vetso takariva

1. zanakanosy ( 11/12/2007 09:50)
manaona mitady ny tononkiran'i bodo
vetso takariva
2. zanakanosy ( 11/12/2007 09:52)
3. rabilabila ( 11/12/2007 10:22)
Vetso takariva


Singan'olona toa very izany izaho
Ravinkazo tafasaraka aman-taho
Tapak'ahitr(a) entin-driaka ka indrisy
Izay mba toera-nitodiana toa tsy misy

Zana-borona nanintan'elatra aho
Raiki-tahotry ny orambe mitraho
Tsy mba zatra ny fanala an-keniheny
Ka maniry ny homban'ny ela-dreny

Manantena sady miandry fatratra aho
Ka ny taratrao ry volana hapariaho
Dia vimbino izany alahelo izany
Fa ianao no tazana eto tsinjo any

Ombimanga diso ala mantsy aho
Manin-kavana tsy foy ka mitalaho
Any ambadika atsimon'iny bainga
Izay milaza tsy hisento re mandainga

Singan'olona toa very izanyizaho
Sady tolan(ny manjo ka hivavao
O ry Zoky,O ry Zandry hany fara
Irario mba ho tafita soamantsara

O ry kintana ombay manatrika aho
Mila tsy ho very dia ka iresaho
Ianareo no solon-kava-mahatratra
Izarako izay mba zavatra mihatra

Dia veloma sy masina indrindra ho'aho
Ny fiarovan'ny Tsitoha no angatao
Izany sandriny mahery tsy hiala
Fa hivimbina ny dian'ny malala

Tononkalo nosoratan'i Elisa Fredda
Nasian' Bodo sy Naivo feony
Ary nohirain'i Bodo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0742