TOA HO TAPITRA SAHADY NY FIANDRIANAN'NY TIM?

1. tontavao ( 10/12/2007 14:46)
Ho tapitra atsy ho atsy ny tantaran'i TIM, nitovy tamin'ny tantaran'ny UNDD ihany.SATRIA RAHA TADIDINAREO DIA:
Antananarivo ihany no nametraka an'i Zafy teo amin'ny fitondrana, niroborobe be ny UNDD, tampoka teo niala Antananarivo dia tsy hita popoka ny UNDD; toy izany koa ny tany aloha rehetra tany ny PSD sy ny AREMA; Efa manome lesona an-dRavalo ny mponin'Antananarivo, hita izany ankehitriny amin'ny fifidianana ho ben'ny tanana eto Antananarivo sy ny tanàna maro hafa koa.
Ny tany Mananara sy tany Bealanana iny niaraha-nahita iny ny zava-miseho resaka deputé io. Leo ny olona satria toa fitondrana tsy mahalala afa tsy ny hamotika ny mpifanandrina aminy sy hameno paosy no misy eto.
Dia ho vita tanteraka amin'izay ary ny TIM. Na hangalatra aza amin'ny Alarobia dia efa mazava be ny fandresen'i Andry. KA RAHA LANY EO IO "BANDY KELY" IO TOKONY HAMETRA-PIALANA AVY HATRANY NY MPITONDRA REHETRA "governemanta sy ny filoha" izay no demokrasia re olona ô;
Toa hahafinaritra ny hahita an-dRA8 sy ny forongony hipitrapitra MAPalahelo. Veloma raprezy fa ampy zay jadona izay. Tsaroanao ve ny hiran'olona nanohana anao tamin'ny 2002 ,io izy miverina aminao io.
ahemory ny fifidianana ben'ny tananan'Antananarivo fa ho resy ange ianareo é!
Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ra-prezy sy ra-faly ô.
Efa lazaina hoe "Aza mitsipa-doha laka-nitàna" .
MANDEHANA MIFIDY DAHOLO E, dia aza mifidy TIM fa rodana ho azy io fitondrana tsy alehany io.

Teo Ihany no Miverina

novalian'i damann ny 12/12/2007 21:16
2. xxx ( 10/12/2007 15:09)
Tontavao:
Ho tapitra atsy ho atsy ny tantaran'i TIM, nitovy tamin'ny tantaran'ny UNDD ihany.

Tsy mitovy mihitsy kosa aloha Ravalo sy Zafy e !
Tsy sahiko lazaina eto akory mantsy ny mpamari-toetra azo omena an'i Zafy :idea::°):°)
3. remandilatse ( 10/12/2007 17:26)
Tsy mitovy mihitsy kosa aloha Ravalo sy Zafy e !
Tsy sahiko lazaina eto akory mantsy ny mpamari-toetra azo omena an'i Zafy


inona no tianao ho lazaina @ hoe tsy mitovy: izy profeseur, sa izy lazaina hoe mora naongana?

en tout cas koahe, t@ zafy, raha le faharoa no tianao ho lazaina de tsotra:
mety vendrana hono izy, angamba saingy tsy nilaza, na anao, na isika, na ianareo hoe vendrana. dikany tsy nanao ampihimamba ny resaka politike izy:

-fanehoana manome hevitra malalaka (tsy nisy eglizy, na radio nakatona , na olona vahiny noroahina

-mahazo manao meeting ao mahamasina sy 13 mai ny re"hetra
-deputé opposition representé tao @ assemblée
-tsy nisy marema, varema, TIM fanabeazana, TIM fahasalamana
-tsy nisy halabato ...

ireo no atao hoe demokrasia

ka raha ireo no lazaintsika hoe hadalana, dia tsy mbola zakantsika le demokrasia, fa mila terena sy kapohina sahala @ ataon-dravalo sy radidy isika, vao mahay manaradalana

4. patrick2002 ( 10/12/2007 18:04)
remandilatse : toa izay no marina kou :roll::roll:
5. xxx ( 10/12/2007 19:04)
remandilatse:
mety vendrana hono izy,

Loza ! Za efa tsy niteny ! :b
6. saho ( 10/12/2007 19:59)
Aleo hifampitana eo ny samy be sosy fa ho hitanareo fa ny eo ihany no eo, izay tonga rehetra eo dia ny vola ihany no tadiaviny, fa raha izay fiainambahoaka miasa isan'andro toa ny tao @ zone franche dia tsy hisy hiantoka izany fa ny azy ny tombotsoany ihany no tadiaviny....

