Clip gasy taratry ny fahantràna ....

1. lemenakely ( 06/12/2007 08:53)
Asa ianareo raha mbà mandinika fa @ ankapoben' ny clip gasy dia taratry ny rendrarendra ivelany izany daholo ny ankabeazany : tsy maintsy misy mizesta @ automobile na trano tsara be misy piscine ohatra , mizesta @ portable sns...asa ny an'i FRANCIS TURBO angamba marina ihany e! taratry ny fahantràn'ny gasy daholo izany e ! na eny ampendevenana sy any am-piangonana aza dia tsy vonoina ny portable !!!ahaannn..:-P
novalian'i audoo ny 08/12/2007 13:32
2. ravatorano ( 06/12/2007 09:58)
:(:(:(
3. MCZ ( 06/12/2007 10:33)
ary ny clip vahiny manaona kay @ nao :( :( :-w
sa aona razoky ravatorano andao anao clip é héhéhé :-D
4. sitlo ( 06/12/2007 14:47)
Tsy azoko, taratry ny fahantrana sa zesita no tian'i lemenakely tenenina. :idea:

Fa raha ilay klipy gasy aloha dia taraiky be araka ny fahitako azy.
5. lapino ( 06/12/2007 15:16)
ilay zesita mihitsy no zesita-na tany mahantra raha ny fahazoako an'i lemenakely :cry:
6. sitlo ( 06/12/2007 15:41)
hay ve,
raha ny zesita aloha dia mizesita daholo na ry cadillac (snoop dogg) aza
raha ilay piscine sy trano tsara be dia hotely ny sasany amin'ireny, ary resaka vola sy pub ny antony.
dia raha ny portable indray dia samy manana ny tiany.

Tokony hiaraka amin'ny trano bongo izany, dia tsisy tel fa morsa, bip bip no andefasana hahaha. Aleoko ihany sareraka.
7. meva2 ( 07/12/2007 07:42)

Ny clip amin'izao mihitsy n'aiza n'aiza no tsisy ilavana azy e!!! vitsy no mba manaitra, manome lesona, mampieritreritra na koa mampihome aza, izany hoe misy ventiny sy votoatiny. Sinon tsisy afatsy ny mampandihy V.... amin'izay paozy mamoafady zara fa miakanjo, ny vhv amin'io lasa objet mihitsy (indrindra moa aty andafin'ny riaka), nefa ny ankizy dia mahita an'ireo foana isaky ny mba mijery chaîne misy hira. Hany ka rehefa mba mandihy2 ao an-trano dia lasa koa miolakolana. Tsy azony antsaina mihitsy ilay dikan'ireo geste sady koa ahoana moa no fomba hanazana azy hoe ratsy anie ireo "chorégraphie" satria izao......
Naheno aho tamin'ny radio hoe betsaka ny "texte" na "information" Tsy azo publier-na satria mi-choquer ny vahoaka kanefa zavatra ohatr'ireny, ny télé réalité tsy fampiseho masoandro isany, mahagaga ihany.......
8. kelly13 ( 07/12/2007 07:52)
sitlo:

hay ve,
raha ny zesita aloha dia mizesita daholo na ry cadillac (snoop dogg) aza
raha ilay piscine sy trano tsara be dia hotely ny sasany amin'ireny, ary resaka vola sy pub ny antony.
dia raha ny portable indray dia samy manana ny tiany.

Tokony hiaraka amin'ny trano bongo izany, dia tsisy tel fa morsa, bip bip no andefasana hahaha. Aleoko ihany sareraka.


:-D:-D
9. audoo ( 08/12/2007 13:32)
Bon tsy dia hoe taratry ny fahantrana loatra ny clip misy @ izao fa trafic d'influence no marimarina kokoa. Toy izany daholo ny clip @ tany an-dalam-pandrosoana rehetra ary raha dinihina tsara dia ireo artista tsy malaza no tena manao ny clip toy ireny. Ny antony dia tsy hain'izy ireo fa ny tournage clip dia ilana réal sy storyboard ihany koa fa tsy resaka improvisation. Soa ihany fa efa maro ny boite de prod manomboka matihanina eto dago na dia misy tendance monotone kely ihany aza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1182