Enim-bolana,telo ary iray andro sisa,inona no ataonao?

21. ikaretsaka ( 30/11/2007 21:41)
mahay mitsimpona be i pasitera fijo!
22. fijo ( 30/11/2007 21:53)
pissoa wa rehefa manoratra,fantaro aloha hoe le valiny ity ve,le taiza no valiana eto.
23. pissoa ( 30/11/2007 22:21)
Fijo:
pissoa wa rehefa manoratra,fantaro aloha hoe le valiny ity ve,le taiza no valiana eto.

Izany a ! miala tsiny e, tsy ampy ny fahalalako teo ! :wink:

Fa ankoatra izay, sao ianao no tokony miezaka mampiasa ny tolotry ny serasera handrindrana ny dinika ! Tsy nataotao foana ireny fa hisorohana ny tsy fifangaroana toy izao

http://forum.serasera.org/?rub=dinika/bbcode.help
24. ikaretsaka ( 30/11/2007 22:24)
fijo tia kompose namba
25. fijo ( 30/11/2007 22:39)
ka ery ambony ery anie efa nolazainy tsara hoe hoy i"jereo fa misy anaran'olona nomeny tao e"mamakia wa tsara aloha
26. niryna ( 01/12/2007 01:41)
ikaretsaka:

niryna:

dia miandry fotsiny amin'izao ve ? :D
Teo ahoana ry ika?
dia inona no nataonao?
Inona izany voeux d'obedience izany ?
misaotra mialoha


miandry sy mahatoky koa: ohatra hoe rehefa alainao izao aho Tompo de ty aho dia avelaho ny fahotako dia ento any aminao aho (io le obedience lazaiko an'i fody) raha mbola tianao hiasa eto an-tany aho fa misy tsy ampy ny nataoko taty dia vonona koa aho... ito aho dia ataovy ze tianao atao!

Teo ahoana? ...survivor aho no niala fa ny ahy tsy cancer fa zavatra hafa, Herintaona lasa izay.. jour pour jour!






hay ve e! misaotra betsaka nizara.Ny zaobaviko koa no voan'ny cancer enintaona lasa izay ary tamin'ny fotoana nahalalanay rehetra fa voa izy dia samy nivavaka izahay,hatramin'izao izy mbola velona foana.
Misaora an'i Jehovah ny fanahiko ary izay rehetra ato anatiko misaora ny anaran'ny masina Amena
27. niryna ( 01/12/2007 02:13)
Fody:


Tena fahasoavana manokana tokoa na dia fanamelohana ho faty aza, satria tsy maro no mahalala ny ora hahafatesany.

olona namono olona ohatra 13 no matiny nataony tsakitsaky zato arivo fahiny ary dia ho vonoina izy ,fahasoavana ve izany nanala ain'olona maro izany?
Na ilay olona handefa hery mahafatsy azy na fanafody ampidirana amin'ny tenany aza tsy ho vara-hotsana ve?
Dia ahoana no maha fahasoavana an'izany.Toa tsara ihany raha mahafantatra ny andro ahafantesana
ny olona koa :oops:

Ilay faontaniana manaraka ny hamaliako azy dia hoe: mahalala ve ilay olona ho faty sa tsia? Satria samihafa ireo. Raha efa nahalala ny hahafatesany izy nialohan'ny coma ela be dia hafa izay, fa raha mbola tsy nahalala kosa dia hafa koa izay.

ilay ramatoa efa nahalala fa tsy ho sitrana intsony hoy ny dokotera ny aretiny.
Tsy mihonona hatreo aho raha izaho fa mivavaka mafy tokoa.Vao nisy lehilahy izao voan'ny cancer ihany koa ary dia notenenin'ny dokotera koa izy fa tsy misy fanafany intsony, nametraka ny fiainany tamin'ny Tompo tanteraka izy mianakavy,velona izy hatramin'izao ary dia nijoro vavolombelona tamin'izany.
Mahavariana tokoa ny asan'Atra I (l) JESUS .He (l) us ,too.
Na inona mihantra amintsika rehefa miantso ny anarany isika dia tonga foana Izy,misy hery miafina tsy takatry ny sain'olombelona ny Anarany.

28. niryna ( 01/12/2007 02:24)
Fody:



Raisiko kely ilay hoe: Fanekena nolazain'i ikaretsaka ery ambony ery, satria io no tsy mampitovy antsika ry nyrina.

Ho ahy rehefa nolazain'ny dokotera aho fa ho faty afaka 1volana, na roa andro...

Ny zavatra hataoko dia tsy handeha hitady fanasitranana etsy sy eroa ohatra ny nataonao io.
Voalohany: miezaka ny hanaiky izay zavatra izay aho aloha, ary mangataka amin'Andriamanitra mba hahay handray an'io tranga iray tsy maintsy hiseho io. Amin'izay no hanaovako ilay vavaka hoe: "Ray ò, esory amiko ity kapoaka mangidy ity, nefa aoka ny sitraponao no ho tanteraka fa tsy ny ahy... Ray ò! apetrako eo an-tananao ny fanahiko"...

