KARAM-PANONDROM-PIRENENA,MITONDRA NY FINOANA MISY ANAO.

1. endrika01 ( 02/12/2007 15:10)
Tena mba samy manana ny fivoarany avokoa ny
zanak'olombelona sy ny firenena misy zay.
Vaovao be mihintsy any Egypte any zao ny
olom-pirenena rehetra feno 16taona dia tsy afaka mahazo ny karam-panondrom-pireneny raha tsy manome
ny antokom-pivavahana misy azy 'lay haka io carte d'indentité io.Io rery anefa no moyen mba ahafahanao mametraka vola any @ bank,hahazoana permis de conduire,hidirana mianatra,na hanao vaccine ihany koa.Tsy maintsy soratana ao zany hoe:chretienne,musulman,juive,.....
Raha tonga eto Madagaskara io zany de iza no Finoana tena mbô matanjaka ho harahina????Miovaova isan'andro ny zava-misy fa aleo ihany mitana ny an'ny tena sy manatsara toy izy haka tahaka ny an'ny hafa,afa-tsy ny zavatra hafa ara-tsiantifika angamba raha ohatra ka mahasoa.=D=D=D=D=D=D
novalian'i endrika01 ny 30/12/2007 13:36
2. ravakamalala ( 02/12/2007 22:54)
tokony ovaina zany ny anaran ilay carte tsy atao hoe "carte d'identité nationale" tsony fa atao hoe "carte d'identité religieuse"

tsy azoko loatra!!
3. bazylou ( 03/12/2007 00:12)
tsy ratsy ny conclusion'i RAVAKA:wink::wink:
4. ikaretsaka ( 03/12/2007 00:48)
farany koa dia asiana ny sarin'ny tonabila saoferana ny permis! kozy e..
dia hisy ny anao bizina fa daba 1 lasa misy saofera 1000.
tsetsatsetsa tsy aritra iny!

fa betsaka ny firenena raha vao manao taratasy ianao dia ny finoanao no anontaniany voalohany.. Indrindra ny tany arabo
5. ari.malala ( 03/12/2007 14:51)
fa in no antony?
6. sarobidy ( 03/12/2007 15:20)
ieny tokoa, inona no antonizay?
7. Jeankely ( 03/12/2007 15:23)
Misy antony io saingy tsy dia ilaintsika satria ny Malagasy malalaka amin'io lafiny io ary afaka miara-miasa na mivady sns ny olona samihafa finoana. Tsy olana ho an'ny Malagasy io ary tsy hita any Madagasikara ny hoe vao milatsaka ao dia fanotaniana réligion no mitsena anao. Mba lafiny tsara ho an'ny Malagasy io.
8. niryna ( 04/12/2007 05:56)
sarobidy:

ieny tokoa, inona no antonizay?

Matetika mba ahafahany manao census fotsiny ka hoe misy kristiana na silamo na ..izao ato amin'ity firenena ity
Miampy an'izay ihany koa dia ny fihaviana tsy maintsy soratana foana.Na @ fitadiavana asa koa aza ka ary raha misy zavatra natao hanatsarana dia manontany ny fihavian'ilay olona izy saingy asiany hoe (option)na tsy ho voatery ho fenoina ilay izy.
Ahalalany ny karazana olona na finoana na fihavian'ilay olona tonga sy mipetraka eo amin'ny firenena no mahatonga an'izany.
Tsetsatretra kely ity ohatra ny filipiana izao dia efa betsaka na kely aza ny firenena misy azy sy ireo firenena manodidina an'ny Amerika izay mifindra monina.Rehefa tonga ny fanaovana ttsy mba ahafahan'ireo firenena izay tonga mipetraka ireo dia an'isany tsy mahazo mandray anjara intsony io firenena io miaraka ireo marobe .Isika malagasy dia mbola vitsikely ary manana chance betsaka. :arrow:raha tsy nisy nilaza fa hoe malagasy izy dia tsy ho fantany na ahazo tombotsoa kely amin'ny zavatra mahasoa ny olona avy aty Madagascar ary tsy fantatry ny olona mihitsy ny fisian'izany hoe Madagascar izany raha tsy misy mahita ilay fihaviana .:D
9. niainalynx ( 04/12/2007 10:57)
Ny hany mba fantatro fotsiny dia hoe firenena silamo io ka ny finoana hafa ankoatry ny silamo dia efa indexé. Mijaly ny tsy olona tsy silamo any amin'ny firenena silamo !
10. endrika01 ( 05/12/2007 15:12)
tena marina tokoa zany ry zareo aaa,reo malagasy namantsika any Egypte reo zany de asiana manao an'izay
ihany koa????jereo zao hoatrany ao Allemangne,manomboka mihetsiketsika ry zareo ,mampiseho ampaha-bemaso any an-tsekoly ny
fampianarana ny finoana silamo,zany hoe atao mitovy @ fivavahana rehetra misy ny sekoly alahady,misy katesizy,de misy ihany koa ny fampianarana ny coran hoan'ny rehetra .Adika @ teny allemand ny coran,tsy misy maharatsy an'izay ,saingy le malaza ratsy fotsiny ry zareo silamo hoe :MAHERY FIHETSIKA.Fa de inona loatra no ilazana an-dry zareo hoe mahery fihetsika?ry zareo anefa milaza fa Andriamanitra ivavahantsika ihany koa no Andriamanitra ivavahandry zareo,tena misy lesoka be tsy mazava amiko mihitsy ao.^:^^:^^:^^:^
11. ravakamalala ( 05/12/2007 23:05)
Nefa eto frantsa amin izao fotoana izao, frantsa izay firenena d'origine "judéo-chrétienne romaine", amin izao fotoanan ny noely izao, vitsy (toa tsy misy mihitsy aza) ny magazay manao haingo na noely ka ahitanao "creche" ao anatin io haingo io, tsisy intsony endrika ahitanao hoe inona marina no tena hevitra ary ny antony ankalazana ny noely?

