Arabe misy lolo mipoitra ka maty na maratra ny olona?

21. rakapy ( 03/12/2007 17:40)
Misaotra an\'i Ikaretsaka nanampy nanazava ny resaka fa ny miresaka @ olona tsy afaka ny hihaino ny tenin\'ny hafa na ny finoan\'ny hafa dia somary manahirana ihany.
Raha ho azavaiko etona ny lalana mahazo an\'Andranovory hatrany Faradofay dia isany toerana maro fasana tokoa nefa ny salan\'isan\'ny accident(lolo) dia ambany dia ambany tokoa.Satria ny mpamily dia mihaino hira kininika izay midika fa hoe manaja ny razana izy ireo. Fa raha ny RN7 na ny hafa dia ambony tokoa ny accident nohon\'ny fandalana be fahatany sy fihainoana hiram-pivahana Kristianina io. Tsy hoe mpanompo sampy ny olona iray rehefa tsy Kristianina. Io stereo type io no isan\'ny zavatra mahatonga ny zava-doza eto ambonin\'ny tany satria henjahin\'ny mpino Kristianina ireo izay tsy miotovy hereitreritra aminy.
22. ikaretsaka ( 03/12/2007 18:15)
io andranovory tolagnaro io aloha dia .. aleo eo ambony volant ny tanana dia mifantoka tsara fa lalana koa iny ka lalana

tsy hoe mpanompo sampy ny olona iray rehefa tsy Kristianina. Io stereo type io no isan'ny zavatra mahatonga ny zava-doza eto ambonin'ny tany satria henjahin'ny mpino Kristianina ireo izay tsy miotovy hereitreritra aminy.

Za Kristianina, nefa manaiky fa misy fahamarinany io, (eny e.. za koa moa hita le trace maha vakinankaratra ka...:roll::wink:)
23. niryna ( 04/12/2007 05:24)
sarobidy:

za ko te hanampy ny tenin'i niryna fa efa nambara antsika kosa nge oe tsy afaka afangaro ny fivavahana sy ny sampy eh! sarotra be ny handresy lahatra an'i rakapy fa ny tenin'i niryna lava be io efa mahavaly tsara ny nolazainy teo.
Fa misy teny zay tary ambony tary oe ny an'ny firenena mandroso tsy mba misy lolo fa rehefa ny toerana no misy accident matetika d ny lalana no amboarina.
Marina fa Madagasikara tsy mbola ao anatinle firenena mandroso fa raha izany teny zany no horaisina tsy tokony ho namorona anirony film orera misy angatra irony ny vazaha satri any tsisy angatra fa aty amintsika iany satri ry zareo firenena mandroso.
Le izy nge tsy voatery hoe mino ny fisinle angatra tsika na tsy mino fa ny zavamisy no tantaraina sy ifampizarana eto e fa za woa mbola tsy sendrany

=D=D:-*
Misy ny fanahy ratsy marina tokoa izany ary misy koa ny Fanahy tsara.Io indray dia ataontsika sujet amin'ny manaraka angamba kanefa sao bedin'ny olona eto isika fa tsy fivavahana ity fa eritreritra mandalo.Ilay FM resahiko io dia ny anjelin'ATra izay miaraka amin'ny olona ao anatin'ny zava-doza mety mitranga ao amin'ny fiainany.Tsy ho voatery ho zava-doza ihany anefa.Vaky ny pneun-ity vehivavy namako teny amin'ny auto-route,nisy lehilahy nofahofa tanana azy hoy izy tamiko ka heveriko fa misy zavatra ao antsainy,voa maika izy niteny no sady nanondro ny pneu-ko ary dia nijanona aho.Nosoloin'ilay rangahy ny pneu-ne ary andeha hisaotra izy,tsy nisy fiara na olona akory teo akaikiny.Ity koa nisy iray,olona no niresaka tamiko,mpiara-miasa amiko indray.Maty teo ankebakeban-tany ny fiarany ary tsy misy fomba hiantsoana olona ,ny andro mangatsiaka,nivavaka mafy aho hoy izy mba hisy hanampy.Iny tokoa nisy lehilahy iray nanatona azy ary nanosika ilay fiara mandra-pandehany.Ny andro hoy izy mangatsiaka be ary ilay olona efa lasa vao hitako fa manao short kely,tsy hitako ny nanjavonany .Atra dia manampy ny olona avy amin'ny alalan'ny FM sy ny anjeliny.Toy izany koa satana manana miaramila be dia be mihitsy.
24. niryna ( 04/12/2007 05:29)
MCZ:

Ny ahy mba azoko lazaina fotsiny dia ny hoe ,
fa ny ahy alony efa sendra nisy anio lolovokatra io tao @na toerana fanaovana fety tao Ilakaka tsy nahita tsara ilay izy ny tenako fa t@ izahay tao @ ilay toerana nanaovana bal dia nisy olona nahita lolovokatra tao @ ilay toerana ka norohaina ilay izy nihezaka mba hijery ihany ny tenanay fa efa olona efa lasa nivoaka sy nirifatra mafy tany ivelany no tazana ny nanaitra t@ io mantsy dia nisy olona nitoraka vovotany t@ilay olona tao anatin'ilay toerana nanaovana bal , fa ny efa nataoko dia nanejika pamosavy tao @ tanana nisy anay niaraka t@ fokonolona , enjana io fa aza sendra mifanena sy mifanatritava @.

