Filoha Ravalomanana

1. Optik ( 21/12/2007 17:23)
" Na faly na tsy faly ny vahoaka, tsy raharahako. Tsy ny hahafaly ny vahoaka no tadiaviko fa ny hahasoa azy". President Marc RAVALOMANANA

Zany ahay mba filoham-pirenena!!!
Ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra.

Mankasitraka Anao Filoha.
novalian'i Jeankely ny 31/12/2007 02:13
2. patrick2002 ( 21/12/2007 20:01)
marina aloha izany fa ny mahasoa zay vao ny mahafinaritra eh!
Fa saingy mahatsiaro menatra izahay manana anao RAVALOMANANA filoha-pirenenay ,fa tena hita fa manao fitenina MPITATI RA- KENA ianao .
Mivavaka ho anao izao mba handroso @ fitondratena Masina ianao .:(:(:( mba ho reharehanay vahoaka hoentinao ^:^^:^^:^amen
3. fijo ( 21/12/2007 20:51)
tsy mazava amiko ny tena tiany lazaina teo????lery moa tsy dia mahay miresaka iny,ka mahalasa saina
4. bazylou ( 21/12/2007 21:01)
io voalazan'i Patrick2002 io e!!
5. tafita ( 21/12/2007 21:05)
Ny Fomba fanao moa ombieny ombieny
Rehefa hiteny
Dia miala tsiny sy manao azafady
Aminareo namako avy
Izay mamaky ny dinika anaty serasera
Sady mandany lera
Voalohany indrindra dia hoy aho hoe
BONNE ANNEE
Io no firarian-tsoa atolotro anao
Hoan’ny taona vaovao
Manarak’izany dia fantatrao mantsy
F’ilay KRISMASY
Dia ankalazaintsika alohan’ izany
Miaraka amin’ny vatomamy
Ka mirary soa ho anareo na lehibe na kely
Hoan’ny fetin’ny Noely
2007 , ho Noely mamim-pifaliana
ka ny isam-pianakaviana
dia samy hifaly hankalaza azy isika
no fanirian’i tafita
tsy ARAHABA ihany fa ampiako manao heo
BONNE ANNNE
Mirary soa hoa anareo tsy misy avakavaka
Arahiko ny vavaka
ho tratry ny taona mitsingeringerina
no irariako ho anao ka averimberina
ho salama lalandava hahavita ny adidy
tsy hisedra ny mangidy
fa higoka ny tately , hiloloha siramamy
ny firariako hatrany hatrany
hivimbina ronono , hisakelika ny fary
mba tsy hararirary
fa ho feno mamy be , firarian’ i tafita
izay rehetra alehantsika
tsy mba manana hatolotra na vaingam-bolamena
Fa io no mba azoko omena
Dia ny manome ny toky fa tsy hanadino am-bavaka
Ho anareo namana tsy misy avakavaka
JOYEUX NOEL , NOEL …… 2007
BONNE ANNEE 2008

Hoy tafita
6. tafita ( 21/12/2007 21:06)
tena tsy nety fa diso toerana e
7. Randria2007 ( 22/12/2007 00:41)
ny tena raharaha be dia ny nanaovan'ny RFI (france inter) commentaire an'iny teny nolazainy iny. Santionany ny hoe: les presidents se succèdent et les évenements se repetent. aleo hanao eo dia ho tsapany fa hoy ny ntaolo hoe "avadibadiho impito aloha ny lela vao miteny"
8. stephane197 ( 22/12/2007 07:11)
za koa aloha dia tena mankasitraka tanteraka ny filoha ê! marina mihintsy iny teniny iny!! indraindray tsy fantatry ny vahoaka ny mahasoa azy!! ny anareo mpanenjika ireo manao fisainana frantsay ê!! ny anareo no avadio im-7 ny lela!! io ihany ny anay misaotra an'Andriamanitra nanome anio filoha io!!
9. agoago ( 22/12/2007 08:20)
"Ny feon'ny vahoaka feon'Andriamanitra", adalany Andrianampoinimerina angaha fahiny ny mamory ny ambanilanitra, mitafa amin'ny vahoaka izay hahasoa azy, tsy possible intsony moa izany ankehitriny f'fa mitombo be ny mponina ka ho ampamoriana daholo ny ambany lanitra.
10. lemenakely ( 22/12/2007 09:52)
fa sao dia mbà misy diso tsipelina kosa aza ny nolazainy e ny filoha ZAFY MANTSY dia niteny hoe IZAHAY DIA TSY MAINTSY MIKATSAKA NY MAHASOA NY VAHOAKA ...kanjo nisy probléme ny encren'i gazety MADAGASCAR TRIBUNE dia lasa izao no tao hoe KATSAKA NO MAHASOA NY VAHOAKA ....hoy i GOTHLIEB izay hi hihi ...
11. stephane197 ( 22/12/2007 10:07)
tsy ny 44% ( taux de participation teto TANA) no hoe vahoaka ê! io aza mbola misy 33% miala ny an'ny TIM. aoka hazava!!!
12. patrick2002 ( 22/12/2007 13:43)
Stephane197: ny mahasoa anao tsy mahasoa ahy ,izay no mahasarotra ny mitondra firenena ,angaha tsy mba vahoaka koa no heveranao anireo 62% nifidy an'i TGV .
Ravalomanana dia filoha ny Malagasy rehetra fa tsy ny TIM irery ,io vahoaka malagasy io ,misy mpamboly ,misy mpiasa ,misy antitra ,kilemaina ,entrepreneur ,etc...etc. Tsy ary mitovy aby ny filany olona ka tsy tokony ianao hanao teny ohatry ny ireny raha tena Homme d'Etat.
Sao dia heveriny fa mpiasany TIKO daholo aza ny vahoaka malagasy :roll::roll:, raha izany no izy dia tokony hatao PDG Soieté anonyme Malgache ,izy fa tsy tokony hatao Chef d'Etat Malgache .:-D:-D:-D
13. niainalynx ( 26/12/2007 08:13)
ka efa tsy faly ny vahoaka izao matao nitsipaka ny TIM teto Antananarivo renivohitra . Mbola fanombohana io fa ny manetsabe mbola ho avy . Tsy mahatanty resy ry TIM isany e ! Mbola aiza no hiafarany e ! Fa mahasoa ny vahoaka zany reny trosa be tao am commune ireny o?
14. ari.malala ( 26/12/2007 13:52)
manafintohina kosa aloha ilay fiteny e! ary ny loza de tsy eto Madagasikara iany anie no mahita ilay izy fa eran-tany mintsy e! tokony mba mihetsika kely ny conseiller en communication an'ny presidence fa tsy mamely mintsy le fomba fiteny...
15. lizabeth ( 28/12/2007 23:47)
Dia efa tena malalaka tokoa izao ny fitenenana fa ny ahy no mba tiako ho fantatra dia ny hoe inona indray izany no mety ho réaction raha niteny indray ny filoha hoe : "izay mahafaly ny vahoaka no ataoko fa tsy izay mahasoa azy" !!!!??? ohatran'ny fitia te-hanohitra be fahatany no betsaka nefa tena attitude na ray aman-dreny responsables amiko ny teny nataon'ny filoha. Na eo amin'ny valin-kafatra aza dia misy tsy mahazo ny nuance entre ny mahafaly sy ny mahasoa...!
Hoy indray ny sasany hoe ilay fomba fiteny no tsy mety kanefa izay fomba nilazany azy izay no hahatsiarovan'ny rehetra ilay teny mandrakizay...!
16. fahamarinana ( 29/12/2007 07:13)
ari.malala:

