foko 18

1. tslem ( 23/11/2007 17:38)
Tsy haiko oe aiza ity fanontaniana ity no tokony apetrako fa dia ialàko tsiny raha diso toerana an!

Saika mba hanontany ho ah zah oe, inona kay no dikan'ny oe FOKO(18) sy ny hoe TROMBA ary koa ny hoe MANASINA @ teny frantsay.Dia misaotra indrindra.
novalian'i Cybergasy ny 16/02/2008 15:58
2. booboo ( 23/11/2007 18:52)
-foko = ethnie(s)
-ny ambiny tsy haiko hihihihihi :°)

3. simplex ( 23/11/2007 20:16)

- foko= ethnies, tribus

- tromba= azavao @ teny gasy alou fa na ny gasy sasany (za anisany :oops:) tsy dia tena mahay oe in marina io zavatra io? :P

- Manasina= sanctifier, benir,...
4. tslem ( 24/11/2007 07:08)
misaotra betsaka booboo

simplex >>> tsy haiko tsara ny hanazava azy eto fa ôtran oe olona itoeran-javatra reny dia mandihindihy sy miboredidredika miteniteny eo lé olona,ôtrôtr zany lé izy :-P
D manasina hafa mitsy lé izy fa tsy reo manasina reo kah!! melsi kan mèm
5. booboo ( 24/11/2007 07:40)
Tslem > raha lé zay dia mihetsika tromba = entrer en transe. Fa lay manasina tsy haiko mihitsy kounkou hatr@ zao ...rendre un culte ? tsy haiko kah hihihihi.


Simplex > raha @ malagasy, foko = ethnie(s) fa tsy tribu(s)
6. kiadi ( 24/11/2007 08:32)
manasina: tsy aiko fa hotrany fiteny ilay oe "marrabouter" tsy aiko akory aza oe tena zao ny fanoratra azy! avy amin'ny oe marrabou!

tromba: io "en transe " tenen'i booboo io ko no haiko
7. simplex ( 24/11/2007 15:01)

tslem,
sao d mba nilatsahan'ny fanahy Masina/devoly zany kle :°):lol::@

booboo,
aaa e
@ malagasy, foko = mon coeur (l)(l)

;-)
8. ikaretsaka ( 24/11/2007 16:39)
foko= mon(l)

Tromba.. faire l' "en trance"

manasina, payer saint: :-D

Zhay moa tsa de nahay ity faran'ny tsy hay nareo ity ka
9. niryna ( 26/11/2007 07:05)
tslem:

Tsy haiko oe aiza ity fanontaniana ity no tokony apetrako fa dia ialàko tsiny raha diso toerana an!

Saika mba hanontany ho ah zah oe, inona kay no dikan'ny oe FOKO(18) sy ny hoe TROMBA ary koa ny hoe MANASINA @ teny frantsay.Dia misaotra indrindra.


Tena tsy mba fantatro aloha ilay fiteny azy fa ny dikany amin'ny teny gasy dia toy izao no fahalalako azy an
Ilay foko 18 ve tsy ireo karazana olona mipetraka eo amin'ilay firenena?Ohatra ny malagasy dia misy Ambaniandro na Merina,Antaisaka, Antaimoro ,Sihanaka, Antandroy,Bezanozano sns ..
Ny merina indray aza mbola misy Andriana ,hova ary andevo.
Ny tromba indray dia olona hipetrahan-javatra,na ilay izy avy amin'ny taranaka no mifindra ary matetika dia misy fanahy hinoany ary io no ao anatiny ka mahatonga azy hiteniteny,miresaka amin'ny maty hoy ny sasany.Io indray anefa dia afakin'ny fivavahana raha roahina ilay fanahy ao anatiny.
Ilay manasina indray dia matetika ireo olona mino ny maty sy manaja ireny maty ireny.Ny andriana sy ny taranaky ny mpanjaka no mbola manao an'io.Be fadifady ry zareo.Misy na ny fidirana ao amin'ny tranon'ilay mpanjaka fotsiny aza dia ny lamosina indray no mandeha ary misy hoe havia no mipaika amin'ny tany voalohany.Mandehana any Ambohimanga fa mbola manaraka fomba betsaka ireo taranakin'ny mpanjaka.
Misy anarany maro ilay izy ary misy mandeha any ambonin'ny tendrombohitra efa ho km maro dia maro mihitsy fa avo toerana ny fasana misy ilay mpanjaka dia any no manasina ilay olona,manao fety be.Mamono omby.Be mpanan-karena mandeha amin'io satria matetika moa ireny taranaka mpanjaka ireny dia mbola mahazo toerana sy mbola mitana ny hareny ihany .:D
Misy ihany koa ny fanasina any ivelany dia mamono omby alohan'ny hiterahany.sns.
Mangataka sy misaotra amin'ny razana no matetika no mahatonga an'ilay fanasinana.(Manome hasina)
Misy mangataka amin'ny razana sy misaotra azy ireo dia mamono omby ihany koa ka ny ran'iny omby iny no ataony eraky ny fasana ary ilay hena dia omena ny olona rehetra sy ny fokonolona izay manatrika eo.
Mbola maro fa izay aloha no fantatro.:D
10. papala ( 27/11/2007 12:42)
Tsy ny Merina ihany no misy ny andriana, hova, andevo . fa ny foko rehetra eto Madagasikara mihintsy na ny any andafy aza. Ny frantsay fotsiny aza dia ahitanareo foko maromaro.:roll::roll::roll:
11. Cybergasy ( 16/02/2008 15:58)
1-Antakarana
2-Sihanaka
3-Betsimisaraka
4-Tsimihety
5-Bezanozano
6-Merina
7-Sakalava
8-Betsileo
9-Bara
10-Masikoro
11-Antaifasy
12-Antaisaka
13-Antandroy
14-Antanosy
15-Antambahoaka
16-Betsirebaka
17-Mahafaly
18-Antaimoro
19-
20-

Ohatry ny tsy ampy ireo raha tsy diso aho

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.43