Fifampiresahana amin'ny zanaka sy ray amandreny

1. Mannou ( 27/12/2007 11:09)
sali daoly an,
nisalasala b za tam voaloany hoe atao any am resak'olondehibe ilay izy sa eto nefa naleoko natao teto ihany satria ataoko hoe dinika mahakasika ny rehetra na ampy taona na tsia.
Sokafako ny ady hevitra manao hoe, ho anareo ve tokony hisy ny firesahana momba ny firaisana ara-nofo eo amin'ny zanaka sy ray amandreny ary ny tanora sy ny mpitaiza ara panahy na ny fiaingonana ?
Misokatra ary ny ady hevitra :wink:
2. simplex ( 27/12/2007 11:41)

ie
ra manotany izy tonga d azavao azy doly, indrindra ny point de vue anao manokana :).

Ra tsy manotany izy, d aza atao tabou ny resaka mba hanotaniany (na film jerena izany na boky...) refa adolescent izy an :P tsy dia tsara loatra manko raha any ivelany izy no manotany na tonga dia manandrakandrana any.

;-)
3. Mannou ( 27/12/2007 12:19)
simplex, zay indrindra mantsy lazaina foana hoe tabou, tsy fanao miresaka izany entre zanaka ary dada sy mama nefa ahoana moa no ahaizan'ireo ankizy reo hoe ahoana marina mikasika izany sy mety ho fiatraikany ra ts ianao ao antrano no manazava ? Mampalaelo ana mantsy fa tena mbola betsaka no manana an'io fisainana io. Havanay akaiky fotsiny oatra d tena zany, manontany az foana n zanany vavy hoe inona kay zany ry mama, ahoana zany firaisana zany dia hodiana fanina, tsy mahazo miresaka izany e sns, aveo ozy nareo 13ans ilay ankizy vavy d efa bevohoka d zay anie le izy e ! Hanatra hoany ray amandreny rehetra e !
4. simplex ( 27/12/2007 13:06)

Tsy azo omena tsiny ihany kou anefa ireny RAD ireny satria izay no natao azy angamba ary noheveriny fa mety :D

Ny tena olana manko dia miova araka ny generation ny contexte misy. T@ taloha mbola tsy dia nisy tele loatra, mbola somary sarotsarotra ny serasera... @ izay @ telefona aza d afaka mahita porn :) le zaza anefa hiala sakana, ka plus izy ataonao tabou plus izy te hahafantatra. Refa tsy enao izany d moyen hafa no ampiasainy ;-)
5. Mannou ( 27/12/2007 14:29)
Zay koa alo e, samy hafa ko le fitaizanaina; talou mbola tsy d misy loatra ny porno sns ka tsy avy ho lasa ratsy saina vetivety ny tanora ho voasarika d ts nampaninona ny ntaolo na natao ho tabou aza le resaka; fa amzao fotoana tokony hivoatra amzay satria araka le teninao hoe ra tsy resahana izy d am fomba hafa no hitadiaviany ny valiny d mety ho betsaka ny voka dratsy azony !;-)
6. niryna ( 27/12/2007 18:00)
Mannou:

simplex, zay indrindra mantsy lazaina foana hoe tabou, tsy fanao miresaka izany entre zanaka ary dada sy mama nefa ahoana moa no ahaizan'ireo ankizy reo hoe ahoana marina mikasika izany sy mety ho fiatraikany ra ts ianao ao antrano no manazava ? Mampalaelo ana mantsy fa tena mbola betsaka no manana an'io fisainana io. Havanay akaiky fotsiny oatra d tena zany, manontany az foana n zanany vavy hoe inona kay zany ry mama, ahoana zany firaisana zany dia hodiana fanina, tsy mahazo miresaka izany e sns, aveo ozy nareo 13ans ilay ankizy vavy d efa bevohoka d zay anie le izy e ! Hanatra hoany ray amandreny rehetra e !
ka ny olona taloha anie tsy sahy miteny fa atahorany angamba hoe hanaonao foana ny zanany e,ny ahy raha ny hevitro dia tena ilaina ilay izy ary tsy resaka io ihany fa ilay fanontaniana rehetra izay ilain'ny ankizy valiny dia vonona aho hamaly azy raha fantatro,ny reny miteny ny zanaka vavy ary ny ray miteny ny zanaka lahy amin'izay mitovy ny tady lokanga.


7. ari.malala ( 28/12/2007 06:46)
tsy voatery hoe tsy maintsy ny reny @ zanaka vavy, fa raha atao aza hoe nisaraka ohatra le ray aman-dreny de any amin'ny reniny daolo ny ankizy no mipetraka, misy lahy misy vavy, de tsy hiresaka sexualité amin'ny zanany lahy zany le reny? raha atao hoe sanatria maty le reny de mipetraka @ rainy daolo ny ankizy, tsy hiresaka sexualité amin'ny zanany vavy ny rainy? ilaina dia ilaina mintsy ny miresaka izany amin'ny zanaka, na lahy na vavy ka!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3658