Maro ny Chef Fokontany ao Antananarivo avy @ Faritany

1. Jeankely ( 22/11/2007 12:55)
Fampiadiana ny resaka tiana hatao. Maro ny President Fokontany na ilay atondreo hoe SEFO FOKOTANY no avy amin'ny faritra rehetra ary hajain'ny olona fatratra. Tsy misy mitaraina ny amin'izany ny olona fa mahay miara-miasa ary tena samy Malagasy. Ny tian'ny sasany atao dia ny hiadivana sy hifanenjehana nefa ny olona mahay miaraka tsara. Aza mba manaiky ny resak'olona tia hampisavorovoro. Ny olona avy @'ny Faritany miaina tsara ao Antananarivo ary tsy misy maharatsy izany fa tsara ny mahay miaraka. Ny faritany manaiky voazin'ny sasany @'ny ady no mampalahelo raha misy. Tsy haiko aloha fa samy Malagasy mila mifanohana satria ny Chinois sy ny Vazaha aza antsoina.
novalian'i Jeankely ny 26/11/2007 12:53
2. reve ( 22/11/2007 15:17)
ok! ra jeankely ! tena marina io eto am tanana ndray de tena ahitana taratra tsara mihintsy (67ha nord )ny fahaizan'ny samy malagasy miara monina sy mifanaja ko asakasak'izay kely saina mbola mety taritina am zany resaka foko zany! fa ra hotran-dry "tezitra" sy ry "bazylou" kosa aloha de very ny firenena e!8):D
3. teamryan ( 22/11/2007 16:04)
Mahaliana tokoa ny lohahevitrao ra jeankely!!=D. Ny hevitry i reve koa nefa tsy ratsy satria tena marina tokoa io!Izaho zao dia mipetraka ety 67 ha, izay anisan'ny tanana misy ny karazam-poko rehetra eto Madagasikara, fa tsy misy ary mbola tsy naheno izany resaka adim-poko izany aho.Teto aho no teraka ary mbola eto aho hatr@zao fa mbola tsy naheno izany hatr@zao alo eh. @ zao androny taona arivo faha-3 zao ko ve mo dia mbola hisy olona anao fisainana toy izany eh sa aona?Olona nentina anakorontana ireny amiko ka tokony hofaizana fa ny Malagasy dia iray ihany.reve^:^
4. sipagasy ( 22/11/2007 17:14)
aiza re i ra tezitra hahita an'ity e! hihihihi
5. fijo ( 22/11/2007 22:00)
mety ho kalma lery rah amahita ity ka
6. bazylou ( 23/11/2007 01:22)
KAnefa ilay Merina mankany amin'ny faritany ve toa izany ??? tsia no valiny.
7. Jeankely ( 23/11/2007 09:21)
Ny olon-tsotra mahay miara-miaina fa resaka politika no hivoizana io resaka io. Na avy aiza na avy aiza inona no olana raha Mpampianatra avy andrefana miasa Antsinana na Mpitasabo avy Atsimo mitsabo any Avaratra? Izay afaka miasa dia izay fa mba hialao ny hevitra lany andro sy tsisy voka-tsoa. Mba mahita ny andafy ary mipetraka sy miaina an-dafy nefa ny samy anaty Nosy iray ve no ho rangitina amin'ny resaka tsisy fivoarana? Mba menatra?
8. fijo ( 23/11/2007 21:03)
bazy an,za lehibe tao mahajanga fa tsy naninona mihintsy
9. reve ( 24/11/2007 17:35)
za ndray merina lehibe tany tulear fa tsy mba nanana olana mihintsy zahay sy ny fianakavianay tany!io hoatran'ny zava misy rehtra eran tany eo am fiaraha moninana indraindray misy ny tsy fifan kazahona eo am samy piara belona zany tsy midika hoe tsy mifandray mihintsy ny olona ary sy ary,na hoe mankahala merina ny cotier ou vis versa fa resaka gaigy ny an'i bazylou!
10. Jeankely ( 26/11/2007 12:53)
Resaky ny tapo-dalakaleha ny an'i Bazylou sy Tezitra. Harisiho foana ny olona hifankatia fa ny an'ireo izay ahapotika an'i Madagasikara no ahazoany tombony. Isiaka simba izy mahazo aina nefa isiaka tsy mikasika izay tombontsoany. Kapaho fa manimba ny tany. Resaka foko tsy natao hiadivana fa natao hiraisana sy ahitana tombony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0839