Inona no atao mba ahatsara ny maso ?

21. niryna ( 23/11/2007 05:13)
diamondra27:

niryna::-D:-D:-D
tsy lentilles voa maina akia io lazaiko io fa lentilles solona maso a!
misy lentilles à ta vue , de misy lentilles atao fihaingona = solona maso foentina @ soirée na refa mba te-jejojeo iny de manao azy na de andavanandro aza, de misy kolera le izy, de le violet wa ny ahy no tiako
Mankanesa ange any @ mpivarotra solomaso de anontanio any io we: manana lentilles ve nareo de mba omeo infos momba an'io za azafady.



=))=)) tena tsy tao anaty saiko mihitsy aky ilay izy a,misaotra betsaka,izaho vao mieritreritra ny fandrahoako lentilles miaraka amin'ny toton-kena omby na kiso miaraka ny karoty sy ny seleria kely tetehina ary arotsaka rehefa ho masaka. =))


22. niryna ( 23/11/2007 05:17)
diamondra27:

http://www.opticiens-atol.com/V2/Lentilles/Vivre_lentilles.php

http://www.optic2000.fr/opticien/lentilles_de_contact.html



Mamerina ny fisaorana ihany e.Toa tsy izany mantsy no anaran'ireny aty aminay :D
Mila mitandrina rehefa manao an'io fa raha tanana maloto no am-pidirana ilay lentilles dia lasa mandeha ranomaso foana.
Misy haingo sy karazany maro ary misy mampatahotra rehefa tiany am-panaovina movie mampatahotra ilay olona dia manao an'io :D
Izaho anie tsy marary maso e,ahoana no fikojakojaina ny maso mba hampateza azy ka tsy hanaovana solomaso?
23. niryna ( 23/11/2007 05:21)
sarobidy:

rehefa hanao fanadinana ve znay ry niryna de ny tsaramaso no ohanina ve?


Yaap! Io foana no nomen'ny mamanay anay fahiny,dia miampy chocolat kely,dia nampiko fivavahana alohan'ny hanaovana fanadinana(tsy nikipy ny masoko a,fa sao dia lazain'ny mpampianatra matory aho),dia nivavaka kely koa aho eny anelanelany eny ,ary alohan'ny hametrahako ny peniko dia nivavaka aho sady mamerina mijery izay nosoratako.Misy fanahy manoro ahy foana ary tena itako hoe nisy nanampy foana aho.Azo tsapain-tanana io ary zaraiko ho antsika rehetra ,eny fa na dia tsy ao amin'ny fivavahana aza ity a.Na inona atao dia mivavaha foana fa hohitanao ny vokany.

24. niryna ( 23/11/2007 05:24)
Ity nisy nandefa tany amiko ka jereo raha mahasoa anareo.
Salut,

Sendra tafiditra ny serasera aho androany. Namaky ny nalefanao aho mba hanatsarana ny maso. Tsy mangirifiry be ve ny mandefa jus de citron avy hatrany anaty maso. Ny natoron'ny Profesora Ratsimamanga ahy hikojakojana ny maso ary tena nahomby tamiko dia toy izao:

-cotton 2 fanadiovana tarehy ireny mahasarona ny maso tsara.
-Mampangotraka rano kely dia avela hangatsiaka
-Maka silaka voasary makirana vao iray.
-Maka rano heran'ny sotro lehibe fihinana amin'ilay rano avy nampangatsiahana dia tetevana ranom-boasary makirana tokony ho 10 mitete. Trohana amin'ilay cotton ilay rano dia atao mask amin'ny maso.
Manao indray mandeha toy izay dia atao amin'ny maso ilany. Matory mitsilany no akipy ny maso eo am-panaovana io .Tsy maheno mangirifiry izany ianao kanefa dia maivamaivana be ny maso avy eo.
10 ka hatramin'ny 20mn ny faharetany hametrahana azy amin'ny maso.

Nataoko isanandro io nandritra ny herintaona ka rehefa niverina nijery maso tany amin'i Dokon'ny maso aho afaka herintaona dia gaga be ilay doko fa tsy maninona intsony ny masoko. Tsy nanao solomaso intsony aho taorian'izay afa-tsy solomaso fiarovana amin'ny masoandro.

Toro hevitra iray koa dia aza manao solomaso fiarovana amin'ny masoandro raha tsy Polarized. Manimba maso be hono ny sasany.

Mba andramo ihany !!
25. niryna ( 23/11/2007 05:26)
diamondra27:

le we hodin'ny clementine potserina no efa reko de @zay moa maninona le maso fa tsy tadidiko, hi an'ny olona handeha soirée hono io e!

zany citron zany tokoa v tsy hamirifiry?






Mangirifiry fa nisy nanoro hevitra eo ambony io .
Filalavanay io hodina clementine io taloha,ampiretina bougie dia potserina ilay hodiny dia manjelanjelatra.:D
26. niryna ( 25/11/2007 05:52)
Toy ny vatana manao exercice dia mila koa ny maso mba ahatsara sy hanala ny havizanana.

http://www.findyoga.com.au/images/abc/pic_eye1.gif

Ampiakarina ambony ,na ambany na havia na havanana ny maso ary tsy ahetsika mihitsy ny loha. Eo amin'ny 10 mn eo no atao izany.

http://www.lifehack.org/wp-content/files/2007/02/mouthyoga.jpg
Sady mampihena ny ketrona amin'ny maso ihany koa ny fanaovana ireo karazana exercices ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1023