TEHAMAINA ho an'ny TIM iny fa tsy fitiavana an'i ANDRY TGV

1. Jeankely ( 14/12/2007 07:29)
Efa lany tao IARIVO i MONJAJAONA ary maro no lany tao. Ny Mpitondra no tian'Antananarivo Renivohitra homena Lesona Mahamay fa tsy dia fitiavana tanteraka an'i Andry TGV akory. Tsy manantena fiadanana tampoka izany ny olona fa tia hikapoka izay heveriny mibahana fotsiny. Ny asa dia miandry satria tsy mbola azo halahatra ho Tanandehibe Antananarivo hatramin'izao mihoatra ny an'ny Firenena hafa.
répondu par Jeankely le 18/12/2007 14:06
2. rahiratra ( 14/12/2007 07:55)
Tandremo fa simba tanteraka raha tengenan-dry TEZITRA sy BAZYLOU ny TGV.
3. agoago ( 14/12/2007 07:55)
Izany no lazain'ny rehetra, hatramin'ny RFI sy BBC aza. Ny ahy miarahaba azy aho, mirary soa ho azy koa.Tanora izy, lanin'ny maro."Osez make a difference Monsieur le Maire"
4. rahiratra ( 14/12/2007 08:01)
Tsy mahalala ny fiainan'ny olana any antanana madinika toakoa ianao agoago angamba.
5. tontavao ( 14/12/2007 08:06)
Mba omeo vokatra hafa indray ravatorano fa tsy manome ny MIRA, mila vokatra izahay.
iRETO NO ANGATAHAKO AMINAO
- Sabotsy namehana
- ambohimangakely
- ambohidratrimo
- ambatolampy
- amboasary sud
- betroka
- vohemar
- sambava
- tsiroanomandidy II
Azafady rangahy fa mba ilain'ny mpisera ireo.
6. Jeankely ( 14/12/2007 08:11)
Ho an'i agoago manokana dia tsy anisany nanenjika io Andry TGV io aho fa milaza ny zavatra fantatro. Mendrika ny ho harabaina tokoa izy. Ny TIM no halan'ny Mpifidy fa tsy i FALY. Marina izany @ fomba fijerinay.
7. xxx ( 14/12/2007 11:34)
Dé hanakorotana ao indray izao lé VAZAVA (EMILE RATEFINANAHARY) lé nanaratsy ny endriky ny TIM io e!!!
ANDAO HIARA HIJERY INDARY ISIKA ETO
8. Simpona ( 14/12/2007 14:37)
Ny TIM no halan'ny Mpifidy fa tsy i FALY

Marina ngamba fa halan'ny olona ny TIM indrindra tamin'ny fomba fitondrany ny propagande teo fa i Faly koa nisafidy ho eo ambany ziogan'ny TIM izay efa fatany ny fiasa ao. Amiko i Faly miitsy koa no tsy nanana hazon-damosina. raha nilatsaka indépendant izy ohatra fa tsy Tim mety mbola mitovitovy amin'ireny ihanikoa ny vokatra.
Ny safidin'ny tanora izay maro an'isa teto dia nanana ny lanjany tsara. I Rafalimanana anie tamin'ireny valo volana ireny pion fotsiny ho fanomanana ny jeux des iles sy metropolis e. Azon'ny Ravalo na RAmiaramanana nno nanao ireny raha mitovy ny toe-javatra misy amin'ny vanimpotoana nipetrahany teo. saingy tsy izay fa ny an'i faly tranga manokana de nankalazaina sy no tabatabaina be.
Izany tsy manaratsy ny zava-bitany teo amin'ny fanatsarana tanana, mendrika ireny ary ankasitrahana. Saingy tsy mino aho hoe raha mbola lany teo izy dia mbola nahavita otrn'iny amin'ny rythme teo.
9. Jeankely ( 18/12/2007 14:06)
Izaho dia tsy mba anisany mpamendrofendro ny olona satria very seza na mpisolelaka na maka ranondranony satria nahazo seza. Ho ahy dia manoro ny olona tsy hanonofinofy no mba tiako. Ny asa sy andraikitra tsy mbola lasa nankaiza hatr'izay hatr'izay ary hita izany raha oharina @'ny zava-bitan'ny Tanàn-dehibe @'ny Firenena hafa. Ny olan'ny tsena ohatra vao androany ihany dia lasa gaigy ny mpivarotra satria mihevitra ny sasany fa rehefa tsy lany ny iray dia midika fa handeha ho azy ny fiainana. Ny sain'ny vahoaka mila mahalala ny tanjona tiana ho tratrarina ary mahatoky izany fa tsy manonofinofy avy @'ny fampielezan-kevitra, avy eo milaza diso fanantenana aty aoriana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0417