mbola resaka paositra ihany e!

1. ni81 ( 05/12/2007 13:18)
Nandalo tany dago zahay t@ volana juin 2007 teo ary nividy extincteur kely eo @ 20cm eo ho eo ny ahavony. Tonga tao @ colis postaux dia nanontaniana ny saram-pandefasana dia nolazainy ary avy eo dia nasainy nanatona olona izay asa na mpiasa ao na tsia fa mikarakara ny famonosana io entana io. Nilaza ireo lehilahy ireo (roalahy) fa 10.000fmg no saran'ny boaty handefasana io. Omeo vola ary aloha hoy izy hividianana scotch, dia tonga dia nomeko 5000fmg izy; lasa ilay olona nivoaka tany dia iny nisy lehilahy hafa indray tsy isan'ilay roalahy nolazaiko teo akory fa hafa! Atao tsara fono io madama fa saro-pady eny ambony avion hoy izy. Eny hoy aho. Dia niverina ilay nividy scotch dia nanamboatra. Vita dia nomeko ny vola 5000fmg ambiny. Dia hoy ilay rangahy tonga farany io hoe tsy ampy io fa ampio 5000fmg. Tsia hoy aho fa 10.000fmg no nifanarahanay teo. Dia nanomboka nitabataba izy fa iretsy roalahy kosa aloha tsy niteny e. Izaho hoy aho tsy handoa an'izany fa io no nifanarahana dia nivazavaza teo izy fa tsy noraharahiako. Ny antony nahatonga azy ho be vava teo kay dia tsy inona akory fa hitany ny vadiko teo dia nararaotiny hampitomboana ny sarany efa nifanarahanay sy ireo namany , ary fanampin'izany dia tsy nanamboatra teo akory izy. Nolazainy teo daholo fa samy malagasy hono, f'angaha hoy aho raha samy gasy dia hiaina @ fametsifetsena. Dia nilaozanay fotsiny moa fa izay izany ilay hafetsena e!
novalian'i sipagasy ny 05/12/2007 20:08
2. veromahefa ( 05/12/2007 14:30)
ny ahy koa resaka paositra fa nandefa entana indray:
- avy aty ampita no nandefa fanafody tam fiandohan'ny oktobra, mandraky ny anio tsy voaray e!hany hery nividy dia nampitondra an-tanana!
Ilay izy koa moa tsy natao "recommandé" fa natao fotsiny hoe "prioritaire" nefa nilaina maika be!dia nampamangy e!:cry:
-faharoa, nandefa entana avy any Dago nankaty ny reniko, dia nisy rosia paositra izao nomeny ahy (ohatra hoe 30.000Ar no nandefa ilay entana ,nony nototaliako nefa ilay hajia teo amlay entana dia tsy misy antsasany akory) dia ahoana koa zany? sa za no tsy mahalala?:?:
-toa tsy misy vidiny efa mipetraka ny fandefasan'entana fa zay tiatian'zareo no ataony, raha araky ny voamariko hatrizay:!:
3. rurik ( 05/12/2007 15:10)
Tena efa aretina ao mada ao io zavatra io za avy tany t@octobre teo de nisy entana maromaro noentiko de ilay boaty 1 noentin'ndry zareo tany ivelany de natsony tany zahay de hoy ry zareo inona no ato , de nilaza aho fa statu de ozy izy we tsimaintsy savaina nisy olona tonga tampoka anefa asa na sefo na inona de ozy izy mifono tsara de hoy aho ie de we ay mety zany de vita teo tsy nosavaina akory de avy eo manaraka ahy avy eo aoriana le olona milaza we tsimintsy savana de miteny moramora ao arinako we de tsy mba misy mafanafana ve madama tena mangatsika ny andro , modiko tsy heno farany lasa .
tena mampalahelo le toetsaina, na dia izany we mafy zany aza ny fihainana tokony ny asa nyo ajaina.
raha samy manaja ny asany ny rehetra de miova i madagascar.
4. sipagasy ( 05/12/2007 20:08)
rurik à!, ka ny olona manao izany dia efa tsy manome hasina ny tenany aloha voalohany indrindra, avy eo tsy manome hasina ny toeram-piasany (ny paositra malagasy ny lasibatra eto) ary farany tsy manome hasina sy lanja ny fireneny, fa tia miaina @ 'tia kely' tssss sy ny hoe koa hoy izay namana izay hoe 'mametràha kely' tsss fa aiza ny mbola nisy firenena nilaina nampetrahana kely izany raha misy lalàna mifehy e!!!!! midika ve izany fa fanjakan'i baroa i Madagasikara tanindrazantsika???? ouups!!! dia iza no azo antsoina hoe ' i BAROA ' ao hihih matyyyy aho neny ôôôôô!!!:wink::-o
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2291