MIT open course-ware

1. penina ( 03/01/2008 20:42)
Mety efa malaza fa mety misy tsy mahalala dia atoroko ihany.

Ny style Gasy dia hoe omena bourse ny mpianatra mba amporisihina azy hianatra. Dia fanampin'izay dia koa hoe: aleo izay tia hianatra dia afaka mianatra fa tsy izay manam-bola ihany.

Ny firenena Amerikanina dia iaraha-mahalala fa laibany be. Mandoa vola (daholo), ny ankamaroan'ny mpianatra amin'ny Universite, hafa tsy ny vitsivitsy ihany. Sady tonga dia mahamay be. 28 milles dolara ohatra isan-taona.

Fa ity, ny MIT dia manohana ilay filozofia hoe izay tia hianatra dia omena chance fa tsy atao ho an'izay laibany ihany. Dia ny leson-dry zareo ataony azo telechargena gratuit ao amin'ny page web-ny. Be dia be. Tsy misy diploma azo anefa fa mianatra fotsiny an hahaha.

Ho an'ireo bosista nefa minday, minday fihogo, tratran'ny grevy ireny.

dia mazotoa :wink:
novalian'i Papoose ny 20/01/2008 02:20
2. simplex ( 04/01/2008 18:36)

tsara le initiative, satria hoe finiavana te hanaparitaka fahalalana ilay izy ary tsy misy diploma zaraina.

Ra misy diploma zaraina dia tsy mampande ny ekonomia indray sady lasa baranahiny be. "la gratuitE ne vaut rien", jereo fotsiny ny antsika. Tokony havadika handoavam-bola ny oniversite. Izany hoe avadika tsikelikely ny system fa tsy tonga dia atao brusque be, moa koa tokony asiana an'ireny systeme ana fampindramam-bola, student loans, ireny ihany koa.
3. simplex ( 04/01/2008 18:50)

za nge T1,T2,T3... tonga d teny Ankatso e

;-)
4. pissoa ( 04/01/2008 19:36)
hi hi hi - tsara ny MIT. Tsy ny MIT ihany no manao azy io fa misy hafa koa :-P

PS (ilay resaka vatsim-pianarana) :
ny fahitako ny antsika dia tsy hoe "omena bourse ny mpianatra mba amporisihina azy hianatra" fa hoe "omeko bourse izay te ho any amin'ny anjery manontolo sao dia haongany aho", izany hoe mifangaro politika :-D

dia mety marina koa hoe "aleo izay tia hianatra dia afaka mianatra fa tsy izay manam-bola ihany", fa tsy izay nefa no tena mitranga avy eo (raha ny fahitako manokana) fa lasa hoe "izay te hahazo vola dia mody manao inscription sy mangataka bourse". (izany hoe misy tsy te hianatra akory, sady tsy mianatra mihitsy, fa mahazo vola ihany) :(
5. niryna ( 04/01/2008 20:21)
penina:

Mety efa malaza fa mety misy tsy mahalala dia atoroko ihany.

Ny style Gasy dia hoe omena bourse ny mpianatra mba amporisihina azy hianatra. Dia fanampin'izay dia koa hoe: aleo izay tia hianatra dia afaka mianatra fa tsy izay manam-bola ihany.

marina tokoa izany fa misaotra anao :-*
ary ny bourse andeha ho aty ivelany? izy mianakavy ihany no manao izay mahamety ny havany ao,izany hoe ny avo ihany no lasa fa ny mahantra dia eo ihany.
Ilay bourse eo an-toerana angamba io e.Na izany aza toa misy tsy mahazo ihany koa.Tolona ny fiainana e


Ny firenena Amerikanina dia iaraha-mahalala fa laibany be. Mandoa vola (daholo), ny ankamaroan'ny mpianatra amin'ny Universite, hafa tsy ny vitsivitsy ihany.
efa novaliako ity any ambadibamdika any e.Mandoa vola daholo tokoa araky ny karaman'ny ray aman-dreny (mizara telo ny sokajin'ny olona mahantra,antonony ary manan-karena)Ny mahantra dia mahazo fanampiana amin'ny fanjakana ary tafiditra amin'izany ny reny mananontena,sy ny olona tsy miasa.Ny sakafo any am-pianarana mihinana fotsiny,ny bus maka azy eo am-baravarana,vakansy dia mandeha toerana maro tsy mandoa vola sns.
Ny antonony izay noheveriny fa ampy kanefa sady tsy kilasena ho mahantra kanefa tsy mpanan-karena ireo no tena mitondra ny entam-be tsy mitapaka,arak'izany atao hoe mahantra tsia ,atao hoe mpanan-karena kanefa tsy any mihitsy ,dia ireo no mandoa vola,tsy mahazo fanampiana ny zanany ,ary dia ireo no kilasy saika betsaka.