Izaho koa mino an'izany fa tsy maniry ny ahita mpamosavy kosa aloha aho e. Araka ny teneniko hoe misy fanahy ratsy ary misy Fanahy Masina ary ilay fanahy ratsy tsy ho voatery hanao ratsy foana izy,savosafony,tsotsofiny dia matory ao am-piangonana,ampifantariny fa tsy misy satana ary io no zavatra am-piasany amin'ny maro.Amin'ny fanahy azy dia ny fanahin'ny teny koa no miara miady amin'ireo.Ny iray mandrirotra mampanao zavatra tsara ary ny iray manoro voana :D dia izay maharesy no tompon'ny laka.Mivavaha foana isaky ny manao zavatra ka izay omen'ny FM no araho fa tsy manenina mihitsy hianao.
25. niryna ( 04/12/2007 05:33)
ikaretsaka:

rakapy:

Ny tena marina dia ireny olona miseho ho mpivavaka(Kristianina) ireny no tena halan-dolo rehefa manao voyage. Tena marina io.Nahoana? Ny lolo na avelo na angatra... [. . . ]. Raha tsy hijery afatsy ny eto Madagascar isika dia maro dia maro tokoa ireo zavatra mitranga nohon\'ny tsy fanajana ny finoan-drazana.Ohatra hoe asiana la croix ny Kristy ao anaty fiara nefa handeha handevina ka hadino ny manome toaka ny razana. Ao koa itony taxi-brousse mpanao lavavalina ka ny hiram-pivavahana no manenika ny lalana .Ao koa ny mitono tena fa kristianina dia asiana soratra ao anaty fiara( Tompo o arovy ny dianay sns...) Ireny no tena mahatonga ny lolo hasiaka amin\'ny mpandeha fiara.

Misy fahamarinany aloha ny sasany @ ilay izy, matetika ireny midokadoka tena sy be confidence ireny no tratran'ny accident matetika...
misy fiteny izay hoe "matetika ny mahay milomano no maty an-drano, (ny tsy mahay milomano ts'inona haninona hilomano fa aleony maka sisiny sy tsy mitsalotsalo)
Ilay hiram-pivavahana kosa no anaovana lava alina dia tsy le @ maha hitam-pivavahana azy angaha, fa @ ilay ba-nkira somary malefadefaka mandrotsirotsy mampatory ireny, indrindra ny protestant (afa tsy ny sasany @ fihirana fanampiny angaha), na hira profane aza fa somary malefaka dia efa mampatory @ lava alina matory ny saofera dia lazaina fa mahita izao hallucinations rehetra izao! indraindray izy tsy mahita akory fa renoka de manofy dia tsy mahafehy ny familiana intsony dia any yyy! nahita angatra izy hono rehefa anontaniana ... nefa tany @ nofiny!
tsy mamely akaiky hirana mpiandry aho fa amiko manokana rehefa mande ireny hira ireny ka somary rendremana izay fia mahita le izy mianakavy manao fotsifotsy rehefa manomboka manofy.. fa raha taitra tampoka dia tena mitsamboatra kely hoe nahita matoatoa.. mandra pi realize hoe aaaaah zao kay izany no nitranga!
izany no tsy atoriako loatra rehefa lava alina, nefa izaho mpilava alina be tsy laitra fahiny

Dia izany ihany koa no asiana olona mifandimby eo aloha mampiresaka ny mpamily na mijanona kely maka torimaso na 15 mn fotsiny ihany aza rehefa te-hatory na vizaka izy.
Efa naheno ve hianareo hoe ireny lalana misy lolo ireny hitondrana mpiandry na hivavahana?Toa tsy mbola naheno aho,vato mamy indray aza no entin'ny olona.
Ny trano misy azy no efa naheno aho fa hivavahana.
26. niryna ( 04/12/2007 05:35)
rakapy:

Misaotra an\'i Ikaretsaka nanampy nanazava ny resaka fa ny miresaka @ olona tsy afaka ny hihaino ny tenin\'ny hafa na ny finoan\'ny hafa dia somary manahirana ihany.
Raha ho azavaiko etona ny lalana mahazo an\'Andranovory hatrany Faradofay dia isany toerana maro fasana tokoa nefa ny salan\'isan\'ny accident(lolo) dia ambany dia ambany tokoa.Satria ny mpamily dia mihaino hira kininika izay midika fa hoe manaja ny razana izy ireo. Fa raha ny RN7 na ny hafa dia ambony tokoa ny accident nohon\'ny fandalana be fahatany sy fihainoana hiram-pivahana Kristianina io. Tsy hoe mpanompo sampy ny olona iray rehefa tsy Kristianina. Io stereo type io no isan\'ny zavatra mahatonga ny zava-doza eto ambonin\'ny tany satria henjahin\'ny mpino Kristianina ireo izay tsy miotovy hereitreritra aminy.

