetra, na dia mbola misy spots vitsivitsy misy violences ihany aza. Izany indrindra anefa no tena isaoranay anareo manohana sy mivavaka ho anay Gasy eto.

Ny fiarahana aloha eto dia mbola milay foana e! Nangina kely nandritra ireny fotoana nafana ireny fa izao efa miverina amin'ny laoniny indray ny Gasy rehetra manala azy eto :)

merci dia mazotoa zalahy a! Azafady fa elaela kely tsy hita fa vetivety dia hitanareo indray e, sa ahoana ra Hery :)
5. dadasy ( 01/03/2008 16:47)
de tsy analana tsy anampiana intsony io zava-boalazan'i Ra-sorom io, fa de efa milamindamina ny tanana eto izao. Efa handeh hody ary ireo olona nitarika ny fifampiraharahana. Ny gasy eto efa milamina, avy nanao daomy kely zao zahay ambakan-dry ra-sorom androany hariva mba nanala azy kely fa vizaky asa aman-draharaha! de mirary soa antsika rehetra e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2678