miarahaba ny mpisera politika tratry ny taona 2008

1. ravatorano ( 02/01/2008 06:29)
faly miarahaba antsika namana rehetra mpiditra sy mpiserasera eto amin'ity lohahevitra politika ity tratry izao taona vaovao izao.
Enga anie hitondra fahasalamana,fahombiazana,fahasambarana aryfahasoavana ho an'ny tsirairay avy izany !
=D=D=D=D
^:^^:^^:^
:-*:-*

ravatorano

novalian'i Jeankely ny 06/01/2008 07:05
2. Jeankely ( 02/01/2008 06:52)
Misaotra anao ary maniry ano ahatanteraka izay tianao tratrarina ihany koa. Eo amin'ity resaka politika ity moa dia resaka Firenena no tena voaresaka noho izany dia maniry ny handroson'ny Firenena mba tsy ho gisitra ka ny Malagasy ihany no mandrabiraby an'i Madagasikara rehefa mahazo vahana amin'ny asa ataony ivelan'ny Nosy.
3. ravatorano ( 02/01/2008 10:39)
enga anie ka hahita fitomboana ny harin karem pirenena amin'ity taona ity
mba ho tonga saina daholo ny mpitondra isan tsokajiny rehetra amin'ny fampandehanana ny fampandrosoana an'i madagasiakra ary koa mba hiada-mpinaritra ny vahoaka malagasy e !
=D=D=D
4. Jeankely ( 02/01/2008 13:09)
Ny ahy indray aloha na tsy Mpitondra aza aho dia tsy izy ireo ihany no tokony ho tonga saina fa ny vahoaka rehetra. Raha vahoaka mahalala ny ho aviny tsy afaka arirarian'ny Mpanao politika 24h rehetra izao.Ny fampiakarana ny sain'ny olona handinika sy ahalala ny andraikikiny sy ny zony no tokony himasoana fa tsy ny resaka Mpitondra Mpitondra io foana. Io mipitika ho azy ny Mpitondra godraka raha vahoaka feno fandinihana fa tsy voavidividy sy voatambitamby na variana @'ny eo ambany maso sy mahamaika eo ihany.Ny ho avin'ny taraka amanjafy no jerena fa tsy ny mahamaika eo no eo ihany.Mba zarao ny milay ny vahoaka fa aza fahanana firaviraviantanana e. Hakaro ny herintsainy hiady fa tsy hiandry Mpitondra izay hazera atsy ho atsy.
5. fijo ( 02/01/2008 21:23)
miarahaba razoky an,de mirary resaka mba misy ventiny kokoa eto,fa tsy le resaka miraraka lava ireny e
6. Jeankely ( 03/01/2008 09:35)
I Ravatorano ve no miraraka ny rano sa Jeankely no manao vary raraka ry fijo?
7. ravatorano ( 03/01/2008 10:05)
:-D:-D:-D:-D:-D
miraraka less ra jeankely ny ranoko ah
fa ny an dra fijo ny vatony mihisy no raraka e
:-P:-P
8. Jeankely ( 03/01/2008 11:34)
Izany kosa ve tsy lasa vatofotsy. Tsy tafiditra na tsy voaisa izany fa asa very raraka?=))=))=)). Ary ny ranonao mba ahoana=))=))=)) Taona vaovao an
9. akama2006 ( 03/01/2008 13:20)
tratra ny taona e!:-*
10. Jeankely ( 03/01/2008 13:46)
Salut ny akaitra. Amin'ny manaraka mitorajofo ihany ka.
11. fijo ( 03/01/2008 22:15)
tsy ianareo ka,fa misy namana eto tena manao resaka tssssssss
12. Jeankely ( 04/01/2008 02:26)
Ok fijo. Ilay resaka tssssy izy aloha tsy tokony avela hanarampo sao ireny indray no sahala ny mahazo vahana nefa manimba ny toetsaina entina miady amin'ny fianana. Mila hakarina hatrany ny herimpon'ny olona fa tsy rerahana amin'ny fanakiviana sy fandrabirabiana lava izao. Rehefa mba omena ny hafatra ry zalahy mibabababa nefa ny Malagasy iray manontolo no hitsahany. Aza amelana fa manimba ny tany sy ny taranaka ho avy.
13. tenagasy ( 05/01/2008 19:30)
MANKAMAMY OH!

VITA SOAN'NY KRISIMASY ABY E!

DIA TRATRA SOAN'NY TAONA VAOVAO 2008 IHANY KOA!

SAMY HO TAHIAN'ANDRIAMANITRA!

MIRARY SOA!
14. Jeankely ( 06/01/2008 07:05)
Mirary soa ny mpanao soa ary ny mihevitra ny hanao soa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8277