hay teo fôna ikristy

1. rativo ( 23/11/2007 08:11)
mba tena tiko ery io hira io, ka ra mba misy afaka manome ahy e! misaotra tompko
novalian'i Bafota ny 03/12/2007 18:02
2. veromahefa ( 23/11/2007 09:25)
Ity ary ny tonony nanaovan'ny choral aty azy,fa toa misy tonony taloha (hirain-dehilahy) hafa

Taona sy taona nisesy nitadiavan-tsoa
Niodinkodina nefa tsy nety nitony ny fo
Ireo izay nitokiana nandao avokoa
Tany efitra sady nangina no niainako

Hay teo foana i Kristy (2)
Nitady ahy izay nania
Hay teo foana i Kristy

Foana izao ny fotoana izay laniko
Andro mirana soa, lohataona zao ny androko
Toko izay nantenaiana ka dia afa-po
Ilay fiainako teo karankaina niova ho soa

Eny, teo foana i Kristy ! mahereza!
3. ftma ( 23/11/2007 12:11)
jereo ato fz misy tonony koa izay nihiran'ny chorale azy taty France http://serasera.org/tononkira/index.php?rub=tononkira/hira&id=4332
4. sarobidy ( 23/11/2007 12:17)
fa raha solfa mihitsy no ilainao de jereo fa iny nalefako am hafatra iny :P
5. Bafota ( 03/12/2007 18:02)
Inty misy sopapa kely
Ny antoko mpihira Fiderana fpma-paris no mihira azy iny inty ary ny adiresy:www.fpma-paris.org
Aza manahy intsony fa eo foana i Kristy:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0494