tena izay tokoa v ny vahaolana??

1. ari.malala ( 27/11/2007 14:25)
Aorona daolo indray izao izay rehetra miloko vert armée, eny na dia patalohana mpianatra aza, eny an dia labasy aza... tena izya ve no vahaolana hampandry fahalemana ny tany? fa raha aorona ny patalohan'ny ankizy mpianatra, moa ve misy mpianatra mahay misandoka ho polisy any ambanivolo any? ny mampalahelo dia tokony tany am douane d'efa nosakanana tsy hiditra le izy fa tsy refa eny am fivarotana vo aorona... le vahoaka efa mafiady kely iany no atao ze hampahory anazy:-(
novalian'i tendry77 ny 07/12/2007 21:26
2. Jeankely ( 27/11/2007 14:46)
Rehefa tonga ny tsy mety dia ny vahoaka ihany no fadiranovana hanjakan'ny Polisy sy Zandary sandoka. Ny mampalehelo aloha dia saika tara daholo ny fanapahankevitra satria tafaray samy be mokondoha ka ny atsy tsy voavaha ny atsy miporitsaka ary ny avary manararaotra. Efa nilaza izao ny tompon'andraikitra fa ny didin'ny ankanjo mitovy @ Miaramila sy Polisy na Zandary no enjehina avy eo mivadika zavatra hafa no henjehina. Samy be monkondoha sy tsy mifanaraka dia misavoritaka na hasavoritaka mihintsy satria izay no tanjona. Rehefa tsy mahay mifanaja ny samy olombelona dia ny Filohampirenena no lazaina naniraka anao tsy ahay mifanaja. Tena mila mivoatra tokoa ny toe-tsaina satria ny sehatra rehetra mila mifampiaro sy mifanaja fa tsy faly ny hisavoritaka sy faly ny savorovoro.
3. hery ( 27/11/2007 16:59)
Maty aho Diesel(*)-ko

(*) Diesel dia kitapo somary labasy maitso izay be mpanana indrindra ao Dago.
4. tezitra ( 27/11/2007 18:20)
c pas la solution, mais:
1)on est gouverné par des incapables, et des amateurs, ils proposent des solutions au vu de nez. en france, aux usa, on porte des vetements militaires,, et c la fashion-style man.on veut tous ressembler à brad pitt, jlo, aniston, beart, kidmann et avoko...yeah man

2)les militaires continuerait de vendre ces effets vestimentaires, car ils ne se sentent pas respectés par ce gouvernement, ils sont pauvres, pas d'avancement, tandisque les policiers sont des fils à papa.

3)si l'etat est responsable, il doit indemniser ces pauvres ecoliers et citoyens, car acheter d'autres vetements pour remplacer c pas à la portée de leurs budget.

seuls les poissons morts suivent le courant
5. bazylou ( 28/11/2007 00:51)
ianao anie ratezitra ka hanapaka lalandrivotry jeankely veta eo e.:):)
6. Jeankely ( 28/11/2007 09:53)
Tsy tapaka @'izany ny ahy fa ny anareo no atahorana. Izay tsy mety dia tsy mety ary tsy momba ny zavatra tsy mandeha izahay fa ny fanaratsiana Madagasikara ataonareo aloha tsy hanaraka izany izahay.
7. fijo ( 28/11/2007 22:04)
za kosa aloha ,na inona filaza na inona,tsy ekeko io fanafoanana ny fahafahan'ny olona io e.safidy ny akanjo,ka tsy anjaran'ny fanjakana no mandrara ny olona
amin'izany.ary tsy ny fitondrana kitapo akory no hampitahorana vahoaka.ny fihetsiky ny tena miaramila sy polisy no tokony hovana aloha,tsy ahatonga ny olona hatahotra raha vao mahita akanjo miaramila
8. reve ( 29/11/2007 17:19)
fijo:de tena mitovy hevitra isika ny am io fa za ko mahita hoe misy fanararaotana ao anatin'ilay fanenjehana olona manao akanjo miaramila io, ka ny hevitro de tokony ho faizina izay polisy na miaramila tratra manao izany mazava nge ny lalana mikasika io zavatra io e! tsy misy milaza mihintsy ao hoe enjeho izay mitondra kitapo maintso antitra,fa le olombelona mpanatanteraka mihintsy no manao mihoatra ny tokony ataony ka tokony handray ny andraikiny izay tompon'andraikitra am izany mivantana!
9. ari.malala ( 03/12/2007 14:41)
fa ny tsy azoko d angaha izay miloko maintso antitra dd fitaovan'ny miaramila daolo e!
10. tendry77 ( 07/12/2007 21:26)
mety hisy formation ao antanana de mila tenue de camouflage d ny basy kilalao koa efa nasiana kozy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2881