Ianareo ve mino fa manana fisiana manokana ny fanahy ?

1. Yfaralahy ( 21/12/2007 15:09)
Raha manana fisiana manokana ary ny fanahy raha oharina
amin'ny vatana dia nahoana no tsy afaka mandeha tsy misy vatana ny olona fa fanahy fotsiny rehefa mbola velona?
Raha tsy misy indray ny fanahy dia inona ireny angatra sy matoatoa ireny?
Manana hoavy azony antenaina ve ny olona ao aorian'ny fahafatesana raha tsy manana fanahy velona izy amin'izany fotoana izany?
novalian'i xxx ny 02/01/2008 16:51
2. soanja ( 21/12/2007 15:26)
Mizara telo ny olombelona:ny Vatana,ny saina ary fanahy.
Tsy afaka antsoina olombelona ny olona iray raha tsy manana an'ireo ny fahitako sy finoako azy ary tsy afa-misaraka ireo. Ny hoe tsisy fanahy na hoe tsy misy saina dia marary ireo zavatra ireo amin'izya fotoana izay fa tsy hoe tsy misy na tsy manana.

Ny hoe marary fanahy dia azo atao hoe tsy manana ethics na zotram-piainana mitaky antsika hanao zavatsoa ho an'ny tenantsika sy ny hafa ary mikatsaka ny fahasoavana ho an'ny rehetra. Isan-karazany ny fisehoan'io sy ny antony:
- Ao ny mino fa raha manao izany dia mitarika ny fahaveloman'ny fanahy mandrakizay na afaran'ny fahahatesana.
- Ao ny manao an'io noho ny fijerana fa izay no mahaolombelona miaramonina antsika fa tsy mahalala na te hihevitra izay tsy mbola fantatra any.

Ny fanajana ny fiheveran'ny hafa io mahaFanahy azy io amin'ny samy olombelona no tena fahendrena amiko raha ny eto an-tany. Tsy mitsara nefa tsy voatery koa handray izay atolony.

Ny hoe angatra sy matoatoa indray dia zavatra hafa mihitsy. Misy olombelona manana fahitana na talenta hafa mihoatra noho ny hafa. De ao ny mahita an'io de mino, ao koa anefa ny mbola tsy nahita dia tsy hino. Ny finoako dia rehefa maty ny olona iray dia milamina ny rehetra anisan'izany ny Fanahy miandry ilay fotoana, fa ny vatana sy saina lo avokoa. Miankina amin'ny zavabita tety an-tany daholo anefa izany satria amin'ny mahaKrsitianina ahy dia mino aho fa misy ny fiainana mandrakizay.
3. fijo ( 21/12/2007 21:01)
namaste hoy ilay zandry beako izay
4. ikaretsaka ( 22/12/2007 16:16)
ny ahy aloha ny fantako dia misy anankiroa ny fanahy @ olombelona..
ilay hoe tsara fanahy
dia ilay hoe ratsy fanahy!