Diso aho, hay nahita "creche" ihany aho kay ka ....: tany amin ny restaurant sinoa!!!!!!!!
12. papala ( 07/12/2007 12:43)
Ny SILAMO dia mino an'ANDRIAMANITRA NA , fa tsy mino an'i JESOSY KRISTY!
Fa zay mino an'i JESOSY KRISTY no atao hoe KRISTIANINA! Raha mba tonga ao Jerosalema enao ka manontany momba an'i Jesosy dia hiomehezan'izy ireo fotsiny.KA MANDRAKANDROANY DIA MIANDRY NY FIAVIAN'ANDRIAMANITRA NA FOANA IZY IREO NA NY JIOSY !
13. endrika01 ( 09/12/2007 12:31)
papala:

Ny SILAMO dia mino an'ANDRIAMANITRA NA , fa tsy mino an'i JESOSY KRISTY!
Fa zay mino an'i JESOSY KRISTY no atao hoe KRISTIANINA! Raha mba tonga ao Jerosalema enao ka manontany momba an'i Jesosy dia hiomehezan'izy ireo fotsiny.KA MANDRAKANDROANY DIA MIANDRY NY FIAVIAN'ANDRIAMANITRA NA FOANA IZY IREO NA NY JIOSY !


de ry zareo zany tsy mba makalaza ny noely?de inona no ataon-dry zareo ,tsy misy noely zany ny an-dry zareo ireny?nahita aho fa hoe ny vehivavy hono tsy mandeha mivavaka ny an-dry zareo reny fa ny lehilahy ihany!!!!! de ity kou,refa le hoe Ramadan,de
zay Comorien hitako de manary rora daholo,tsy misakafo mihintsy fa tena manaja an'le fifadian-kanina.raha misy Silamo nareo ato @ serasera ry reto de aza matahotra fa mba tena kôzio anay mihintsy ny
tena ao @ Finoanareo ao ,soa ho fantatra fa izaho aloha dia tena lasa adala mihintsy é,marina mafy.
14. Vitsikakely ( 16/12/2007 13:40)
fiaraha-monina no ato ry endrika 01,fa tsy ato no tokony hampidiranao 'zany resaka fivavahana izany.
mila mivadika kely ary @ fivavahana ianao raha hametraka io fanotaniana io.
15. soanja ( 16/12/2007 14:10)
Mety ilaina ihany izany raha amin'ny firenena be mpitory amin'ny fanjakana sns ohatra hoe aty US satria raha sanatria ka misy accident na zavamitranga aminao ka mila miantso 911 izay an'ny fanjakana dia tsara ho fantany avy hatrany ny zavatra tsy hinoana mba hampiharana na tsy hampiharina aminao ny tokony atao rehefa tsy mahatsiaro tena ianao.
Ohatra hoe ny TJ dia tsy azo atao ny mamindra ra sns.. Ny Jiosy sasany tsy mihinana sira afa tsy kosher sira.
Aty moa izao dia misy mihitsy ny fanontaniana hoe hizara taova ho an'ny hafa mila izany ve ianao rehefa maty sa tsia? Betsaka manko ny olona miandry taova, maso, voa sns ka rehefa hitan'ny mpiasan'ny 911 na ny mpamonjy voina fa tsy avotra intsony ianao dia rasainy ny taova eny aminao homena ny hafa izay mbola afaka mandray izany. Ny fahalalan'io amin'ny karampanondro no ahafahana mahalala na mpizara na tianao atao izany ianao na tsia.
16. endrika01 ( 17/12/2007 06:11)
Mety marina tokoa anki zany,mety zany ny hanaovan-dry ry zareo Egyptien an'io é.Nefa mety hizara 2ny hevitra satria misy ny mpakahala silamo,na kristianina.
17. pitchou ( 19/12/2007 20:42)
tssss! fangejana ny olona tsy hanana fahafahana izany! eritrereto ny zava-doza hitranga raha extremiste no mpitondra! sady rizareo araborabo indrindra ange ny silamo tia mihosin-dra izay!
18. endrika01 ( 30/12/2007 13:36)
Innona tokoa ary no mahatonga an-dry zareo ho tena henjana?=D=D=D=D=D=D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4711