Ahoana no havalinao an'ity?

21. niryna ( 29/12/2007 08:21)
hery:

Na dia ny didy folo aza dia efa misy ohatra hoe "Hajao ny ray amandreninao"... fa tsy mihanona fotsiny amin'ny hoe "Aza man..."


ka io ilay hoe aza manao an'izao io anie efa naravin' i kristy e.
Nampianariny ny mpianany mikasika ny didy folo ary dia notohizany hoe Tiava an'i Jehovah Atrao amin'ny fonao rehetra,ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra:arrow: aza manana andriamanitra hafa fa jehovah Atrao irery ihany no tokony ho tiavinao sy hiankohonanao.
Ary dia noteneniny ihany koa hoe tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Fitiavana,fitiavana no nasetriny sy nampianariny ny mpianany ary tokony ho ampiharin'ny kristiana rehetra:arrow: Ahoana tokoa moa no hitiavana ilay 'Atra tsy hita maso raha ny olona hitan'ny masontsika azy ankahalaintsika?
Mbola nampianariny ihany koa hoe ny didy folo milaza fa aza mijanganjaga,izaho kosa milaza fa na dia mijery ka mitsiriritra ao am-po ny olona hianao dia efa fijanganjangana izany.
Maro...Ny tehamaina amin'ny takola havia ,omeo ny havanana,ny finoana sasany mamono izay tsy mpino mitovy azy ,nampianariny hoe mivavaha an'ny fahavalonao. sns
Fehiny : kristy no loharano velona ka izay manaraka azy no atao hoe kristiana,raha mifanohitra izay lazainy na fivavahana inona izany na finoana inona izany dia tsotra ny hafany :arrow: na miaraka Aminy na tsy miaraka Aminy.
Raha tsy te hiaraka aminy moa dia tsy ho voavonjy ny fanahy :arrow: tsy mila manao na inona na inona intsony fa efa ao anatiny.
Raha mbola te ho voavonjy moa ny fanahy dia mila mifandahatra Aminy.
Amin'ny fomba ahoana?

22. niryna ( 29/12/2007 08:23)
LazaDaddy:

prime> misaotra fa miombon-kevitra aminao aho eto.

hery>
1) Tsy mitovy mihitsy ny famaritana ny "fahotana" sy ny "ratsy" na dia mety ho misy fifandraisany aza. Ka raha ilay fanontaniana iadian-kevitra eto dia resaka "fahotana" fa tsy "ratsy".

2) Ekeko ilay teninao manambara fa fahotana ihany koa ny tsy nanaovana izay zavatra tokony natao.Misaotra anao nampahatsiahy an'io teto. Matetika mantsy dia tsy resahin'ny mpino loatra ny maha fahotana azy io kanefa io no tena ifotoran'ny vaovao mahafaly (ilay didy vaovao nomen'i Kristy).

misaotra laza a

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0339