RAISE YOUR VOICE : toa mbola misy olana foana ?

1. niainalynx ( 19/12/2007 10:50)
Inona marina no zavatra nitranga tamin'ny demi finale tam zoma lasa teo fa toa tena nisy conférence de presse mitsy tao am Fiangonana Amparibe Famonjena omaly ! Ny mba henoko tam télé record nolazain'i Pasteur Ramino Paul dia hoe " Any amin'ny resaka fiderana an'Andriamanitra aza tsy misy fahamarinana, ka dia aiza intsony indray no hahaitana fahamarinana eto amin'ny firenena " Mba mitady ny vaovao momba io aho zay mahalala e ! Misaotra indrindra e!
novalian'i fijo ny 20/12/2007 22:15
2. agoago ( 19/12/2007 11:55)
Tsy nanaraka loatra aho fa nijerijery fotsiny indraindray.
Talohan'ny demi-finale no nijery kely marina aho, nasaina mba niteny ny amin'ilay fifaninana Pasteur Ramino dia mompera tsy tadidiko ny anarany. Nanaitra ahy fa ny an'ny Pasteur Ramino, ny choralendry zareo ihany no namporisihany. fa ny an'lay mompera dia ny rehetra no nankahereziny,tsy nanavaka izy na nisy katolika aza tao, toa izany koa Rado mpanoratra. Hoy ireto farany,adin'ombalahy ny mpianakavy: ny mahery tsy hobiana, ny resy tsy akoraina.
Tsy arako ka aleo ho ahy ny fahadisoana fa toa ny lalao rehetra anie, tsy ny mahay no maharesy indraindray fa ny tsara vintana angambany e
3. malaky ( 19/12/2007 14:15)
resaka kiantranoantranon'ny TIM, MBS, TIKO, FJKM. rehefa mba manao zavatra ireo dia ohatr'izay foana. ny mpandray anjara anefa mazava fo ery, tokony hiova famindra!
4. jentilisa ( 19/12/2007 14:42)
Loterana roa dia fjkm iray ary evanjelika iray no tafakatra famaranana nefa ny hafa tsy nitaraina (tsy nisy katolika tafakatra famaranana fa tao amin'ny atsasaky ny famaranana no nisy farany nefa tsy nitaraina ry zareo!).

Fa satria ve tsy tafakatra ny choralen'ny mpanakarena dia manangana "conference de presse" hitabatabana? nefa ry zareo aza no efa nitarainan'ny hafa mihitsy hoe iangarana ka rehefa tsy tafakatra dia avo feo indray?
5. mona ( 19/12/2007 16:11)
tsy aiko ko alo e!fa mahay kosa mo matoa tafiakatra e!tsy de mahay matoa nihintsana
6. pitchou ( 19/12/2007 19:52)
tsy azoko tokoa klou izay mamptaraina an'i pasitera Ramino e! nisy points ny mpihaino sy ny olona no manome azy @ alalan'ny sms! efa mba nanentana mafy ny tao @ paroasiny izy handefa sms hifidy ny chorale-ny fa tsy resy lahatra izany ny tao! ny @ iny lafiny iny angamba (angamba hoy aho an!) rizareo ktkt toliuara aza no tokony we lésés indrindra noho ny conditions, ny fahafahan'ny olona manaraka mbs, sy mandefa sms fa tsy ny eto tana mihitsy!
ny points hafa dia mpitsara maromaro no nitsara teo! tsy resy lahatra t@ nanaovan-drizareo ny hira koa izany ireo mpitsara ireo! (izaho koa aloha e! satria ny ankamaroan'ny hira nataony tao hira efa hain'olona daholo)
noho izany: fitia sora-damba zandiana io, samy manana izay ataony we tsara fa tsy possible hisy resaka tsy fahamarinana izany! sa ... ea zatra loatra rizareo kinonjo tsy nahavoa ny tetika?
TANDREMO SAO MISY TEZITRA EO AN!
7. fijo ( 19/12/2007 21:39)
mahagaga mihintsy io tsy fahazakana resy io?????za tsy mahay izay resaka fifaninanan fa io pasitera io,zatra manery olona hanaraka ny heviny.efa nitranga tany fianarantsoa izany ary efa be mpahalala ao tana koa
8. ikaretsaka ( 19/12/2007 22:20)
ka rehefa tsy raise your voice @ hira masina izany dia raise your voice @ conference de presse
ko..
samy resaka vazavaza aby izany..!
tsy hitako izay olana,
Mivazavazaha (mampiakara feo) ange ny dikan'ny raise your voice e
dia rehefa tampitra ny fambonhena an-amparibe dia mila vonjy any an-kafa indray izy
9. fijo ( 19/12/2007 22:23)
nen'i lery "raise "amin'ny zavatra hafa ny feony ko
10. ikaretsaka ( 19/12/2007 22:39)
aleo ihany ho'a hajanona eny ambony alitara fa raha te hi "raise amin'ny zavatra hafa: ery ambony fakon'Andralanitra mampiaka-peo izay sahy!
11. fijo ( 19/12/2007 22:41)
izay mantsy,efa tsy hita fototra intsony izy ity,fa toa afangaro daholo izay atao rehetra
12. ikaretsaka ( 19/12/2007 23:17)
izay le s...... e!
ooops azafady ra fijo fa nindramiko ny fomba fitenin'ialahy:wink:
13. niryna ( 20/12/2007 05:48)
pitchou:

tsy azoko tokoa klou izay mamptaraina an'i pasitera Ramino e! nisy points ny mpihaino sy ny olona no manome azy @ alalan'ny sms! efa mba nanentana mafy ny tao @ paroasiny izy handefa sms hifidy ny chorale-ny fa tsy resy lahatra izany ny tao! ny @ iny lafiny iny angamba (angamba hoy aho an!) rizareo ktkt toliuara aza no tokony we lésés indrindra noho ny conditions, ny fahafahan'ny olona manaraka mbs, sy mandefa sms fa tsy ny eto tana mihitsy!
ny points hafa dia mpitsara maromaro no nitsara teo! tsy resy lahatra t@ nanaovan-drizareo ny hira koa izany ireo mpitsara ireo! (izaho koa aloha e! satria ny ankamaroan'ny hira nataony tao hira efa hain'olona daholo)
noho izany: fitia sora-damba zandiana io, samy manana izay ataony we tsara fa tsy possible hisy resaka tsy fahamarinana izany! sa ... ea zatra loatra rizareo kinonjo tsy nahavoa ny tetika?
TANDREMO SAO MISY TEZITRA EO AN!



Marina ny anao. Ka na inona atao na inona mitranga tsy maintsy misy andaniny sy ankilany,tia sy tsy tia foana. Toy ny fiainana rehetra ihany io,manao soa tsy tiana,manao ratsy vao maika loza :D
14. fijo ( 20/12/2007 22:15)
izay mantsy.hindramo fa avereno fa tsy atao toa ilay bokin'ialahy isany an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3462