hiran'i poopy le misy hoe: Andriamanitra ô mba tahio, sombin

1. ttiavina ( 03/12/2007 11:03)
za ry reto mba mangataka ny tonon'ilay hiran'i poopy iny a, misy hoe:
andriamanitra ô mba tahio
sombinaiko iny
...
fa tsy misy tsara noho ny manana anao
...
raha sanatria ka mandao ny lalanao
andriamanitra ô ahitsio sombinaiko iny

dia misaotra anareo mialoha e
novalian'i Samoana ny 03/12/2007 15:29
2. xxx ( 03/12/2007 15:03)
i poopy izao no tena sur hoe manana anio!
3. Samoana ( 03/12/2007 15:29)
TAHIO
Apetrako eo an-tananao
Ary ombay ny hatsarànao
Andriamanitra o mba tahio,
Sombinaiko io

Zaho mba toroy sy ampahalalao,
Hahay hitondra ilay nomenao,
Ampio hahay hitarika io
Sombinaiko io.

Na ho maro eny, ny mafy holalovany,
Ampy ho ahy ny teny fa ianao momba ny diany

Ny tena iangaviako anao
Ho eo ambany tantananao
Omeo fo sy saina madio
Sombinaiko io.

Ka raha sanatria mandao
Minia miala ny lalanao
Andriamanitra o ahitsio
Sombinaiko io.

Fa tsy misy tsara toa ny manana anao
Fa manana anjara amin'ny fiarovanao

Ny tena iangaviako anao...
(Poopy)

Dia aza misalasala mamangy ny "Radio Vazo Gasy" fa sady sehatra fihainoana hira izy io no ahitàna tononkira sy vaovaon'ny artista samihafa ihany koa:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0584