Kz sarotra an'ny tsirairay anie ny hitsara e,manaja ny an'ny hafa fa milaza ny zava-misy fotsiny.Izay mino tsara izay tsy mino azy ho azy,Vita ny adidy.
27. niryna ( 04/12/2007 05:39)
ikaretsaka:

io andranovory tolagnaro io aloha dia .. aleo eo ambony volant ny tanana dia mifantoka tsara fa lalana koa iny ka lalana

tsy hoe mpanompo sampy ny olona iray rehefa tsy Kristianina. Io stereo type io no isan'ny zavatra mahatonga ny zava-doza eto ambonin'ny tany satria henjahin'ny mpino Kristianina ireo izay tsy miotovy hereitreritra aminy.

Za Kristianina, nefa manaiky fa misy fahamarinany io, (eny e.. za koa moa hita le trace maha vakinankaratra ka...:roll::wink:)

:D . Maro dia maro anie ny zavatra tsy mifanaraka ny sitrapon'Atra ataontsika olombelona e. Ary ilay mitompo teny fatratra mizahozaho no mahavoa ami'ny fiainana.Mila ny tsirairay ny daholo be ary ny daholo be mila ny tsirairay.Tsy misy afaka mandeha irery ny olona.Ary raha miteny sy milaza ny zava-misy ny hafa kanefa tsy henoiny na tsy fantany aza ny antony dia eo no mametraka baingy hianjerany. Tia mitsakatsaka e kanefa tsy mahalala ny fomban'ilay tany na dia tsy mifanaraka ny finoanao aza ilay izy.

28. ikaretsaka ( 10/12/2007 21:02)
mety mifanaraka amin'ny sitrapony ihany ry niryna .. fa ny saintsika no mi force azy hoe "tsy mifanaraka izany"
29. niryna ( 11/12/2007 05:59)
ikaretsaka:

mety mifanaraka amin'ny sitrapony ihany ry niryna .. fa ny saintsika no mi force azy hoe "tsy mifanaraka izany"

=))=)) ka angaha tsy novakianao ilay tenin'Atra ary amin'ny fivavahana? Ao amin'ny Rom 1:25-29 ?
Nanohitra an'Atra ireo olona ary dia navelany satana ampiasa ny heriny amin'izy ireo ary dia nanao zavatra maro mamoa fady? Izay no nitadiaviny dia nomeny...
30. rakapy ( 11/12/2007 23:46)
niryna:

Ary angaha tsy novakianao ry Nyrina ilay tenin'A/tra ao amin'ny CORAN ary amin'ny fivavahana? ALLAH HUA KBAR ,ALLAH HUA SALAAM LE KUM, MISH MILEH. Fa I Jesosy dia mpaminany tahaka ny mpaminay rehetra ihany fa i A/tra dia iray ihany.

31. ikaretsaka ( 12/12/2007 21:28)
betsaka koa ry niryna ny ao anaty baiboly mitantara sy niandrandra ny olona hoe nanantena hoe toy izao no sitrapon'A/tra.. kay tsy izany!
na ny Nahatongavan'i Jesoa teto an-tany sy ny nahitan'ny jiosy an'izany fotsiny aza
32. niryna ( 14/12/2007 05:56)
rakapy:

niryna:

ikaretsaka:

mety mifanaraka amin'ny sitrapony ihany ry niryna .. fa ny saintsika no mi force azy hoe "tsy mifanaraka izany"

=))=)) ka angaha tsy novakianao ilay tenin'Atra ary amin'ny fivavahana? Ao amin'ny Rom 1:25-29 ?
Nanohitra an'Atra ireo olona ary dia navelany satana ampiasa ny heriny amin'izy ireo ary dia nanao zavatra maro mamoa fady? Izay no nitadiaviny dia nomeny...

Ary angaha tsy novakianao ry Nyrina ilay tenin'A/tra ao amin'ny CORAN ary amin'ny fivavahana? ALLAH HUA KBAR ,ALLAH HUA SALAAM LE KUM, MISH MILEH. Fa I Jesosy dia mpaminany tahaka ny mpaminay rehetra ihany fa i A/tra dia iray ihany.

Andao any amin'ny fivavahana isika no miresaka fivavahana fa sao bedin'ny olona eto ka :D Ny ao anatin''ny bokin'ny korana firy ny zanak'Andriamanitra?
33. niryna ( 14/12/2007 05:57)
ikaretsaka:

betsaka koa ry niryna ny ao anaty baiboly mitantara sy niandrandra ny olona hoe nanantena hoe toy izao no sitrapon'A/tra.. kay tsy izany!
na ny Nahatongavan'i Jesoa teto an-tany sy ny nahitan'ny jiosy an'izany fotsiny aza

dia ahoana ry ika,andao any amin'ny fivavahana ihany isika no miresaka ny fivavahana ka,bedy eto isika an.
34. rakapy ( 15/12/2007 04:35)
Zanak'A/tra daholo ny olombelona rehetra ry Nyrina an! tsy misy hoe rehefa mamaky Coran izy dia tsy zanany fa rehefa mamaky baiboly izy dia zanany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5855