mpanompon'Andriamanitra....

1. ari.malala ( 23/11/2007 07:19)
Iza tokoa moa no antsoina hoe mpanompon'Andriamanitra e! mahita ilay dinika hoe talenta sy fanomezam-pahasoavana aho mantsy de variana hoe fa iza moa izany no mpanompon'Andriamanitra... Tsy dia havanana loatra am tsimpona sy fitadidiana referansy ny tenako, miala tsiny fa misy fanoharana izay any am Evanjely any hoe rehefa avy mahavita aza ianareo hoy Jesoa de aza mirehareha, fa ataovy hoe mpanompo tsy mahasoa iany izahay, fa izay nasaina nataonay iany no vitanay... de aona zany?
novalian'i fijo ny 28/11/2007 00:49
2. deric ( 23/11/2007 08:36)
Tsotra e! indrindra rehefa tsy zavatra mitsipona dia vao mianka tsotra. Iza moa no manompo fa ataoko fa izay manao ny ampanaovina ihany. Koa na iza na iza no manao ny sitrapon'Andriamanitra dia mpanompony izany. OK
3. prime ( 23/11/2007 09:10)
Tsy mazava ve izany ry ari.malala, izay mino an'i Jesosy Kristy, izay voavonjy noho ny ràn'i Kristy, vita batisa amin'ny anaran'ny Ray sy Zanaka ary Fanahy masina, izay manana ny Fanahy masin'Andriamanitra ka manompo an'Andriamanitra sy manao ny sitrapony no atao hoe "mpanompon'Andriamanitra" ka efa tsy ny tenany intsony no velona fa Jesosy Kristy... ary izay rehetra ataony dia izay programan'i Kristy... (io aloha no hitako mahafehy azy araka izay azo atao fa mety mbola misy namana hafa afaka manome famaritana tsaratsara kokoa na mazava kokoa)

Ny amin'ny fanetren-tena nampianarin'i Jesosy dia anatra ho an'ny mpino rehetra fa tsy sitrak'Andriamanitra tokoa ny mirehareha... ary izany indrindra no mampitombina ilay fananarana nataon'i Kristy ihany koa mba tsy hisy hirehareha ny amin'ny asa na dia iray aza satria mbola Andriamanitra ihany koa no tompony sy tena nanao ny asa fa fitaovana fotsiny avokoa ny ambiny... araka ny voasoratra hoe amin'ny anaran'i Kristy :

"8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;9 tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha.10 Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy." Efesiana 2:8-10
4. veromahefa ( 23/11/2007 10:28)
deric:

Tsotra e! indrindra rehefa tsy zavatra mitsipona dia vao mianka tsotra. Iza moa no manompo fa ataoko fa izay manao ny ampanaovina ihany. Koa na iza na iza no manao ny sitrapon'Andriamanitra dia mpanompony izany. OK


manamafy izany ny Efesiana 6 : 6
5. niryna ( 23/11/2007 12:16)
ari-malala a>ireo voalaza eo ambony ireo ny valiny.
Afaka amin'ny gadran'i satana ilay olona,dia ny fahotana sy ny ratsy rehetra izay nifonany tamin'ny tompo izany, ary manomboka mametraka ny fiainany eo amin'i kristy.Kristy izany no velona ao anatiny.Satria Izy no miaraka aminy ary dia manao ny sitrapony amin'izay izy (lasa mpanompo an'i kristy izy)
Rehefa manao zavatra izany ilay olona dia manao amin'ny fony tsy mitaraina,tsy mila mitsara olona ary miezaka ny hanao ny marina foana.Tsy mora fa mangataka sy mivavaka aminy mba omeny hery hanantanteraka izany sitrapony izany.

Raha misy olona ao amin'ny tompo hoy izy dia olom-baovao izy ,ny lasa adinon'Atra fa fiainana vaovao indray no omeny,miezaka ny manao zavatra am-pitiavana ireny ao am-po.
Une fois izany nangataka famelan-keloka ilay olona tamin'i Kristy irery ihany io,ka manaiky azy ho mpanompony sy mino azy fa maty tokoa izy noho ny fahotany dia voavela izany ary tsy ho tsarony intsony koa. (l)(l)
Ary dia voasoratra ao anaty bokin'ny fiainana ny anarany.:D ^:^

TSy maninona raha tsy mitsimpona hianao,vakio ny teniny fa arakaraky ny hamakianao azy no hiainanao izay voalazany ao.

Manao sy manantanteraka ny asany:Mampiantra izany amin'ny fiainana,mitory izany ho an'ireo izay mbola tsy mahalala,tsy ho voatery hanampahaizana vao afaka mitory,na tsy miteny aza, ny fihetsika rehetra dia efa manambara fa misy fitiavana ao am-pony ilay olona ary jiro na taratra ho an'izay manodidina azy.
Ireo fahasoavana na fahalalana nomeny anao ireo izany dia ampiasaina aty ivelan'ilay olona .hanompoana azy.Mizara izay soa azonao taminy amin'ny hafa ary ao an-tranonao no hanombohana izany dia mandeha amin'ny fianankaviana dia mivoaka aty ivelany dia io eny i ari-malala fa tonga mizara azy ato amin'ny serasera amin'izay i!:D
:-*
Mahereza.
6. ikaretsaka ( 26/11/2007 20:05)
fa mahagaga @ ity tantara ity dia misy @ ilay ferapara ireny hoe sitrak'A/tra no niantsoany ny mpanompony!
nefa ilay Razoky @ io t@ nanaovana batisa azy no nandehanany am-piangonana sy nivavahany voalohany sady farany an!
misy aza lasa athee
fa rehefa @ ferapara dia "mpanompony" foana ny soratra eo!:-D
7. ari.malala ( 27/11/2007 06:53)
ika, :-D:-D:-D:-D:-D

8. ikaretsaka ( 27/11/2007 17:07)
f'hita fa izany ko...
milaza ny marina indray Ika dia mehezana
9. fijo ( 28/11/2007 00:21)
marina mihintsy io fiatsarambelatsihy lazain'ika io.

i dadany,hatramin'izay nahalalako azy,tsy mbola itan'ny masoko niditra fiangonana.na indray mandeha aza.na tamin'ny mariagen'ny zokiko aza.za aloha tsy mahalala na mino lery na tsia.izay tsy haiko .
fa nony maty izy dia nisy an'io filazana hoe"sitrak'andriamanitra io"
10. ikaretsaka ( 28/11/2007 00:47)
izay ange hoa e
11. fijo ( 28/11/2007 00:49)
ka le andriamanitra efa lasa "fomba" eto
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1463