vaovao tselatra momba ny fifidianana teto Antananarivo

1. ravatorano ( 12/12/2007 18:57)
tsy mbola vokatra ofisialy ity ah fa vokatra hitako sy reko amin'ireo haino aman-jery na radio na tv ka nakambakambako ka toy izao ary :

eo amin'ny 120/412 bureau de vote izany zao no nahazahoana vokatra feno tsy ofisialy ka mitarika ingahy Andry rajoelina na i TGV
andry tgv 62.10%
Hery Rafalimanana 31.65%
Marc Ramiarinjatovo 3.42%
tsy ofisialy io ah
amin'ny 21h55 izao ary nèy tv viva sy ny tv plus ary ny radio rnm no mamoaka ny vokatra
amin'ny 23h indray za miverina eto e
novalian'i tywa68 ny 13/12/2007 05:25
2. patrick2002 ( 12/12/2007 19:18)
Dia ,happy birthday Mr president :):):)
3. patrick2002 ( 12/12/2007 19:22)
Ny ahy ny vaovao avy any Toamasina no reko ,fa ao @ biraom-pifidianana misy mpifidy 3000 dia 200 fotsiny ny kara-pifidianana voazara ,ny ambiny maka-taratasy any @ fokontany mandeha mifidy na ordonnance ,dia mazava loatra fa en faveur ny TIM izany rehetra izany.
4. patrick2002 ( 12/12/2007 19:25)
Farany avy any Tamatave ,resy ny MTS malagasy tonga saina ,nefa betsaka ny irregularité hita t@ fifidianana ,ka henjehany vahoaka ny filoham-pokontany , daroany olona .
5. ravatorano ( 12/12/2007 20:05)
v okatra farany hitako amin'ny tv viva amin'izao amin'ny 23h00 izao :
263/412 bureau de vote :
andry tgv : 61.68%
hery rafalimanana : 31.90%
marc ramiarinjatovo : 3.51%

marihiko hatrany fa tsy vokatra ofisialy io an !
za zao miandry izay vokatra alefan'ny radiom-pirenena malagasy avy eny amin'ny coupole, miandry ihany koa ny vokatra omen'ireo mpampahalala vaovao samihafa
io koa fa matin'i sydney govou ny boll kle ! hihihi iray sy donga zany aloha lyon sy glasgow rangers
jerena ny bolll henoina ny voka pifidianana e
6. patrick2002 ( 12/12/2007 20:05)
23H any madagasikara ,tsy misy mamoaka vokatra intsony ny radio FM ,rehetra sy ny TV efa ho 2H hono izany :roll::roll::roll:
7. badouda ( 12/12/2007 20:29)
:lol::lol::lol::lol:Misaotra an'i ravatorano manome vaovao tselatsa... Miandry ny tohiny ny tsirairay:roll:
8. ikaretsaka ( 12/12/2007 21:16)
ary ny avy any Bira ry Ravato?:roll:
9. ikaretsaka ( 12/12/2007 21:17)
ny aza hitako dia hisy delestazy ao @ coupole dia hikotrotana be indray ny solosaina sy ny tokon-tsikidy!
10. Kwasi ( 12/12/2007 21:28)
Merci ravato a. Alefaso foana fa izahay eto foana koa e.
ika> ie, ka tsy tafan'ilay sikidin-karatra teny @ fokontany kosa ka no.
11. salmo1 ( 12/12/2007 23:03)
ravatorano:
io koa fa matin'i sydney govou ny boll kle ! hihihi iray sy donga zany aloha lyon sy glasgow rangers
jerena ny bolll henoina ny voka pifidianana e

Barsa 3 - 1 Stutgart :@

Rangers 0 - 3 Lyon :@

hery 0 - 1 Andry :@

Mba hafa kely koa ity herinandro ity ah!

;-)
12. Veloo ( 13/12/2007 01:01)
O ry reto ary ahona ity marina ve io? ko tsy loza raha tena marina ity?????

Des rumeurs ont circulé sur le financement d’Andry Rajoelina qui proviendrait de politiciens en exil en France et adversaires du pouvoir actuel. Ces rumeurs ont eu semé le doute dans l’esprit de certains électeurs déjà acquis aux causes de Rajoelina. Ils craignent que ce dernier ne soit une marionnette dans les mains de l’opposition.:twisted:
tao @
www.moov.mg io
13. Kwasi ( 13/12/2007 03:08)
@ 6ora sy 10 zao ao Antananarivo, vaovao farany hono ?

14. ravatorano ( 13/12/2007 05:04)
ny vokatra azoko farany dia ity izay misoratra eo amin'ny ecran tv viva fa ny radio na tv hafa dia tsisy namoaka vokatra na dia iray aza :

à 01H30 / bureau de vote 365/412 /

Andry rajoelina na i TGV : 62.25%
Hery rafalimanana na ny tim : 31.56%
Marc ramiarinjatovo na ny mv : 3.49%

ny ambiny zarain'ireo candidat hafa izay tsy nanao fampielezan kevitra nafotaka hihihihihihi

ny tena nahagaga ahy dia izao nisy vaovao ihany nalefan'ny tvm tamin'ny 11ora alina omaly iny fa tsy nilaza vokatra ilay mpanolotra fandaharana fa dia izao fotsiny ihany no nolazainy hoe : mitarika ingahy andry rajoalina eto antananarivo renivohitra dia avy dia nitodika tany amin'ny faritany izy nefa na izay koa aza mbola tsisy vokatra tena azo maripototra
ny gazety le quotidien nivoaka anio aza moa dia nilaza fa nanao "vote kamikaze" ny vahoakan'Antananarivo

ika< ny any Bira dia mbola i MMe olga ilay teo aloha ihany no tafa any e !izy anie tokony tsy nanao propany tsony satria dia izy irery ihany no nilatsaka tao bira e ! kozy é ! ary dia lasan'ny tim lmazava ho azy zany ny tao

farany ireo vokatra lazaiko ireo dia mbola tsy tena ofisialy ary koa mbola amin'ny ampahany ihany ry zareo ah !
15. tywa68 ( 13/12/2007 05:25)
misaotra an'i ravatorano mizara aminay e :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1629