Soa fa may tanteraka ilay zone franche fa tena mampiasa ny gasy ho toan'ny esclave mihitsy, aleo may any fa izay no sahaza ireny, handana daholo ry zalahy mamboly fa mahavokatra i Gasikara, tsy ho noana ianareo rehefa mamboly fa dia ho be vokatra be ary dia mamenoa ny tany hoy ny filaza...

Ireo izay tsy mahafantatra ny atao hoe rariny dia aleo mbola hihinana ny tsy fihinana fa raha tsy izay tsy fay...
Vive vahoaka malagasy miray tsy ho jamba mandrakizay fa hahiratra sy hatakatra ny zavamisy eo @ fiainana ao mada ao....
7. NathanScott ( 10/12/2007 20:25)
tena hofaty io fa mbola tsy dans l'immedia aloha satria tsy tana irery ihany no misy TIM anié.
arak'ilay fiteny hoe miala vazah misolo vazah, ki vivra vera
8. ravatorano ( 11/12/2007 05:47)
sarotra ny fifidiana fa rapitso hariva na rapitso alina isika mahalala izay vokany
za hiditra mivantana eto sady hampiaina ny fandehan'ny voaktra araky ny ho renesiko ami'ny radio fa samia mandalo eto rapitso alina an
:wink:
9. tontavao ( 11/12/2007 07:15)
Misaotra anao mialoha amin'ny fampahafantarana ny rehetra izay ho voka-pifidianana, fa ny ahy dia ny ao aorianan'ny fifidianana no mahalasa saina ahy, na ho lany na tsy ho lany i Andry dia tsy maintsy tantara vaovao no hiainana eto Antananarivo eto. Tena zava-dehibe anie ny fanotronan'olona an'i Andry é.
-raha lany i Andry hikorontana ny fitondram-panjakana
-raha sanatria tsy lany izy dia hikorontana ny mpomba azy.
Ka na tiana na tsy tiana dia kihondalana ho an'ny mpitondra ity tsingerintaona nahaterahan-dRa-8 ity. Maloka tanteraka ny fankalazana ny anniversaire.
Jereo fa hatramin'ny sommet franco-euro anie ka tsy natrehan-drangahy io fa mety tsy dia en forme araka ny fiteny angamba izy.

MAMPAHATSIARO NY NATAONTSIKA SA NY NATAONAY TAMIN'NY "1° TOUR DIA VITA" lay izy.
Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina.

Enga anie ka tsy hifamono hoatry ny tamin'ny 2002 ireny isika mianakavy fa tokony hiala ampahendrena ny fitondrana fa mazava izao fa matanjakaa be ny mpanohitra ny fitondrana et Tanà fa tsy niteny fotsiny hatrizay ela izay.

MAZOTOA DAHOLO E
10. ravatorano ( 11/12/2007 10:45)
hahaha
prim d vita marina an !
miverina izany zao ny tantara kle
fa maninn kosa no hoe hisy gidraka raha tsy lany ry Andry ? ny fantatro raha tsy lany zareo dia hangina ny mpomba azy fa tsy hitsahatra fotsiny hikikika hoe feno halabato iny fifidianana iny satria izao mbola tsy manomboka aza ny tantara efa mikozy an'izany ry lerony ka mazava hoazy zany e !
"miara manao hoe : avereno ny fifidianana" zay indray no ho slogan
olone hendry less ny mpifidy amizao fa tsy ho voarebireby toy ny taloha tsony ah rehefa tsy lany dia amin'ny manaraka indray manarina e ! na milatsaka loholona eto Tanà indray e !
11. xxx ( 11/12/2007 11:24)
Ka raha vao lé Emile VAZAHA no ampitaihina zavatra sy misehoseho eny dé rava taterka izay misy azy
FIRY ny fikambanana nolzaina fa najorony dé INONA ny zavatra VITA??????
Fa ataony fitadiavana seza daholo ny fampiasana olona jere indray izao ny TIM europe Fa dia HIARA HIJERY NY TOHINY Isika, olon no travaillé lélika maty iny! RATEFINANAHRY Emile izany sy ny tariny e!

