misaotra makafy Mirado e!!! Mankafiza an!
Ilay hatsaranao
1)Toy ny nanonofy ihany aho
Raha nahita anao indray andro izay
Saika tsy afa-po mihitsy aho
Fa toa nisarika ahy hatrany ny hijery anao
Tsy hafeniko fa tena nanaitra ahy ilay fijerinao
Indrindra koa fa noravahan'ilay tsiky kely izay
K'aza omena tsiny aho raha toa nanoratra izao hira izao
F'ilay eritreritra izay nanarak'ahy
Tsy nety raha tsy nanainga fanahy
Namentsoventso ny fahitako anao
Naka sary an-tsaina ilay hakantonao
Mikalo sy mamisavisa sisa azoko atao
2)Toy ny nanonofy ihany aho
Raha nilaozanao indray andro izay
Saika tsy nino mihitsy aho
Fa ianao izao no nahavita izao
Ekeko fa anananao ny bika sy ny endrika
K'izany koa angamba no nahabe ny mpitsiriritra anao
Olombelona ihany moa ianao ka na be aza ny fitiavanao ahy
Rehefa tojon'ilay mahay azy ianao
Niova ihany ka lasa nandao
Ka lafiratsiny nahitako anao indray
Ilay hatsaranao raha toa izany
Mikalo sy mamisavisa sisa azoko atao
Ref:Tsy ho adinoko velively
Tsy ho voafafa na oviana na oviana
Ato an-tsaiko ilay fijerinao
Ato an-tsaiko ily fitsikinao
Toy ny fitombokase tsy afaka intsony
Fa mitoetra ao
Tsy ho adinoko velively
Tsy ho voafafa na oviana na oviana
Ato an-tsaiko ilay toetranao
Ato an-tsaiko ilay nataonao ahy
Toy ny fitombokase tsy afaka intsony
Fa mitoetra ao