Ny fitiavana ihany no maha-solo fitiavana.Andramo 2008

1. niryna ( 31/12/2007 06:51)
Raha tsy isika no mizara izany fitiavana izany dia tsy afaka ny ahazo fitiavana avy amin'ny hafa.Ny fitiavana ihany no manasitrana fitiavana.Tsy vidiam-bola,tsy ilaina harena,tsy mifidy tavan'olona.Zarao ny mpiara-belona anao izany fitiavana izany.Mitsiky anie amin'ireny olona mototra be ireny raha tsy misokatra ho azy ny vavany e.Hiarabao ny manodidina anao fa lasa miresaka sy misarika aminao izy ireny avy eo.Mitady izany fitiavana izany daholo isika rehetra.Ny fitiavana atolotra ny olona ihany no mivaly aminao.Atao ahoana tokoa moa ny hitia olona raha tsy ao am-po ilay fitiavana?
Andramo ny miaraka amin'ireny olona manana toetsaina tsara ireny,tia hanana fitiavana madio hianao? fiaraha-monina salama? toe-tsaina milamina?
Ny tenanao aloha andramana voalohany,andramo ny mitia ny tenanao.Tadidio fa nataon'Atra ety an-tany isika noho ny antony maro,anjaranao ny mizara izany fahasoavana nomeny izany.Ary iray ihany isika fa tsy misy mitovy,noho izany dia tsy hary hitovy amintsika daholo ny olona.Afaka mizara izany fitiavana izany anefa hianao satria samy miandry ny ho tiavina daholo isika. "Tsiky dia ampy" :D:D

Raha olona manana toetra sy mijery lafitsara foana no miara-miaina na miara-monina amintsika dia mandray sy mianatra izany koa isika.Fadio ny miaraka ireny olona negatif be ireny,tsy manantsaina afatsy ny tenany ihany,ratsy daholo izay rehetra manodidina azy. Mahita lesoka ny hafa foana,variana mifosa eo dia mitatra ny resaka,avadio haingana na hiala lavitra fa mamindra ilay izy.

Ataovy fanandramana ireo lazaiko ireo amin'ny taona 2008.Sahy hianao,hanova ny toetra ratsy taloha? :D
Fehiny: Ny moto-dava mampihena ny andro hiainana
Ny mitebiteby lava mampa tsy vanok'olona.
Ny mialonalona lava mahatonga antsika tsy ho tia ny tenantsika intsony.
Ny tezi-dava mahatonga antsika hikentrona sy hiteraka aretina ao anaty(cancer dia mampitombo io aretina io raha tezi-dava ilay marary)

Ny fitsikiana? mahalava andro hiainana,madio ny ao am-po,tsy mitana alahelo ny hafa,mamosaka ny alahelo, ary manalavitra ny kentrona amin'ny tava
:D

SAMY HO TRATRY NY TAONA 2008 ISIKA REHETRA,MANANTENA AHO FA HITARIKA TOETRA TSARA SY FISAINANA MADIO ARY FO MILAMINA ANIE ITY TAONA HODIAVINTSIKA TSY HO ELA ITY. :-* Ataovy ny fanandramana dia ho fantatrao ny tiako lazaina
:D

(l)NIRYNA

répondu par menvasoua le 01/02/2008 09:01
2. tsoupou ( 02/01/2008 06:33)
Marina daoly zany lazain-toi zany.
Za zao tena vô maika tiko be ny tenako fa tsy hoe tia tena za akory an. Détiko daoly ny manodidina ahy :D :) , dé mbola te hizara anlé fitiavana be ananako ary za fa otran tsisy pitia lé izy ko :( :(
3. mino ( 03/01/2008 08:43)
:D
Misaotra fa tsara be ilay torohevitra
4. nandrianina1 ( 03/01/2008 13:54)
tsoupou:

Marina daoly zany lazain-toi zany.
dé mbola te hizara anlé fitiavana be ananako ary za fa otran tsisy pitia lé izy ko :( :(


de mbola apiko eo le tia namana b reny ihany no votositosik avy eo f ataony olona havako ra misy patsa fotsin=((
5. menvasoua ( 01/02/2008 09:01)
marina daholo ireo torohevitra ny niryna ireo, ary hisaorana azy fa mampitombo ny fitiavana kely izay efa ao anaty .
ny hanampiako azy angamba de ny hoe tena fitiavana ihany koa ny mivavaka ho any olona izay manodidina anao na aiza na aiza no misy anao ,mba hanampitiavana koa izy ireny , de ilay fitiavana arakan' Andriamanitra fa tsy ho fitiavana diso toerana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0364