ny fitenenan-dratsy !!!

1. dokotany ( 21/11/2007 09:26)
Fanontaniana mahakitikitika ahy hatrin'ny ela izy ity :
- tongatonga ho azy ve ny teny ratsy rehefa tezitra na sosotra ny olona iray ?

dia ity koa :
- inona avy ny teny azo kilasina fa ratsy ?
novalian'i fijo ny 23/11/2007 22:33
2. salmo1 ( 21/11/2007 10:11)
dokotany:
- tongatonga ho azy ve ny teny ratsy rehefa tezitra na sosotra ny olona iray ?

Non, arakaraky le olona tezitra ihany io.

I Petera, 3 adininy faha 12 tapany farany: Fa ny tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy.

Mitezera fa aza manota, ary aza hatao tratrany masoandro milentika.
;-)
3. xxx ( 21/11/2007 14:45)
Tokony tsy ho tongatonga ho azy ny teny ratsy raha toa ka olona Kristiana marina ny olona. Mila mahay manindry fo. Matetika ny fitaizan-tena no tsy ampy ho an'ny olona mpiteny ratsy.

Ankehitriny dia maro be ireo video misy herisetra sy teny mamoafady miely etsy sy eroa.

Ratsy ny teny raha toa ka tsy misy dikany tokony hitenenana azy ary manafintohina ny sofin'ny hafa.
4. ikaretsaka ( 21/11/2007 14:57)
amiko io tsy misy oe zao teny zao sy zao teny izao :
rehefa tsy maloto ny saina miteny azy sy tsy manana endrika fanompana sy fandratrana olona sy hasosorana dia tsy maninona izany.
Misy faritra sasany eto madagasikara, tena somary mankarary sofina izay ihany no teneniny raha mandeha mivoaka izy, na nanao firaisana izy mivady ny alin'iny, na hoe efa nifafa izy t@ avy nivoaka sy efa nanao ny toilette intime ravehivavy sy ralehilahy!
Teneniny mivantana aby ireo nefa tsy misy eritreritra ratsy mihitsy fa izay no mahazatra azy sy teny gasy madio mangarangarana !

Fa raha resaka fankahalana: na hoe "le zanaky ny mamany ity" aza teny ratsy rehefa fankahalana no itenenanao azy


salmo: aza tsimpotsimponina fa samihafa kosa ny miteny sy ny manao e!:lol: (raha miteny ve ialahy hoe hifindra katolika dia hoe lasa katolika ialahy izay?)
5. zamanoro ( 21/11/2007 15:13)
dokotany:

Fanontaniana mahakitikitika ahy hatrin'ny ela izy ity :
- tongatonga ho azy ve ny teny ratsy rehefa tezitra na sosotra ny olona iray ?

dia ity koa :
- inona avy ny teny azo kilasina fa ratsy ?

Raha sosotra ianao na tezitra no mampiasa teny ratsy ka avantanao amin'olona na biby na zavatra ilay izy dia io no atao hoe "MANOMPA"
Fa izaho aza raha faly, na misy zavatra milay dia miteny ratsy aho ohatran'ny hoe "TaY be iny le lika eh..; TaY amin'Am koa izany... sy ny sisa eh"
ilay teny ratsy anie avy amin'ny hoe teny + ratsy, ka ny ratsy dia izay heverina ho mahadikidiky eh. Ny mifanohitra amin'io dia ny hoe teny soa, "fantatrao ny hoe teny soa mahafaly ohatra, sy ny angoty sy ny sisa tsy voatanisa...
6. dokotany ( 21/11/2007 16:11)
Tsy haka ohatra lavitra aho fa ny tenako ihany : rehefa misy mahatohana ny foko (ompa, fanambaniana,...) na mandratra mafy ny vatako (nianjera,....) dia ny zavatra tsapako dia hôtrin' ny misy reaction tampoka izany ny saina (na ny fo), te hamaly (faty) eo no eo izay nahazo ny tena. Indraindray ilay izy tsy tafavoaka ato anaty dia mijanona ho fahatezerana (fanozonana ampo,...) fotsiny fa indray tsy tàna dia mivoaka amin'ny vava dia io ilay hoe teny ratsy !
7. cutie ( 21/11/2007 16:25)
mazava tsara le situation anao ry dokotany fa diniho tsara alou we important ve le famaliana ratsy sa tsy misy dikany akory, ndrindra le izy we tsy tafavoaka eo no no eo fa mijanona ho fahatezerana, de @ iny enao no mandinika azy :)
8. bichette ( 21/11/2007 16:46)
1- Rehefa tsy manozona ny teny.
Misy lanjany mihitsy manko ny teny, ny teny avoaka no manozona, mitso-drano, Aza adino fa TENY no namoronan'Atra izao tontolo izao. Koa ny teny aloaky ny vavantsika dia misy fiantraikany, na amin'ny fiainantsika, na amintsika na amin'olona.

