Nakaiza ny hafatro?

1. niryna ( 15/12/2007 18:20)
Mampalehelo ny toetsaina saingy mivavaka ho an'ireo tompon'andraikitra eto aho.Tsy izaho velively no toherinao na nareo fa Atra izay naniraka ny rehetra hitory ny teniny.Mahereza ary aza manaiky ho fitaovam-piasan'ny satana.

MIARAHABA ANTSIKA REHETRA TRATRY NY ANDRO FIRAVORAVONA DIA NY NAHATERAHAN'ILAY KRISTY MPAMONJY NY REHETRA.
MISAOTRA AN'NY TOMPO FA MBOLA NOMENY HERY HIANTSO ,HIDERA ARY HANKALAZA NY ANARANY HATRANY.
HO AZY IRERY IHANY ANIE NY VONINAHITRA,NY FIADANANA KOSA DIA HO ANTSIKA TSIRAIRAY AVY.

Raiso izay fantatrareo fa marina ary izay tsy marina dia ario.Tsy ny anarako na ny hafa hinoana fa I KRISTY IRERY ,IZY NO NANIRAKA NY TSIRAIRAY AVY hitory ny tenin'Atra.TSY IZAHO NA RABE NA RAKOTO NA RALAY NO ARAHO FA I KRISTY IRERY IHANY.

Saika andefa sujet aho omaly dia izao no nitranga:
1- efa im-betsaka no nofafan'ireo tompon'andraikitra ato amin'ny serasera foany ny valin-teniko ary tsy afaka mamaly ny olona aho.Tsy misy izay tsy mahalala izany ny rehetra but I hery and I for you that God uses us to preach his word in this web.
Enga anie ka tsy ho fitaovana am-piasain'ny satana intsony ity fivavahana ity fa mba ho voninahitra,famonjena ny mpiara-belona sy ny rehetra.Ampy izay ary tsy misy na iray aza hanala ny fitiavan'Atra ao amin'ny tsirairay na tsy avelan'ireo tompon'andraikitra azy ny fitoriana ny teniny ato.
2- nandefa hafatra tany aminy aho alina ary indroa fa tsy mahazo mandray anjara amin'ny fandefasana sujet aho fa nomeny 743842 mn vao afaka manoratra na mamaly amin'ny fivavahana.
3- nofafany indray ny sujet nalefako omaly mikasika ny Ezekiela mampianatra antsika fa anjaran'ny kristiana no manampy ireo tsy mahalala na manao adisoana eo amin'ny fiainana satria raha manafina isika dia any amin-tsika no hianjeran'ny hatezeran'Atra ka ho adinina amin'ny ran'ireo olona ireo isika izay mahalala kanefa tsy miteny.

IZAY FA MAHEREZA DAHOLO,ENGA ANIE KA ITY SEHATRY NY FIVAVAHANA ITY HO HANJAKAN'NY FAHAMARINANA ,FITIAVANA,FAHALALAHANA AMIN'NY FINOANA AN'ILAY KRISTY MPANDRESY.
AMENA
novalian'i kolyh ny 05/02/2008 07:24
2. tynah ( 16/12/2007 13:45)
Nirina ah!!! efa niala tsiny i Hery atsy ambadika . dia mbola malahelo fona ve?
Rehefa misy olona mahatezitra anao toy ireny dia hanontanio aloha dia mivavaha ho azy avy eo .
Mahereza.:-*
3. niryna ( 20/12/2007 05:50)
tynah:

Nirina ah!!! efa niala tsiny i Hery atsy ambadika . dia mbola malahelo fona ve?
Rehefa misy olona mahatezitra anao toy ireny dia hanontanio aloha dia mivavaha ho azy avy eo .
Mahereza.:-*

Misaotra aky tynah.Tsy manana alahelo aho na amin'iza na iza ka fa milaza ny zava-misy fotsiny,nalefako fotsiny ity fa tsy maitsy misy iray tafiditra.Izay no antony nandefasako azy teny rehetra teny.
Tsy afaka ny hanazava intsony koa aho fa efa nalefako ny antony,efa namaly koa izy dia izay.


4. tynah ( 20/12/2007 19:23)
:-*:-*:-*
5. kolyh ( 05/02/2008 07:24)
Nyrina a, mahereza @'ny asa fitoriana, za de anisan'ny mpampaky ny dinika nalefanao, idd le fijoroana vavolombelona, ary nitondra soa ho ahy izany na de tsy mamaly an'izy ireny aza aho. Nisy ny nankasitrahako ny hevitra, ary tsy lavina fa nisy ny tsy nankasitrahako ny foto-kevitra, fa ny zava-dehibe de nisy fiatraikany tamiko izy ireny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.228