Sady tonga dia mahamay be. 28 milles dolara ohatra isan-taona.

Misambotra vola ny ankizy ka,ary mamerina azy io rehefa vita ny fianarany,lasa avo roa heny io ary raha mba manana vola ny rar dia aleo tonga dia aloha na mbola kely dia efa manangona vola hianaran'ny ankizy fa mazana be ny mandoa ilay vola.
Ny hoe tonga dia mahay be indray dia ampy ara-pitaovana ny ankizy,tsy mitady sakafo ny rar fa any am-pianarana no misakafo ny ankizy.Aiza izany mangahazo izany fotsiny no nohanina fahiny?
Ny boky sy ny fitaovana dia ari-fomba avokoa fa ny ankizy dia misy ny kamo raha tsy arahana maso,ny zanaky ny vahiny kosa dia mahay ary tena mitana ny loha-laharana mihitsy,tafiditra amin'izany ny zanaka malagasy,isika mahay matematika sy fizika ary mahay teny anglisy satria efa niainana ilay izy ary ny teny anglisy dia mianatra dia mahay,ny olona sasany maro loatra ny kilalao ary toa tambazana amin'izao rehetra izao ka tsy dia hitany izany hasarobidin'ny fianarana izany.

Raha mbola azo atao dia mianara ihany fa mafy izany te-hianatra kanefa tsy afa-manoatra izany noho ny fahantrana.Izaho no anisan'izany saingy ny fiainako dia nankiniko tamin'Atra ary Izy no nanavotra ahy ,nahazoako mizara ny filazan-tsara satria fantatro fa misy Izy ary velona sy marina ny teniny rehetra.Ankino aminy ny fiainanareo izay vao hisondrotra fa tsy afaka na mahavita tena isika na manambola be aza.
Mazotoa mianatra daholo e,aza mitarehidretra fa mandalo vetivety ny fahatanorana. :-*


Fa ity, ny MIT dia manohana ilay filozofia hoe izay tia hianatra dia omena chance fa tsy atao ho an'izay laibany ihany. Dia ny leson-dry zareo ataony azo telechargena gratuit ao amin'ny page web-ny. Be dia be. Tsy misy diploma azo anefa fa mianatra fotsiny an hahaha.
raha izaho izao aza ve no mbola misy fianarana tiako atao tsy tonga aho dia manao sy mi klik fontsiny.Efa omeny fotsiny izany dia ataoko ao anatin'ny KSA rehefa hitady asa!

Ho an'ireo bosista nefa minday, minday fihogo, tratran'ny grevy ireny.
io no tsy hitovizan'ny firenena ,ny amerikana tsy dia mandany andro amin'ny grevy izany ny mpianatra fa variana amin'ny filalaovana basikety izy,lany tokoa ny andro anie raha hi-grevena daholo izay tsy mety e. Izay no tsy hitovizany,ny iray ihany koa dia vola daholo izay mandeha fa tsy misy kidoan-drano na misy tsolitra etsy na eroa.
God bless America na hoe Atra miharo ny Amerikana.Io dia maintso mavana sady mahavokatra daholo ny ankabeazan'ny tany raha mba toy izany moa ny any amintsika dia asa angamba.Fa misy moa ny lesoka,manary sakafo,tsy mba mifaly amin'ny fahasoavana nomen'Atra fa mihinana,mihinana any ka ngezabe daholo ny olona.:cry: dia miditra indray ny mpitady vola fanaovana fanenana tena 8O




6. sipagasy ( 06/01/2008 09:57)
fitadiavana daholo ny fiainana e! ary tsy mety afa-po isika olombelona!!!!!
7. LazaDaddy ( 07/01/2008 06:30)
efa malaza
sady taranja tsy feno sy tsy dia misy tsiambaratelo no apetrany ao :)
8. Papoose ( 20/01/2008 02:20)
mba asio fanazavana misimisy hoe zany taranja tsy feno sy tsy de misy ambaratelo zany ry laza fa tsy azoko?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1072