Malagasy?

1. simplex ( 29/11/2007 19:14)
http://www.les-nouvelles.com/default.php?file=article&mode=detail2&id=33431

ahoana ny fahitanareo azy? :)
inona marina ny kolo-tsaina malagasy e?
mibahana/manatsara ny fampandrosoana ny firenena ve ny fitandrovana ny kolo-tsaina Malagasy?

:P
novalian'i simplex ny 04/12/2007 22:32
2. xxx ( 29/11/2007 19:25)
malgache:-P
3. ikaretsaka ( 29/11/2007 20:26)
Raha culture diversifie ve tsy ny an'ny bekintana? nefa jereo! sady fier ry zalahy no nampandroso ny fireneny ilay izy...
Fijeriko io an!

xxx> mivoaha fa aza menatra:-P
4. sitlo ( 29/11/2007 21:11)
Ilay izy aloha betsaka ny manafangaro ny kolotsaina (culture) sy kolotsaina fahiny (tradition).

Mitsidika musée izany dia mampiseho ny kolotsaina fahiny.

Un geste anodin peut-être pour les uns, mais significatif pour ce pays qui croit que son actuel développement économique résulte de la mise en valeur de sa culture, à travers l’adoption d’une politique culturelle nationale.

Tsy mino an\'io aho. Raha mandroso izy dia ny famokarany (sakafo sy akanjo sinoa ...) fa tsy ny mandihy sy ny manao tai chi. Ilay kolotsaina miditra fotsiny amin\'ilay hoe inona ilay sakafo vokarina, sy ilay hoe atao mangirangirana ve ny akanjo sa tsia.

Ny tiako tenenina, raha momba ny fampandrosoana, dia hoe: misy ny zavatra fototra dia misy ny haingokaingony. Ny resaka kolotsaina: toetra (fanajana ...), zavakanto (hira, akanjo, ...), ... dia haingony fotsiny ihany. Na tazonina io, na maro isakarazany, rehefa tsy eo ilay fototra hoe famokarana dia tsy mamely.
5. baraingo ( 30/11/2007 11:33)
simplex:

mibahana/manatsara ny fampandrosoana ny firenena ve ny


manatsara io, fa nmavo antsika ko nge le etany tandrefana reo e. ny olona mireare mits @ kolotsaina nefa netsika tô ôtrn everina toy ntsimisy zany.
6. Mandefitra ( 30/11/2007 12:08)
Ny mety hitondra fampandrosoana nga de izy atao hanintonana vahiny (touriste culturel?) ...
Raha ny manatsara ndray, arakarany :
- azo eritreretina hoe ny fahafehezanao ny teny malagasy (ny kabary, ny ohabolana, ny oha-pitenenana...) ahafahanao mifandray @ ireo any ambany volo, hampitanao ny fahalalanao sy ny traikefanao @ izy ireo
- ny didim-poitra (hasoavana) toa hoe manampy @ fiarovana ny aretina SIDA
- Ny famadihana mety hampahantra ra tsy mahay mandanjalanja
- ny zaza kambana tsy azo tezaina any @ faritra sasany fanetribe ny fandrosoana
....
7. xxx ( 01/12/2007 13:15)
ikaretsaka:



xxx> mivoaha fa aza menatra:-P


ah a ah woà!:-P:-D

8. simplex ( 01/12/2007 22:25)

ika,
ny fotsy aloha no tena nampandroso an'ny bekitana (t@ fampiasana ny maintsy sy fandripahana ny peau rouge) kanefa inona ny culture an'ny fotsy eo? YMCA sy chicken dance ve? :°):lol::lol:

sitl,
justement io zao lafiny iray azo hijerena azy hoe refa tsy misy ny industrialisation dia na tsy mandroso mintsy na mandroso fa tsy durable le izy.
Ny lafiny 1 ihany koa izay tena hita taratra eo firenena mahantra, indrindra fa nosy toy ny antsika, dia mitakisina loatra @ le fomban-drazana isika ary tsy dia mazotoa loatra hisokatra @ firenena hafa.
Ohatra tsotsotra, in no olana hivarotana tany hoan'ny vahiny?? izany ngefany ny dingana voalahonay @ investissement direct etranger, kanefa dia otran'ny hoe mivarotra ny fanahy ny fivarotana tanin-drazana.

baraingo,
in marina aloha ilay kolo-tsaina antsika e? mila liste exhaustive mintsy ah fa tena tsy fantatro tsara hoe in avy le izy? tena marina io an.
resaka fadin-drazana dia tsy miompy kisoa, kanefa bizna mande be?...
Isika le mitakisina be loatra @ le resaka razana mintsy zany no tena probleme e. Za tsy miteny akory hoe zivazivao ny razana na hoe aza mamadika intsony fa tokony tsy ho voafehin'zany e.

Mandefitra,
ekena, indrindra ilay teny Malagasy :)
Ny sasany fantatrao fa gasy izao aza dia mamonjy miteny frantsay tssssssssssss, soa ihany fa manja fa ra tsy izany niavonavonako :°):-P:-D:-D
9. xxx ( 01/12/2007 22:47)
Ny sasany fantatrao fa gasy izao aza dia mamonjy miteny frantsay tssssssssssss, soa ihany fa manja fa ra tsy izany niavonavonako


:-D:-D:-D
10. ikaretsaka ( 02/12/2007 04:08)
xxx:



ikaretsaka no niteny
xxx> mivoaha fa aza menatra:-P


ah a ah woà!:-P:-D




tsy hiboka yao zegny.. ndao hihira ary!
za mitarika any enao izay eeee. ika la menavolo havako iny eeeeeeee


11. xxx ( 02/12/2007 20:06)


tsy hiboka yao zegny.. ndao hihira ary!
za mitarika any enao izay eeee. ika la menavolo havako iny eeeeeeee



[/quote]


izy ndreky tsy hiboàka zegny!!!!!agnô ndreky tsy menavôlo fa fohy lôtry volonô!:roll::-D


12. soanja ( 02/12/2007 21:39)
simplex:

http://www.les-nouvelles.com/default.php?file=article&mode=detail2&id=33431

ahoana ny fahitanareo azy? :)
inona marina ny kolo-tsaina malagasy e?
mibahana/manatsara ny fampandrosoana ny firenena ve ny fitandrovana ny kolo-tsaina Malagasy?

