ry maria o , mba tantano ny dianay

1. toky77 ( 26/11/2007 08:32)
hira katolika le izy de misy hoe :ry maria o, mba tantano ny dianay; arovy re fa zanakao zahay. dia saika mba hangataka ny tonony fa tsy ao anaty fihirana hasina lay izy
novalian'i ttiavina ny 29/11/2007 05:42
2. xxx ( 26/11/2007 12:42)
Izay tadidididiko aloha no omeko fa tiako be koa io hira io.

Fiv:Ry Maria o, mba tantano ny dianay
Arovy re fa zanakao zahay
Ampio re mbola lavitra ny dia
Maria o , Reny mamy be fitia

Omeo hery izahay mba tsy ho very
Arovy koa izahay ho tody soa an-danitra

...Fiv:...

Fiainanay ianao, apinganay e!
Fanantenanay ny ho eo anilao mandrakizay

...Fiv...

Dia mazotoa mihira
Mety misy tsy ampy fa io aloha no tadidiko.
3. ttiavina ( 29/11/2007 05:42)
ity ny tonony raha ilainao e

ry maria o mba tantano ny dianay
arovy re fa zanakao zahay
ampio re mbola lavitra ny dia
maria o reny mamy be fitia

omeo hery izahay mba tsy ho very
arovy koa zahay ho tody soa an-danitra

fiainanay ianao ampinganay e
fanantenanay ny ho eo anilanao mandrakizay

ny chorale katolika avy ao faralaza no tompon'io hira io, fa ny katolika rehetra mihira azy
izay fa mazotoa mivavaka e,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1236