Faharoa: Raha maty amin'io daty voatondro io aho dia tsy hampaninona ahy izany satria hanafaingana ny fahazoako izay nampanatenaina ahy: La mort me sera un bienfait : elle m'enverra plus vite à Dieu, pour qui je vis, que je sers, pour qui je suis déjà à de mi mort, et vers qui j'ai hâte d'aller.
Raha ohatra kosa ka tsy mbola sitrak'Andriamanitra ny hahafaty ahy amin'io fotoana io, dia tsy hampaninona ahy koa izany, fa hotohiziko izay efa natomboko hatramin'izay.


Amiko ny fangatahana fahasitranana etsy sy eroa, dia midika ho tsy fanekena ny sitrapon'Andriamanitra. Ny tsara dia ny manaiky fa marina izay voalazan'ny mpitsabo (raha mandainga izy, na diso dia azy izany), ary ny manaiky koa fa matoa io voalaza dia izay no sitrak'Andriamanitra. Ny tokony handehanan' ny saina sy ny fo amam-panahy dia ny hoe: ahoana no hiantrehako an'ity ora farany ity...

NB: Hafa izy raha ohatra ka aretina mbola misy fanafany hadisona amin'izay raha tsy hitsabo tena.

Misaotra!



Raha izay no fantatrao fa mahafaly anao dia izay atao izany.Amiko aloha dia tsy andeha ho any amin'ny mpanandro aho na mpanao fanafody gasy fa manatona any am-piangonana misy fanasitranana.Firifiry ny masera sy monpera no mandeha any amin'ny 67 ha mitady sy mitondra olona sitranina.Andriamanitra no manome ary Izy no maka ary ny teniny dia milaza fa raha mino isika dia manao ny ataony ary mihoatra lavitra noho izany ary.Ny tenako izany no mila mivavaka mangataka famelan-keloka sy famindram-po ary mivavaka aminy andro aman'alina ihany koa mba ho sasan'ny ran'i kristy ny aretina sy ny fahotana rehetra.Izay ilay fandehanana any amin'ny fiangonana manasitrana.Sa ny anareo tsy mba manana fiangonana manasitra na olona natokana nahazo fahasoavana hivavaka sy hametra-tanana? Na isika izao aza dia afaka manao an'izany raha mino,afaka mandroaka devoly raha mino.

16 Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina.

17 Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;

18 handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny.
Marka 16:16-18
Mivavaha,alaivo ny baibolinao ary amin'ny alalan'i Kristy izay Tompo ,Mpanjakan'ny mpanjaka no anaovanao an'izany . "Antsoy Aho dia hovonjeko hianao."
Andramo
29. niryna ( 01/12/2007 03:03)
fijo:

a mort me sera un bienfait : elle m\'enverra plus vite à Dieu, pour qui je vis, que je sers, pour qui je suis déjà à de mi mort, et vers qui j\'ai hâte d\'aller.

manaporofo fa olona tsy miaina eto fa efa manonofy ny hiala haingana;ny olona tsy nahita soa teto an tany no milaza toa io.

raha izaho no lazaina hoe 1 volana sisa,dia manao fety foana aho mandrapahatongan\'izay hora izay;hifaliako izay andro sia mbola eo

:cry: dia any an-koatra no mifankahita ? raha mino dia miaraka amin\'i kristy fa raha tsy mino dia may ny afo eo.:oops::oops:
30. niryna ( 01/12/2007 03:06)
pissoa:

Fijo mitsimpona :-D:-D:-D
manao izay hahafahana manoratra fotsiny hoe manonofy e bla bla bla dia tsy te hamaky na handray hatramin'ny farany izay lazain'ny hafa !!!

Raha ohatra kosa ka tsy mbola sitrak'Andriamanitra ny hahafaty ahy amin'io fotoana io, dia tsy hampaninona ahy koa izany, fa hotohiziko izay efa natomboko hatramin'izay.



=))=)) ny an'ireo izay tsy mino an'Atra no tena mafy ny ahazo azy ry pissoa,tsy misy afaka antsoiny sy hanoherany ny tenin'Atra intsony,izay vao hitany ny jiro lasan'ny saka. Izay vao mino izy ireo fa hay satana misy fa mody milaza amin'ny olona hoe tsy misy izy.
31. niryna ( 01/12/2007 03:08)
fijo:

tsy i fody no teneniko eto,fa le nilaza io teny io ry pissoa an,lery fantako fa mbola te hanandrana hampiasa fimailo



:roll:
32. niryna ( 01/12/2007 03:09)
ikaretsaka:

mahay mitsimpona be i pasitera fijo!



:D:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0388