:P


Raha ny hevitro dia sasapoana izay olona na firenana tsy hanaiky fa hisy fiovana ny kolontsainy na ny momba azy nefa eto ambonin'ny tany izy.

Ny fiainana dia mila jerena foana hoe mifampiankina sady mifandray nefa tsy haharitra sy tsy mateza fa mandalo avokoa ary mihasimba satria tsy misy atokisana ny fahatomombanan'ny tsirairay amin'ny mahaizy azy tsy misy raorao.

Mety HS ny tiako resahina saingy aleo lazaiko ihany. Isika olombelona dia mila mahalala fa ho faty isika. Ny fiainana sy ny kolontsaina koa dia ho faty saingy raha maty izy dia teraka ny zavabaovao izay mifandray amin'iny ihany ka mety ho tsara na ho ratsy. Maneke ny fiodin'ny tany sy ny fiainana ary tsy atao hoe ratsy na tsara fa hoe raha azo atao dia ataovy ho vakoka izay mbola tazanao tsy nisy fiovana ho fahatsiarovana na history hoan'ny hafa izay taranaka any afara elabe any.

Ny ankoatr'izay dia ento miaraka amin'ny onjandrano. Aza miady nefa koa aza mamela. Maneke!

Tsy misy ifanomezantsiny fa ny tantara no mahatonga ny zavamisy rehetra ho tahak'izany. Ny tantara ihany koa no hitsara ny ho avy tsy fantatra nefa azon'ny tsirairay amboarina amin'ny itiavany azy raha toa ka manana fahefana amin'izany izy. Ny anjara izany no tsy misy fa ny famolavolana azy no lahatra!


13. simplex ( 03/12/2007 12:58)

soanja,
ie
fa zany hoe ilay fotoana takian'ilay fiovana no tsara kokoa ra somary lavalava noho ny hoe brusque be le izy. Tokony hiara hiova @ fotom-pisainan'ny fiaraha-monina ilay fiovana kolo-tsaina, io anefa mety elaela satria mihazatra tsikelikely ny olona... le transition zany no ezahina ho malama araka izay mety.
Fa ekeko tanteraka hoe tsy maintsy misy ny fiovana e.
Za zao mieritreritra fa @ 3000 mety ho sinoa sy karana na metisy an'reo ny 90% an'ny mponina eto ambonin'ny tany sy any @ planeta hafa any :roll::°):-D:-D
14. soanja ( 04/12/2007 04:45)
Ka azon'ny Simp azavaina ve zany ny hoe foto-pisainan'ny fiarahamonina vs kolontsaina?
Mifampitohy mantsy ireo amiko sady tsy mifanary fa mifandray.
Ny fotoana koa aza amiko dia mbola azo resahina hoe (relative) ahoana ny fotoana hoe haingana amin'i Simp de ianao no fotoana fohy loatra. Iza no resahina amin'io fahitana azy tampoka loatra io ny generation avaizo sa ny taloha? Manao ahoana ny malana ary inona no maisatra?
Miala tsiny fa be fanotaniana o!
15. simplex ( 04/12/2007 22:32)
soanja,
kay sarotra be izy zany :°):lol::lol:
ny fotom-pisainan'ny fiaraha-monina ve tsy mahafehy ny atao hoe kolotsaina ihany? :)
Ndeha atao hoe fombafomba fampisehoana na fampiharana, fanandratana ny fotom-pisainan'ny fiaraha-monina eo @ tontolo iainany andavan'andro ny kolo-tsaina. Ra jerena @ zao le izy d hoe miara miova ireo zany. Eny tokoa, theoriquement!! Fa eto @ ity dinika ity, mikasika ny hoe tsara hoan'ny fampandrosoana ve ny fitandrovana ny kolo-tsaina?, dia azo lazaina hoe mety ho tonga aloha ilay kolon-tsaina, noho ny resaka fanatontoloana ohatra. Mety hoe izay koa no takian'ny fampandrosoana, le resaka fivarotana tany teo zao anisany.

Marina fa miova miaraka @ fiaraha-monina ny kolon-tsaina, taloha izao nanao salaka, @ zao manao akanjo ambony ambany :roll: fa raha brusque be ilay izy, izany hoe haingana loatra dia vao mia mampihemotra indray :roll: ny tiako lazaina dia hoe ny fiovana tokony misy hifandraisany @ efa nisy teo foana fa tsy tokony misy tonga dia misaoty be. Olona tsy mahay mamakiteny ve dia tonga dia omena ordinateur ohatra? :) "smooth", izay le malama noteneniko teo. tsy maintsy hoe bado - mahay mamaky teny - ... - mampiasa ordi.

Izany akory tsy mampiova an'ilay hoe mila miova ny kolon-tsaina ra te handroso an. Ny asa vitan'ny angady indray andro tsy hitovy @ vitan'ny traktera mintsy. Fa mila an'ilay hoe mila mianatra mampiasa an'ilay izy aloha le ol, ary indrindra indrindra mianatra mitantana, ny calcul an'ny couts, ny maintenance sns... sao maimaika @ traktera nefa ny tanimbary tsisy 1 hectara akory :)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4574