ARAHABA TRATRY NY TAONA 2008 E! NA IANAO NA LEIRY

1. fetrakens ( 04/01/2008 07:24)
:lol:Arahabaina daholo aloha nahatratra ity taona vaovao ity indray e! dia samy hifankahita eto indray isika rehetra na ny mpanohana ara-politika na mpisolelaka ara-politika na tsy miankina e:lol:!
novalian'i Jeankely ny 11/01/2008 02:42
2. Aino ( 04/01/2008 09:43)
:-*dia miarahaba naoa ihany koa ary samy tratriny ho avy anie;)
3. Jeankely ( 04/01/2008 09:52)
Ny marina sy diso anie tsy misy afaka mitompo tena fatratra amin'ity Politika ity. Indrindra fa ny Politika Malagasy. Hafa ny ao ambava; hafa ny atao ary hafa vao manomboka; hafa eny andalana hafa ny farany. Izay mbola mihevitra ny heviny hampandroso na mifanipaka aza ny fomba fijery dia samia ahatafavoaka amin'ny heviny fa ireo mitetika ny hanao vinany sy handrendrika ny Firenena kosa dia tsy maniry azy aharitra ny vahoaka angamba.
4. rabaradaka ( 09/01/2008 11:37)
Arahaba daholo nahavita soa ny taona. Nolazaina fa tsy hijanona ela amin’ny fitondrana I Ravalo. Zao no marinamampitaha ny taona nijanonan’I dadatoa Deba teo amin’ny toerany izy fa eba nahavita 25 ans izy kosa hanao 15 ans fotsiny. Izay io resaka io fa anjarantsika no misaina. Raha amin’ny maha TIM ny tena dia efa karazan’ny ho rava tsy ho ela ihany ity fitondrana ity. Tsy mandainga I rabaradaka fa avo lenta loatra ny analyse asehoko ka tsy takatry ny sain’ny sasany mpino fotsiny ihany na dia efa I TGV aza no maire.
5. Jeankely ( 11/01/2008 02:42)
Asakasakao TIM mahita ny faharavany. Ho anay tsy TIM fa olon-tsotra dia ny firenena tsy mandroso ary mety ho resy lava mihoatra ny firenena hafa no maharepotra ny sainay. Tsy misy handanianay rondoa mihintsy na TIM ianao na tsia satria sady tsy sakafo hanina ny maha-TIM anao no tsy hery entina hiasa. Madagasikara anay ary io no mahasaritiny anay fa na hiala aza ianareo tsy dia midika fa MADAGASIKARA=TIM
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0658