miandry

1. fijo ( 13/12/2007 21:41)
dia miandry ny vokatra ofisialy izany isika rehetra.tsy dia manantena fihovana akory nefa fa dia mety ho andry izany no lasa eo.
-miandry ny fanapahankevitra voalohany izany isika.
-miandry ny mety ho hendriky ny fifandraisna hisy eo amin'i fitondrana foibe sy ny tanana.
-miandry ny mety ho fahamarinan'ny "hono hono "nisy voalaza mandritry ny fampielezankevitra.
-miandry ny fanatanterahana ny nampanantenana.
-miandry filaminana sy asa hoan'ny rehetra.

mankahery izay lany satria voafidy izy,ary.....
miandry
novalian'i fijo ny 14/12/2007 20:49
2. naritsimba ( 14/12/2007 04:57)
inoako fa tsy hisy fiovana intsony ny vokatra fa dia tsy maintsy ho lasan'i Andry TGV ny fitantanana ny tananan'Antananarivo.
Aoka atao amim-pahamarinana ny fitantanana ny tanana. Ary tanterahina ny fampanantenana natao araka io voalazan'ny fijo io. Ilay fahamarinana tiana lazaina dia tsotra, azo antoka fa tsy maintsy misy ireo olona namadika palitao ka nanaraka an'i Andry TGV, koa aoka tsy ho mena maso @ izany fa raha tena hampandroso marina dia aoka ho voatazona ilay fitenenana hoe: Ny raharaham-pirenena tsy ananan-kavana. izay namafy rivotra aoka hijinja tadio, enga anie ka tsy hisy ny kely tsy mba mamindro, irariana
ny hanjakan'ny rariny sy ny hitsiny.Izany mantsy no mahavoa izao fitondrana izao sy ireo teo aloha rehetra, lasa tsy maty manota ny havana sy ny akamakama fa atahorana sao hivadika, aoka hiova @ izay ny fanaovana politika ho an'ny fitiavan-tena fa ny fampandrosoana ny rehetra tsy ankanavaka no himasoana, na tsy mitovy firehan-kevitra @ tena aza dia aoka ho henoina sy raisina ny heviny rehefa hita fa mampandroso.
misaotra antsika rehetra eh!


3. ronaldo09 ( 14/12/2007 12:06)
Ka tsy mahagaga anie ny fandresen'i andry TGV tao Tana e!Efa film efa nandeha foana ny zavatra tahak'izao :ohatra efa lany tao Tana i Monja Jaona ,ny Fandresen-dRazanamasy nefa ny UNDD no teo amin'ny fitondrana,ny fandresen-dRavalomanana nefa ny Arema no teo amin'ny fitondrana ,zao indray i Andry TGV mandresy nefa ny TIM no eo amin'ny fitondrana :Antananarivo olona ny azy no jereny fa tsy antoko politika ary izay no maha renivohitra ny renivohitra :Mahay manao analyse politique fa tsy ze vadin'ny mamako dadako!
4. Simpona ( 14/12/2007 14:49)
Suspens daholo ireo, ny ahy ny fifandraisana amin'ny fitondrana faobe sy ny mikasika ny fanatanterahan ny izay nampanantenaina no tena baraingo be amiko indrindra.

Afaka fotoana fohy (asa enim-bolana na taona iray na roa dia maty faka hitsara isika amin'ny safidy izay natao, am'zay dai eto ihany no mbola hanao adihevitra fa ... miandry aloha e.

Ny antenaiko fotsiny dia mety mba mora kokoa ny hanetana sy hanetsika ny tanora amin'ny fanajana sy fampadrosoana ny tanana satria naneho ny safidiny izy (na hoe izahay, za ko mbola tanora kay :roll::roll:)
5. pitchou ( 14/12/2007 18:43)
Ny aho ny antenaiko d tsy hiodikodina mahita le saosy lery d variana manabe vozona fotsiny
6. fijo ( 14/12/2007 20:49)
ka dia miandry isika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5963