manafintohina kosa aloha ilay fiteny e! ary ny loza de tsy eto Madagasikara iany anie no mahita ilay izy fa eran-tany mintsy e! tokony mba mihetsika kely ny conseiller en communication an'ny presidence fa tsy mamely mintsy le fomba fiteny...



:arrow:ari :Ka na ilay conseiller en communication koa angamba tsy henoiny teny fa ny any ra8 ihany,be ihany zay nimenomenona izay mahazo andraikitra zao,nommé et tout fa tsy afaka manao inona satria ny tenin'ny ra8 foana,sady filoha no ministre etsy sy eroa izy,zay aloha no hita sy tsapa aminay aty andafy fa tsy hoe manao loham-bazaha araka ny voalaza etsy ambony.(l)
17. Jeankely ( 29/12/2007 07:46)
Tongava raha mahay fa tsy midika inona ilay hoe aty andafy. Andafy daholo na ny mpivaro-bonikazo na ny Mpitondra Taxi na ny Mpivarom-bod. Raha mahay ento ny baolina fa aza mivazavaza alavitra.
18. fahamarinana ( 29/12/2007 08:14)
:arrow: ndry,ary toa tonga dia nisondrotra be? Mbola aiza re zany e,ny politika ohatr'izao anie :adihevitra na iza no miakatra eo na iza .Ny olona na tsy mitovy fisainana sy fandraisana aminao dia manana zo koa hilaza kah fa tsy tokony tonga dia tsindrina be.Izay no fahatsapako azy dia hizingiziniko mihintsy ny filazana azy .Dia ho hita koa ny manaraka,mba mahatantesa critique fa ao anatin'ireny no mety ahitana soa sy ahitana ratsy koa :pour et contre hatrany no ady eo fa tsy hoe didy jadona akory,(l)
19. akama2006 ( 29/12/2007 17:00)
lizabeta> raha i ravalo no lazainao ray amandreny misaina dia ny 4mi izany mananelatra!

olona tsy mahalala ny andraikiny akory manazaza olona no hainy fa tsy mitana ny toerany,tsy omena tsiny fa tsy hainy tsinona koa!:-D:-D
20. Jeankely ( 31/12/2007 02:13)
Na mahay izy na tsy mahay dia FILOHAN'i MADAGASIKARA io hatramin'izao ary na mahay tahak'inona aza ny lasa rehetra dia tsy nitondra nankaiza io Madagasikara io. Ianao raha mahay nitondra inona sa milaza mahay nefa tsy mahatafavoaka afatsy ny miady hevitra tsy hinanan-kanina? Fa iza amin'ireo Ministra nifanesy ireo no tsy nahita izany andafy izany nefa samy sahirana. Mba samy tonga saina fa samy sahirana daholo noho izany tsy ny resaka fianaranao sy ny tsy fianaran'ny sasany no vetesina. Raha hanambatra hery dia tsara fa raha hifanabaty samy vizana sy tsy nitondra alavitra. Na porofoy izay vitanao hoe hatraiza?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0502