2- raha manompa isika, dia mankarary ny fon'ny hafa izany. Aoka ho tsaroantsika fa fitaovana iray mamono ihany koa ny fitenenana mahery sy ny fiteny mandratra. Ny antsy, ny kapoka sns mandratra sy mamono ny vatana fa ny teny maharary dia mamono ny fanahin'ny olona.

Impiry moa isika indraindra no miteny hoe "aleoko kokoa kapohina, iny tonga dia marary eo ny eo toa izay marary fo, voaratra anaty raha samy marary ihany"

Ny hoe "teny ratsy" dia teny tsy mitondra soa, na ho an'ny tena na ho an'ny hafa. :-*

9. fijo ( 21/11/2007 21:51)
saina io,rehefa io no ratsy,dia ratsy ny teny.
10. ikaretsaka ( 21/11/2007 22:18)
na hoe tiako ianoa aza teny ratsy rehefa raisin'ny saina hoe ratsy
11. fijo ( 21/11/2007 22:20)
izay mihintsy,saina aby no mitondra an'io
12. ikaretsaka ( 21/11/2007 22:24)
dokotany:

Tsy haka ohatra lavitra aho fa ny tenako ihany : rehefa misy mahatohana ny foko (ompa, fanambaniana,...) na mandratra mafy ny vatako (nianjera,....) dia ny zavatra tsapako dia hôtrin' ny misy reaction tampoka izany ny saina (na ny fo), te hamaly (faty) eo no eo izay nahazo ny tena. Indraindray ilay izy tsy tafavoaka ato anaty dia mijanona ho fahatezerana (fanozonana ampo,...) fotsiny fa indray tsy tàna dia mivoaka amin'ny vava dia io ilay hoe teny ratsy !


Aleoko aloha rehefa tsy nahavoa , fataoko t@ nanao baolina dy rehefa misy zavatra vinany hoe "oay le"
toy izay le hoe .."njeman'tsooo"
tsy haiko fa za zany mintsy

13. fijo ( 21/11/2007 22:27)
le "reaction"teny indray io fahazarana.
za ohatra tsy tia manompa dia tsy mba tafiteny hoe "kind......"sns.
fa raha ny bandy eo analakely vao faly dia KINND...;sosotra dia kind...tsy hay intsony izay tena asiana ilay KINder
14. ikaretsaka ( 21/11/2007 22:48)
fiteny ohatran'ny teny rehetra wa io fa ny saina no mitondra! ohatran'ny
ianao hoe Tay beeee kosa, sy ny hoe tay be le... sns.... ihany io
15. fijo ( 21/11/2007 22:55)
izay mihintsy,fa ny fampiasana io tay be io koa fahazarana.
16. deric ( 22/11/2007 12:42)
Tsy misy tonga tonga ho azy izany ny teny rehetra aloaky ny vavanao, na tezitra ianao na faly. matoa voateninao ny teny na tsara na ratsy dia efa tao an-tsainao, mety efa masaka tao am-po koa.
raha efa fahazarana moa ilay izy , dia zavatra efa raiki-tapisaka ao aminao.
Torohevitra: Raha te-hiala amin'ny fitenenan-dratsy rehefa tezitra satria efa zatra izany, dia aleo mangina.
17. suzuki ( 22/11/2007 14:33)
dokotany:

- inona avy ny teny azo kilasina fa ratsy ?


amiko alo ny teny tsis ratsy, mato misy nteny ratsy D enao le milaza azy fa ratsy mits zany no efa mieritreridratsy

ary tsisy teny ratsy fa ny tena mandratra sofina na mavesatra no misy, ka miankina @ zay tontolo misy anao ihany no anamboaranao ny fiteninano
18. fijo ( 22/11/2007 23:21)
izay ,saina io,ratsy ny saina,ratsy ny teny
19. zamanoro ( 23/11/2007 01:15)
De ahoana izao ity lohantenin-gazety ity?
http://www.moov.mg/femme.php?articleId=333326
Sa hoe teny vahiny no filaza an'io? Fa raha teny gasy io izao dia hoe teny ratsy eh
Ahahahahahahah
Aza manaratsy ny an'ny tena ho'a ka ny ratsin'ny sasany asian-dranom-bolamena
Ihihihihihihi
20. ikaretsaka ( 23/11/2007 03:29)
societe aby izany.. tsy fanompana izany fa mpamari toetra
this is my opinion..i might be wrong
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0551