namaste soanja
5. niryna ( 23/12/2007 05:53)
Amin'ny mahaolona antsika dia misy fizarana telo dia ny vatana ,ny saina ary ny fanahy.(body,mind and soul)
Ny vatana dia ilay novolavolan'Atra tamin'ny vovoka ary rehefa maty isika dia miverina ho vovoka ilay izy.Io ilay mijanona ao am-pasana ary ny fanahy dia miala amin'ny olona.Hatramin'izao aloha dia tsy misy mahalala hoe aiza ilay fanahy no mipetraka mandra-pahatongan'ny fitsarana e.
Ny saina izay tia mikarokaro-javatra,toy ny hoe ny vatako te hifoha fa tsy afaka kanefa ny saiko te-hiala eo ambonin'ny fandriana :D dia izay matanjaka no mibaiko :D Raha reraka moa ny vatana ka tsy mbola te andeha dia miverina sy mitohy indray ilay tori-maso,raha miteny moa ny tena hoe tsy maintsy mandeha na tiana na tsy tiana dia mahery ilay saina dia mitsanga amin'ny hakamona eo.
Ny fanahy dia io no tsy hitovizan'ny olona amin'ny biby,manana saina fa tsy misy fanahy,io dia avy amin'ny fo tsy ilay fo mitempo akory no hiantsoana azy a,satria raha ohatra ka misy olona atao hoe tsara fanahy ka omena ny fony ny olona ratsy fanahy dia hiova ve ilay fony?
Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian'[Heb. fivoahan'.] ny aina. Ohab 4:23
Ny fanahy dia nomen'Atra antsika ka io dia ao amin'ny olombelona ary ny fo izay mitempo dia ara-nofo fotsiny fa tsy io akory no mahatonga ilay olona hoe tsara fanahy na ratsy fanahy,ilay fo lazaina izany dia ilay ny fanahy no maha olona ka tafiditra amin'izany ny emotion,ny fahalalana na intellectuel ary ny volition (Marka 7:20-23)Dia io fo lazaiko eto io no fanahy amin'ny olona(human spirit)
http://baiboly.org/toko.asp?boky=MARKA&toko=7&andininy=20-23&dika=

Yfaralahy:

Raha manana fisiana manokana ary ny fanahy raha oharina amin'ny vatana dia nahoana no tsy afaka mandeha tsy misy vatana ny olona fa fanahy fotsiny rehefa mbola velona?

Satria ilay vatana dia hita maso fa ilay fanahy ao anaty ao.

Raha tsy misy indray ny fanahy dia inona ireny angatra sy matoatoa ireny?

Raha mbola velona isika dia tsy maintsy misy fanahy ka.Ireny angadra sy matoatoa ireny efa nahita maso ve hianao? Ny fanahy tsy hita maso kanefa tena mitolona miady sy mandroaka ilay satana no efa nahita aho.
Ilay matoatoa dia hafa mihitsy no filazan'ny olona aza fa tsy fantatro indray io aloha

Manana hoavy azony antenaina ve ny olona ao aorian'ny fahafatesana raha tsy manana fanahy velona izy amin'izany fotoana izany?

Tsia tsy manana izy satria ao ny tenin'Atra no manambara fa izay miaraka amin'ny kristy irery no mahita sy manana ny fiainana mandrakizay ,raha mino Azy fa Izy efa nitsangana tamin'ny maty,raha mino Azy fa zanak'Atra Izy,ary raha mino Azy fa Izy irery ihany no lalana mankany amin'ny Ray.Voasoratra ao anatin'ny baiboly daholo izany.
Ireo izay tsy mino dia ny fanahiny ho very ho mandrakizay any amin'ny farihy mirehitra afo(io ilay afobe izay mandoro ny fanahy)
Izany ihany koa no mahatonga antsika mila mibebaka isan'andro sy ora ary mila mamela olona satria tsy fantatra izay ho avin'ny minitra sy ora ary andro ka tsy nibebaka isika dia izay no farany izay soa rehetra talohan'izay lasa tsy mikaonty :oops: http://baiboly.org/toko.asp?boky=EZEKIELA&toko=18&andininy=20-27&dika=
jereo ny Eze 18:24 Fa raha ny marina no miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon'ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny fahotana izay nanotany dia ho faty izy.

6. xxx ( 02/01/2008 16:51)
Yfaralahy:

Raha manana fisiana manokana ary ny fanahy raha oharina
amin'ny vatana dia nahoana no tsy afaka mandeha tsy misy vatana ny olona fa fanahy fotsiny rehefa mbola velona?
Raha tsy misy indray ny fanahy dia inona ireny angatra sy matoatoa ireny?
Manana hoavy azony antenaina ve ny olona ao aorian'ny fahafatesana raha tsy manana fanahy velona izy amin'izany fotoana izany?

:D tsy misy porofo azo omena anao fa resaka fanahy io

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.035