alainao ho ahy

1. sitlo ( 21/11/2007 13:39)
Sao dia misy mahay ity tononkalo ity. Tamin'ny biky isambilo angamba.

...
Alainao ho ahy
trondro be matavy
akoholahinala
Mitady ny tsy hita ianao
ka mila voa tsy hary

...
novalian'i Fonengo ny 03/08/2024 15:56
2. zakony ( 02/08/2024 18:46)
Alainao ho ahy
ny havokavobato
na menaky ny vitsika
ahosotra ny basy ...
mitady ny tsy hita ianao ka mila voatsiary

alainao ho ahy
parasy dimy njehy ...

Tsy tadidiko intsony fa toa misy an'izay izy
3. Fonengo ( 03/08/2024 15:56)
Alainao ho ahy ny trondrobe matavy
aleo fa omeko anao ny foko mba miangavy!

Alainao ho ahy 'lay poma tsara kely
fa tena foiko anao 'lay fitia mamy tsy an-tery!

Alainao ho ahy 'lay
ranomamin'ny farihy
fa atondrako ho anao ty ranonaiko mankadiry

Tyy akantonao ee!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2543