Inona no tanjona tiana atao amin'ny fiainana?

21. niryna ( 29/11/2007 05:30)
soanja:

Miovaova araka ny fisehon'ny fiainana ny tanjona ary izay mahalala mailaka, mandray ny tandrify azy sy mampiasa izany amim-pamendrehana sy am-pilaminana ary mifandanja no mivoaka ho mpandresy.

Tsy ny tanjona no zavadehibe fa ny zavatra tsapa eo ampamitana azy eo na ny hoe "Ny eny an-dalana"

Hatramin'izao aloha mbola tsy nisy ny fadisoam-panantenana saingy betsaka kokoa ny fahamalinana noho ny hafanam-po.



Izany tokoa an :D

22. niryna ( 29/11/2007 05:39)
Arakaraky ny toerana misy anao,ny fiainana ary ny zavatra tiana kendrena no mety ahatody amin'ilay tanjona na tsia.
Raha eo amin'ny fiainana ohatra ka mety manana eritreritra isika ny hanao zavatra goavana be,dia tsy maintsy mila ezaka goavana koa izany ary mila finiavana sy fahazotoana mba ahatratrarana ilay izy.Ohatra hoe hividy trano : vao manomboka ny eritreritra ilay tanjona dia efa manomboka manidy izay eo am-pelantanana.Misy fandeferana izany ao .
Raha manana tanjona isika ka mifikitra mafy tokoa ,tsy miovaova hevitra na tsy miroaroa saina dia mety ho tratra ilay tanjona.
Ny ahy ny tanjona sy ny faniriako dia ny hitory ny filazan-tsara araka izay tratrako.Misy ezaka ao,misy finiavana,misy fandeferana ary misy fitiavana.
Tratrako ilay izy ary tsy mihonina aho fa mbola mitohy ihany.Faly ny foko ary ny faniriako dia hitety izay toerana mahantra mbola tsy mahalala an'Atra ireny. Faniriana ny ahy io a.
Azo lazaina fa tanjona ve izany,tanteraka ny faniriako ary todiko ilay nokasaiko ? :D sa inona no hilazana azy.
23. miraymel ( 29/11/2007 06:51)
ny ahy indray, tsy te ho antitra vao ratsy loaka fotsiny, mieritreritra ny loakako rehefa antitra sisany za zao zany, hihi
otran'ny mba netinety daholo mantsy hatramin'izao ny sisa
tsy mitady ny lafatra koa e
24. diamondra27 ( 29/11/2007 07:19)
niryna:

diamondra27:

efa ho avy zao ny taombaovao atsy ho atsy de le 31 déc zany manao bilan we tratra v le tanjona
de ny 01/01.08 NJAY de soraty doly njay we inon ny tanjonao

simplex, ika: mbola tsy vita ny taona sa le delai efa perimé de efa nanao bilan sahady.
rapitso zao de efa azo hanaovana tanjona 1 hafa


Hevitra mety tokoa izany,ilay resaka vola no tena anisany zava-dehibe iray ka rehefa miasa izany dia mila mijery ny vola miditra ,ny mivoaka ary ny tahiry mba ahatratrarana raha resaka vola no tianao atao.Tena mandaitra io fa andramo anie .:D Ny hafa dia arakarany. Mila finiavana sy ezaka ilay izy





__________________________________

tsy resabola ihany akia fa resaka @ fiainana rehetra io mila manao bilan io na ara-panahy na ara-nofo na ara-materialy, voyages sns a!
zay ny tiako lazaina @io
25. niryna ( 02/12/2007 07:07)
miraymel:

ny ahy indray, tsy te ho antitra vao ratsy loaka fotsiny, mieritreritra ny loakako rehefa antitra sisany za zao zany, hihi
otran'ny mba netinety daholo mantsy hatramin'izao ny sisa
tsy mitady ny lafatra koa e


Miresaka an'izany hianao fa tena mazana be ny marary any an-tanana satria lafo be ny fanafody sy ny fiainana .

26. niryna ( 02/12/2007 07:09)
diamondra27:

niryna:

diamondra27:

efa ho avy zao ny taombaovao atsy ho atsy de le 31 déc zany manao bilan we tratra v le tanjona
de ny 01/01.08 NJAY de soraty doly njay we inon ny tanjonao

simplex, ika: mbola tsy vita ny taona sa le delai efa perimé de efa nanao bilan sahady.
rapitso zao de efa azo hanaovana tanjona 1 hafa


Hevitra mety tokoa izany,ilay resaka vola no tena anisany zava-dehibe iray ka rehefa miasa izany dia mila mijery ny vola miditra ,ny mivoaka ary ny tahiry mba ahatratrarana raha resaka vola no tianao atao.Tena mandaitra io fa andramo anie .:D Ny hafa dia arakarany. Mila finiavana sy ezaka ilay izy





__________________________________

tsy resabola ihany akia fa resaka @ fiainana rehetra io mila manao bilan io na ara-panahy na ara-nofo na ara-materialy, voyages sns a!
zay ny tiako lazaina @io



8) misaotra ary e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0078