Koa mba lazao ny namana tsy hovoafitak ilehiny! Zy nharava CRTIM satria lery no mpanolotsain RANJIVASON dé nakaiza izay????? lasa indray lery nanao ankeriny ny TIM france

ANJARN itsirairay avy mieritreritra!!!
12. tsiafoi1 ( 11/12/2007 12:32)
tontavao:
MAMPAHATSIARO NY NATAONTSIKA SA NY NATAONAY TAMIN'NY "1° TOUR DIA VITA" lay izy.


O! YES PREMIER TOUR DE VITA MARINA!!, TOHIZO NY ASA RAFALY O!

De ho an'ny TANORA GASY VENDRANA rehetra, toneo tsara ny fo sao tratry ny arrêt cardiaque, ary ny SAINA atao manao politika fa tsy ny FO e!
13. ari.malala ( 11/12/2007 13:46)
fa tena tapipahaizana toko v no manavendrana olona e! ts fomba fitenin'olonkendry nge zany mitsaratsra sy manambany olona izany e! ny saina no manao politika fa ts ny fo d aza anavendrana olona fa ts hainao ts haitsika izay fahaizana ananany, aleo ny am rapitso no hitsara e
14. damann ( 12/12/2007 21:16)
tontavao:

Ho tapitra atsy ho atsy ny tantaran'i TIM, nitovy tamin'ny tantaran'ny UNDD ihany.SATRIA RAHA TADIDINAREO DIA:
Antananarivo ihany no nametraka an'i Zafy teo amin'ny fitondrana, niroborobe be ny UNDD, tampoka teo niala Antananarivo dia tsy hita popoka ny UNDD; toy izany koa ny tany aloha rehetra tany ny PSD sy ny AREMA; Efa manome lesona an-dRavalo ny mponin'Antananarivo, hita izany ankehitriny amin'ny fifidianana ho ben'ny tanana eto Antananarivo sy ny tanàna maro hafa koa.
Ny tany Mananara sy tany Bealanana iny niaraha-nahita iny ny zava-miseho resaka deputé io. Leo ny olona satria toa fitondrana tsy mahalala afa tsy ny hamotika ny mpifanandrina aminy sy hameno paosy no misy eto.
Dia ho vita tanteraka amin'izay ary ny TIM. Na hangalatra aza amin'ny Alarobia dia efa mazava be ny fandresen'i Andry. KA RAHA LANY EO IO "BANDY KELY" IO TOKONY HAMETRA-PIALANA AVY HATRANY NY MPITONDRA REHETRA "governemanta sy ny filoha" izay no demokrasia re olona ô;
Toa hahafinaritra ny hahita an-dRA8 sy ny forongony hipitrapitra MAPalahelo. Veloma raprezy fa ampy zay jadona izay. Tsaroanao ve ny hiran'olona nanohana anao tamin'ny 2002 ,io izy miverina aminao io.
ahemory ny fifidianana ben'ny tananan'Antananarivo fa ho resy ange ianareo é!
Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ra-prezy sy ra-faly ô.
Efa lazaina hoe "Aza mitsipa-doha laka-nitàna" .
MANDEHANA MIFIDY DAHOLO E, dia aza mifidy TIM fa rodana ho azy io fitondrana tsy alehany io.

Teo Ihany no Miverina







moramora kely azafady e


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0458